Sabotsy 05 Oktobra 2019.

Fandalinana ny Boky JEREMIA

Jeremia 3.1-25/ 4.1-31

Andeha hibebaka ! sasao ny fonao ho afaka amin’ny ratsy , mba hovonjena ianao (4.14).

1-Fa vonona hamindra fo ange ny Tompo e!

Na dia nijangajanga nanompo sampy aza ny zanak’ Israely , ka nambara hoe: »adala ny oloko … Raha ny hanao ratsy dia hendry izy , fa ny hanao soa kosa tsy fantany (4.22) dia vonona ny Tompo hamela heloka . « Fa mamindra fo Aho , hoy i Jehovah , ka tsy hitahiry fahatezerana mandrakizay » (3.12) . Tena mamy izany ! Dia mbola hanamafy fo ihany ve isika?

2-Saingy , tsy maintsy miaiky heloka isika

Hoy ny Tompo : »kanefa kosa , ekeo ny helokao » (3.13). Eny, na manolotra famelankeloka aza ny Tompo , raha tsy vonona hanaiky ho diso sy hifona ka hanapan-kevitra hiala amin’ny ratsy isika , tsy hanana tànana handraisana izany famelan-keloka atolony izany akory isika . Miaiky isika vao mamela sy manadio Izy ( 1 Jao 1.9).

3-Dia hanomana ho avy tsara ho antsika Izy

Hanome mpitondra tsara Izy . Hoy Izy : « Dia omeko mpitondra araka ny sitrapoko ianareo amin’ny fahalalana sy ny fahendrena  » (and15). Mivavaha mba ho tanteraka amin’ny fiangonana sy ny firenentsika izany ; ary hanavao ny firaisam-pirenena izy : »Amin’ izany andro izany ny taranak’i Joda sy ny taranak’Israely dia hiara-mandeha (3.18). Firenena nivaky roa Israely, saingy hakambany indray .

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-6

Perikopa 2024

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

| | 19. PENTEKOSTA – Mpiasa Foibe FJKM
Isaia 61. 1–3 | Jaona 3. 1–8 | Asan'ny Apostoly 4. 8–12

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV