Alahady 01 Septambra 2019.

Fandalinana ny Boky 1 KORINTIANA

1 Korintiana 15.35-50

Mamaha ny olana mahakasika ny fitsanganan’ny tena amin’ny maty hatrany i Paoly .Tena (vatana) manao ahoana no hitsangana amin’ny maty ? Rehefa hatsangana amin’ny maty isika dia:

1-Hitafy ny tenan’ny any an-danitra

« Ary misy tenan’ny any an-danitra , ary misy tenan’ny ety an-tany fa hafa ny voninahitry ny any an-danitra ary hafa ny an’ny ety an-tany (15.40). Tsy afaka handova ny lanitra ny tenan’ny ety an-tany . Manana tombony isika olombelona izay nataon’ Andriamanitra hitovy endrika Aminy (Gen 1.26-27) , ary nofofoniny fofonaina mahavelona (Gen 2.7). Efa nanomana vatana ho antsika izay mino ho afaka hifanatrika Aminy mivantana ny Tompo dia isika izay mitafy an’i Kristy (Rom 13.14).

2-Handova ny Fanjakan’ Andriamanitra isika

Handova ny fanjakan’ Andriamanitra ny marina , fa ny tsy marina kosa tsy mba hanana izany anjara lova izany (1 Kor 6.9-10) satria tsy mba manana ny vatan’ny voninahitra izy ireny (1 Kor 12.23) « …atsangana amin’ny voninahitra …atsangana amin’ny hery  » (1 Kor 15.43). Aoka hanana fanantenana isika fa tsy maintsy ho tonga ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra ny tenanao raha mino tokoa ianao . « Ary toy ny nitondrantsika ny endriky ny amin’ny tany no hitondrantsika ny endrik’ilay any an-danitra koa » (115.49). Tano hatrany ny finoana sy ny fanantenana ary ambonin’ izany ny FITIAVANA (1 Kor 13.13/ Mar 16.16/ Jao 3.36).

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » boky faha-8

Perikopa 2024

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

| | 19. PENTEKOSTA – Mpiasa Foibe FJKM
Isaia 61. 1–3 | Jaona 3. 1–8 | Asan'ny Apostoly 4. 8–12

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV