Sabotsy 13 Aprily 2019.

Fandalinana ny Filazantsara araka ny MARKA

Marka 4.13-25

Nohaavain’iJesoa tamin’ny mpianatra ny lanjan’ilay « fanoharana ny amin’ny mpamafy ».

1-Ireo karazana olona tsy mihaino tsara

Fanoharana fanalahidy ity nataony voalohany ity.Raha mahazo tsara ny dikan’ity fanoharana ity dia hahazo ny dikan’ny sisa rehetra (and13).Asain’i Jesoa mihaino ny Tenin’ Andriamanitra isika. Nefa ireo karazana olona 3 voalaza mialoha eto ,tsy mba mihaino tsara. Ny tany amoron-dàlana dia olona tsy miraharaha ny Tenin’ Andriamanitra reny. Fa alain’i satana izany ary tsy mihontsona akory izy (and15). Ny tany be vato indray dia olona afa-po fotsiny amin’nyfisehoana ivelany fa tsy miditra lalina amin’ny Tenin’ Andriamanitra (and17) . Ary ny tany be tsilo dia olona mandray ny teny ihany, saingy namela ny fomba fanaon’izao tontolo izao hanempotra ny finoany. Ny olona tsy mety handray ny teny , tsy misy ho azony izay kely mba reny .

2-Ireo karazana olona mihaino tsara sy mizara

Rehefa raisina tsara kosa ny Tenin’ Andriamanitra dia mamokatra be tsy ampoizina amin’ny fiainantsika (and20), maonka mihamazava hatrany aminao ny teny renao satria toy ny jiro ny tenin’i Jesoa (and21). Noho izany , manaova fanahy iniana mihaino(and23) dia diniho izay teny renao », hoy i Jesoa (and24). »Izay mandre sy mihaino tsara dia ho olona hahay mizara.

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra« Boky faha-6

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV