Sabotsy 15 Jiona 2019.

Fandalinana ny ASAN’NY APOSTOLY

Asan’ny Apostoly 17.16-34

Fandalinana ny ASAN’NY APOSTOLY

Asan’ny Apostoly 17.16-34

Fampieritreretana 2 no entina ho antsika eto:

1-Mbola velona eritreretina manoloana ny sampy ve isika?

Eo amin’ny and 16 dia voasoratra hoe: taitra tao anatin’ny fanahiny raha
nahita  ny tanàna feno sampy  izy . Tsy niova tamin’ny zava-misy  tamin’izany ny zava-misy ankehitriny. Ny sampy fotsiny no niova endrika fa  tena mbola feno  sampy ny fiaraha-monina misy antsika .
Raha tsaroantsika fa izay rehetra tiantsika mihoatra noho i Jesoa  dia sampy
avokoa , dia hitantsika fa efa nanjary sampy , ho an’izao mpiara-belona
amintsika izao , ny mpanakanto malaza , ny baolina , ny televiziona , ny vola, ny fianarana…izay lasa naka ny toeran’i Jesoa ao aminn’y fotoanan’ny olona , ny tokantranony , ny fon’ny olona mihitsy  aza , eny  fa na ho an’ireo  mitonona ho kristiana aza indraindray . Mbola tsy mahatafandry mandry  antsika ve izany sa sanatria efa mahazatra ?

2-Sahy  mitory an’i Jesoa amin’ireo manam-pahaizana ve isika ?

Nitory an’i Jesoa teo  amin’ny fivorian’ny Areopago , manam-pahaizana tao Atena i Paoly . Notoriny  mazava fa mandidy ny  olona rehetra hibebaka Izy rehefa mahalala fa i Jesoa no Kristy. Nambarany tamim-pahasahiana ny fitsarana ho  avy  ary tsy  nafeniny  ny aminn’y fitsanganana amin’ny maty  na dia nihomehezan’ny sasany aza izy (and32). Mbola sahy  manao toy izany ve isika sa matahotra hanafitohina olona dia tsy  miresaka izany ? Mariho  fa , rehefa sahy  isika , misy hatrany ny mino  (and34) .

« Raiso  ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-8

 

 

Perikopa 2024

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

| | 19. PENTEKOSTA – Mpiasa Foibe FJKM
Isaia 61. 1–3 | Jaona 3. 1–8 | Asan'ny Apostoly 4. 8–12

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV