Alarobia 11 Septambra 2019.

Fandalinana ny Boky 2 KORINTIANA

2 Korintiana 5.11-21

Ry mpino ô! manan-draharaha amin’ny fampihavanana ianao . Napetraky ny Tompo amintsika ny Teny fampihavanana (and19) .

1-Ny fitiavan’i Kristy no manery antsika

Tsy mora ny asa fampihavanana . Mety hahazo teny maharary sy fanevatevana , ataony hoe: very saina mihitsy aza… Teren’ny fitiavan’i Kristy isika (and14). Satria ny fitiavan’i Kristy dia ny nahafatesany teo amin’ny hazo fijaliana ka nandatsahany ny Ran’ny fampihavanana no velona ao anatin’ny mino ka HERY manainga sy manery azy . manana izany ve ianao? Mangataha amin’ny Tompo .

2-Olombaovao izay ao amin’i Kristy

Amin’ny asa soratr’i Paoly dia manan-danja ny filazany hoe : « Ao amin’i Kristy « , tontolo vaovao hahaterahan’ny olona tonga mino ny Zanak’ Andriamanitra izany. Tonga olombaovao izay tafiditra ao. »Koa raha misy olona ao amin’i Kristy dia olom-baovao izy » (5.17). Andraikitra napetraky ny Tompo amin’ny mino ny mitondra ny olona ho ao amin’i Kristy, mampihavana azy amin’i Kristy ary manova ny fiaraha-monina ho vaovao amin’ny alalan’ny fampihavanana noho i Kristy

3-Ambasadaoron’ny fampihavanana

Ny ambasadaoro dia iraka , mpisolo tena ny fireneny any an-tany hafa. Ny mino dia mpisolo-tenan’ny fiarahamonin’ny lanitra ety an-tany , manao ny fomba rehetra hahatanteraka ny fampihavanana ho amin’ny famonjena ao amin’i Kristy . Raiso ny andraikitrao! (Mat 28.19).

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-8

Perikopa 2024

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

| | 19. PENTEKOSTA – Mpiasa Foibe FJKM
Isaia 61. 1–3 | Jaona 3. 1–8 | Asan'ny Apostoly 4. 8–12

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV