Sabotsy 20 Jolay 2019.

Fandaharana ny Boky ROMANA

Romana 7.14-25

Aseho amin’ireto and ireto fa ny tena kristiana marina dia:

1-Izay mangetaheta sy maniry ary miezaka hatrany hanao ny sitrapon’ Andriamanitra

Amin’ny maha- olona afaka ny kristiana dia efa nampahafantarina azy ny sitrapon’ Andriamanitra , ary fantany koa ny faharatsian’ny fahotana rehetra niainany taloha. Vokatr’izany , tena ao anatiny mihitsy ny fankahalana ny ota ary ny fitiavana ny sitrapon’ny Tompo . Izany no mahatonga an’i Paoly mamerimberina matetika ny fahareseny lahatra amin’ny fahatsaran’ny lalànan’ Andriamanitra ka haniriany ny hiaina amin’izany eo amin’ny and 15-22.

2-Izay miankina hatrany amin’ny famonjena vitan’i Jesoa Kristy fa tsy ny ezaka vitany

Hoy ny and 24-25 : »Indrisy olo-mahantra aho! iza no hanafaka ahy amin’ny tenan’ity fahafatesana ity? Misaotra an’ Andriamanitra aho amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tompontsika . Koa raha ny Amiko , dia mankato ny lalànan’ Andriamanitra aho ao amin’ny saiko , fa ny lalàn’ny ota kosa amin’ny nofoko« . Manambara fiankinan-doha tanteraka amin’i Jesoa Kristy izany . Tsy azontsika atao rahateo ny miantehitra amin’ny asa (fitandremana ny lalàna) . mila Mpamonjy isika satria tsy mahavita tena . Manompo Azy kosa anefa isika satria zanany ary babon’ny fitiavany antsika .

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha- 8

Perikopa 2024

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

| | 19. PENTEKOSTA – Mpiasa Foibe FJKM
Isaia 61. 1–3 | Jaona 3. 1–8 | Asan'ny Apostoly 4. 8–12

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV