Zoma 19 Jolay 2019.

Fandalinana ny Boky ROMANA

Romana 7.1-13

Fahamarinana roa no aseho eto:

1-Efa tapaka tanteraka ny fifamatorantsika amin’ny fahotana (and 6)

Amin’ny fomba hafa indray no hanazavan’ny Soratra Masina , fa efa tsy manankery amintsika intsony ny fahotana . oharina amin’ny mpivady tafasaraka noho ny fahafatesana , isika kristiana sy ny fahotana (and 2-4). Nisaraka tamin’ny fahotana , izay vady taloha isika , ka lasa vadin’i Jesoa Kristy. Tsy azo atao araka izany ny manao tan-droa , sady mbola fehezin’ny ota no tapahin’i Jesoa Kristy . Raha toa ka misaraka tanteraka amin’ny fahotana isika , dia mahavita asa tsara ho an’ Andriamanitra (and 4).

2-Tsara ny lalàna saingy nohararaotin’ny fahotana (and 7-13)

Maneho ny maha- mpanota antsika ny lalàna . Hoy ny DIEM : »inona no holazaintsika ? Fahotana ve ny lalàna ? Sanatria izany ! nefa tsy ho nahafantatra ny fotana aho raha tsy tamin’ny alalan’ny lalàna « . Nohararaotin’ny fahotana anefa izany , ka lasa fitaovana manetsika ny ota . Hoy ny and 8:  » Fa io didy io dia nentin’ny ota nampihetsika ny fitsiriritana rehetra tato anatiko , fa maty ny ota , raha tsy misy lalàna » . Ary hoy ny and11 DIEM : »nohararaotin’ny fahotana ny didy (lalàna) hamitahana ahy sy hamonoana ahy » .

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-8

Perikopa 2024

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

| | 19. PENTEKOSTA – Mpiasa Foibe FJKM
Isaia 61. 1–3 | Jaona 3. 1–8 | Asan'ny Apostoly 4. 8–12

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV