Alahady 14 Jolay 2019.

Fandalinana ny Boky ROMANA

Romana 4.13-25

Tsy ny fanamarinana ihany no azo vokatry ny finoana fa hahazona fampanantenana koa izy .

1-Fampanantenana noho ny finoana fa tsy vokatry ny lalàna (and13-16)

Teny fikasana koa no andikana ny hoe: fampanantenana . Zavatra roa no nampanantenain’ Andriamanitra an’i Abrahama fa homena azy dia ny lova sy taranaka. Ny lova dia ny tany Kanana . Ny taranaka kosa dia zanaka naloaky ny kibony handimby azy . Tsy avy amin’ny fitandremana ny lalàna no hahazoana ireo zavatra ireo , fa ny finoana . miverina indroa izany hevitra izany , eo amin’ny and 13 sy ny and 16 . Ny finoana araka ireo and ireo no fepetra fototra hahazoana mandova .

2-Fampanantenana ao amin’izay tsy misy antenaina intsony (and17-25)

Fantatsika fa antitra tsy nampoizina hiteraka intsony i Abrahama sy i Saraha vao nampanantenain’ Andriamanitra fa mbola hiteraka indray . Izany no ataontsika hoe: fampanantenana avy amin’izay tsy misy antenaina intsony . Raha ny maha- olombelona dia mampihimehy tokoa izany hoe :mpivady efa ho 100taona no mbola hiteraka . Nino izany anefa i Abrahama.

Fa hoy ny and 20-21 hoe: « ary tsy nihanahana ny amin’ny teny fikasan’ Andriamanitra tamin’ny tsy -finoana izy , fa nampaherezin’ny finoana ka nanome voninahitra an’ Andriamanitra ary natoky indrindra fa izay nolazainy dia hainy hatao koa ».

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-8

Perikopa 2024

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

| | 19. PENTEKOSTA – Mpiasa Foibe FJKM
Isaia 61. 1–3 | Jaona 3. 1–8 | Asan'ny Apostoly 4. 8–12

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV