Alahady 23 Jiona 2019

Fandalinana ny ASAN’NY APOSTOLY

Asan’ny Apostoly 21.15-26

Noho ny  herin’Andriamanitra sy ny  asany  dia :

1-Mitombo  fatratra ny isan’ny mino  an’i Jesoa na Jiosy  na Jentilisa

Nifanao tatitra i Paoly  sy ireo loholona tany Jerosalema . Izany tatitra izany  no  ahatsapana  ny asan’ Andriamanitra . Ny nampanaovina  an’i Paoly  dia ny hitory  amin’ny Jentilisa . Vokany : maro  ny Jentilisa no resy lahatra hino  sy hanaiky  an’i Jesoa Kristy  (and19). Tsy  latsaka amin’izany  koa anefa  ny nataony  tamin’ireo Jiosy  araka ny tatitra nataon’ny loholona (and20). Tsy  omby  alonalina ny Jiosy  tonga mpino kristiana .

2-Mahay  mifankatia ny samy  mpino an’i Kristy

Foko samihafa avy amin’ny firenena samihafa no lasa mahay  mifankatia , noho ny asan’ Andriamanitra  izay  mampiombona azy . Nisy  mpianatra avy any Kaisaria (and16) nanaraka  an-dry i Paoly  no  ho  ny fifankatiavana . Tonga tany  Jerosalema  dia tamin’ny fifaliana  no nandraisan’ireo  mpino  an’ireto  mpino avy lavitra ireto (and17) . Nanoro hevitra  an’i Paoly   ireo loholona  mba ho  fiarovana azy amin’ny fiampangan’ny  olona sasany  azy (and 22). Noho  ny fitiavana avy amin’ Andriamanitra no  mahatonga  izany rehetra izany  . Izay  ilay didy vaovao  napetraky  ny Tompo  Jesoa , sady famantarana  ny maha- mpianany antsika . mandini-tena isika mpino ankehitriny , raha mandinika izany fifankatiavan’ny  mpino teo  aloha izany .

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha- 8

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV