Alatsinainy 15 Aprily 2019.

Fandalinana ny Filazantsara araka an’i MARKA

Marka 5.1-20

Tena manam-pahefana tokoa i Jesoa Kristy na dia amin’ny devoly aza. Miharihary izany eto : »satria Jesoa efa nanao taminy hoe: mivoaha amin’ity lehilahy ity , ry fanahy maloto » (and8).

Mihevi-tena ho mahery , matanjaka , manam-pahefana amin’ny olona manana fanahy maloto ka mampijaly , mampitoetra azy ho toy ny maty , mampahory , mampamono tena azy mihitsy aza araka izay tratrany . Moa tsy toy izany ireo sokajin’olona voafatotry ny fahazaran-dratsy , ny zava-mahadomelina, ny aretina ? Tsy mandà izay rehetra manatona sy mila vonjy Aminy i Jesoa Kristy, tahaka ity lehilahy tao Gerasena ity : »nihazakazaka ka niankohoka teo anatrehany » (and6b) . Nanaiky ny fahefan’i Kristy sy ny toerany izy : »Moa mifaninona akory izaho sy ianao , ry Jesoa ,Zanak’ Andriamanitra Avo indrindra? (and7). Nitarika azy hifona izany (intelo) izay midika fa tsy mendrika , mpanota izy. Neken’ny Tompo ny hamoaka ny fanahy maloto tao anatiny , ny hamonjy azy ary tonga strana izy : »fa indro izy nipetraka nitafy lamba sady ary saina » (and 15) .Mila makatsapa isika fa mahery ary manana fahefana amintsika ny Tompo , ka faka manasitrana antsika tahaka ity lehilahy demoniaka eto ity. Setriny kosa , mampiely ny famonjena nataon’i Jesoa tamintsika isika;

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha- 6

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV