Alahadin’ny SVM 2019

FANDAHARANA IOMBONANA

Alahady 23 Jiona 2019.

*Feon-javamaneno fidirana *

 Fiarahabana apostolika : II Kor. 14: 13

 Fiderana an’Andriamanitra : Salamo 1 (iaraha-mamaky)

Hira : 8

Vavaka fiderana

 Fanambarana ny Sitrapon’Andriamanitra : Efe. 5 : 15, 18

+ Sambatra ny mahitsy làlana…

Hira: 201 : 3

 Vavaka fiaiken-keloka sy fifonana

Hira: F.F. 4 : 2, 3

 Famelan-keloka atolotr’Andriamanitra: Apo. 3 : 10 – 11

+ Sambatra ny olona izay voavela ny helony …….

Hira : 489 : 1

 Fanambarana ny Finoana: Fanekem-pinoana laharana faha 3

*Feon-javamaneno fohy*

 Raharaham-piangonana

 Rakitra – Hira : 61 (Fih.V.M.) na Sampana Vokovoko Manga na Antoko

Mpihira

Fanolorana ny Rakitra

 TENIN’ANDRIAMANITRA:

 Fotoana ho an’ny ankizy – Hira : 772 : 3, 5

Hira : 175 : 1, 4, 5

Vavaka:

Vakiteny: Mika 3 : 6 – 8

Lioka 1 : 8 – 17

Jakoba 4 : 1 – 10

Hira: 53 : 1, 4 (Fih.V.M.)

 TORITENY

Vavaka fangatahana + Rainay Izay any an-danitra

 Asa vavolombelona

 Tsodrano 

Hira : F.F. 33 : 3

“Amin’ny Anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina.Amen”

…………………………………………………………………………..

HAFATRA SVM 2019.

Ry havana malala,

«Hampitomboina ho anareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana amin’ny fahalalana tsara an’Andriamanitra sy Jesoa Tompontsika.»(II Petera 1 : 2).

Misaotra an’Andriamanitra hatrany isika raha mahatratra indray izao Alahady Manga 2019 izao. Inoanay fa amin’izao fotoana anoratanay izao dia efa Birao vaovao avokoa no mandray andraikitra, indrindra amin’ny isam-pitandremana. Miarahaba anareo Birao vaovao rehetra ary mirary fahombiazana amin’ny asantsika. Efatra (4) taona izao no niainantsika Sampana Vokovoko Manga ilay teny faneva hoe : « Ary izay mamerina ny maro ho amin’ny fahamarinana dia ho tahaka ny kintana mandrakizay doria » (Daniela 12 : 3b). Manao ahoana ny vokatry ny famerenana olona maro ho amin’ny fahamarinana ?

Nanampy betsaka antsika hanatratra io teny faneva io ny vinan’ny FJKM hoe : « Vontosy Filazantsara ny Nosy Madagasikara ». Mby aiza ny famerenana ny maro ho amin’ny fahamarinana araka ny Filazantsara? Efa nambara tamintsika fa rehefa voarain’ny olona sy iainan’ny olona marina ny

Filazantsara, dia avelany ho azy ny ratsy rehetra; ka ao anatin’izany ny fidorohana zavamahadomelina, izay efa nambara tamintsika ombieny ombieny fa maro ny ratsy aterany. Efa hitanay ny ezaka lehibe ataon’ny Sampana Vokovoko Manga any amin’ny Fitandremana sy ny Synodamparitany sasany mamokatra ireo fitaovana notapahin’ny Zaikabe toy ny Raki-kira Vokovoko Manga, Ivotoerana fihainoana (centre d’écoute) , trakta sy dépliant. Renay koa ny fijoroana vavolombelona ankalamanjana (filaharambe sy Tafika Masina) ataon’ny Sampana Vokovoko Manga isan- tSynodamparitany. Inoanay fa ho betsaka ny tatitra isan-tSynodamparitany ho re any amin’ny Fihaonambe Faha 7 any Sambava.

Niezaka araka izay tratra ny Sampana Vokovoko Manga Foibe namatsy ireo Komity Foibe, nahazoany nanofana ny tompon’andraikitra isan-tSynodamparitany sy isam-pitandremana. Nantenaina fa ireny no niantoka ny fahombiazana nahazoantsika Sampana Vokovoko Manga namerina ny maro ho amin’ny fahamarinana tokoa.

Efa maro no nampiasa ny Boky Fampiofanana Mpiandraikitra Rantsana Manokana. Foto-kevitra maro azo hanofanana tompon’andraikitra isan-karazany ao amin’ny Fiangonana no voarakitra ao; fa tsy ho an’ny Sampana Vokovoko Manga ihany. Ampirisihana ny tompon’andraikitra isan’ambaratongan-drafitra, amin’izao fanavaozana tompon’andraikitra ao amin’ny Fiangonana izao, hanofana ireo olom-boafidy vaovao amin’ny fampiasana io Boky Fampiofanana Mpiandraikitra io. Ampirisihana hatrany ny isam-pitandremana hampiasa ny “Divaim-pandraisana” vita amin’ny voankazo vokarin’ny Sampana Vokovoko Manga FJKM. Hamafisina fa efa nahazo alalana tamin’ny Fanjakana (tamin’ny alalan’ny Ministera miandraikitra ny fanjifana) ny fahazoana manaparitaka azy, ary hitantsika amin’ny “etikety” eny amin’ny tavoahangy ny laharan’izany fanomezan-dàlana izany.

Efa nanentanana antsika nandritra ny efatra (4) taona ny FIHAONAMBE any Sambava ny 10 – 13 OKTOBRA 2019 izao. Efa vonona ny any an-toerana, fa miandry ny fahatongavantsika rehetra fotsiny sisa. Efa nisy ny taratasy nalefa mikasika ny dinidinika tsara ho fantatra, fa ampahatsihivinay ato ihany izany amin’ity Fandaharana Alahady Manga ity .

Mampahery antsika Kristiana rehetra amin’ity « Alahady Manga » ity. Natao alohan’ny Fetim-pirenena hatrany izy ity, hampahatsiahivana ny Malagasy fa azo atao tsara ny mankalaza fety tsy misy zava-mahamamo sy zavamahadomelina . Ampahatsihivina hatrany koa fa ny Kristiana rehetra no ho vavolombelon’izany, fa tsy ny mpikatroka Vokovoko Manga ihany. Taomina isika rehetra hifaly amin’ny Fetim-pirenena, saingy ho tandrovina mandrakariva ny maha tempolin’Andriamanitra ny tenantsika.

« Fa araka ny fahamasinan’Ilay niantso anareo, dia aoka mba ho masina koa ianareo amin’ny fitondrantena rehetra .» (I Petera 1 : 15).

Ho aminareo mandrakariva anie ny Tompo !

Ifanomezantsoa faha 30 Avrily 2019

Ny Filoha

RANAIVOARISOA Tiarison, Mpitandrina

Ny Tonia

RAKOTOMANANA Herintsoa Tahiry, Mpitandrina

¨¨¨¨¨¨¨¨¨¨¨¨¨¨¨¨¨¨¨¨¨¨¨¨¨¨¨¨¨¨¨¨

FAMPAHAFANTARANA MAHAKASIKA NY FIHAONAMBE SVM 2019.

Araka ny  fanapaha-kevitra  farany  dia hotanterahina  any amin’ny SP  KRIFAA 16 , any Sambava  ny  FIHAONAMBEN’NY  SAMPANA VOKOVOKO MANGA  ny 10,11,12,13 Oktobra 2019 .

Toy izao ny andinindininy tsara ho fantatra  aloha hatreto .

  • Ny saran-dalana  dia manodidina ny 240 000 Ariary   isan’olona  ny  mandroso sy miverina (raha tsy dia misy loatra ny fiovana toy ny vidin-tsolika , sns… )
  • Ny saran-dasy dia  2000  Ariary  isan’olona  mandritra  ny fihaonambe.( izany hoe mandritra ny efatra andro. )
  • Ny Badge kosa dia  500 Ariary; tsy maintsy manana badge avokoa ny mpamonjy Fihaonambe rehetra ho fitandroana  ny  filaminana sy ny fandriam-pahalemana.
  • Ny sakafo dia efa misy  omanin’ny any an-toerana ka  ho 500 Ar sy sakafo maraina ,  4000 Ar sy 5000 Ar  ny sakafo atoandro sy ny sakafo hariva , arakaraky ny safidin’ny tsirairay. Marihina fa  azo andrahoana sakafo avokoa ny toeram-pilasiana  itobiana raha niomana ho amin’izany ny mpamonjy Fihaonambe.
  • Ny Fara-fisoratana  anarana dia ny faran’ny Volana Aogositra  2019 , ao amin’ny Varavarana  506- Foibe Sampana Vokovoko Manga FJKM, Trano Ifanomezantsoa Analakely.

LALAO SY FIFANINANANA

  • Ny Lohahevitry  ny  fifaninanana rehetra dia ny teny fanevan’ny FJKM sy ny Teny Fanevan’ny SVM FJKM ao amin’ny  II Tim 1:8  sy ny Dan 12:3 b
  • Ny taranja ifaninanana  dia
  • Foot  ball à 7 ( lehilahy sy vehivavy )

Sokajin-taona  lehilahy :  6 – 12 taona

                                                 13 – 17 taona

                                                 18 taona – miakatra …

Vehivavy : tsy  misy sokajin-taona .

  • Basket Ball :  Lehilahy sy vehivavy – tsy  misy sokajin-taona .
  • Marathon : 

Lehilahy :  6 – 12 taona

                    13 – 17 taona 

                     18 taona  – miakatra …

Vahivavy : latsaky  ny 15 taona

                    15 taona   noho miakatra …

  • Tsipy  kanetibe.

KOLONTSAINA :

  • Hira  madinika ,  Vako-drazana  ,  Kabary , Sora-dihy ,  Tononkalo
  • SORATRA  MASINA

Fanamarihana :

  Marihina  fa ny solon-tena  iray ( ekipa 01)  isaky ny  Synodam-paritany, izay efa  mpandresy avy any no mifaninana  any  amin’ny Fihaonambe , afa –tsy ny Marathon irery ihany (  afaka  mandray anjara avokoa  izay te handray anjara  na dia  misy solon-tena  maromaro aza avy ao amin’ny Synodam-paritany iray.) 

 Dia izay sy izay aloha  no vaovao  azo ifampitana  , ary manentana  antsika rehetra ho tonga  maro  amin’izany Fihaonamben’ny SVM any Sambava izany.

                Manao veloma finaritra amin’ny Anaran’ny Tompo Jesoa .

                                       Ny Biraon’ny Sampana Vokovoko Manga – Foibe FJKM

                                                                                              Ny Tonia

                                              RAKOTOMANANA  Herintsoa Tahiry, Mpitandrina.

Perikopa 2024

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

| | 19. PENTEKOSTA – Mpiasa Foibe FJKM
Isaia 61. 1–3 | Jaona 3. 1–8 | Asan'ny Apostoly 4. 8–12

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV