Zoma 12 Aprily 2019.

Fandalinana ny Filazantsara araka ny MARKA

Marka 4.1-12

Nanokana fotoana mihitsy nitoriana teny tamin’ny vahoaka i Jesoa.

1-Ireo vahoaka marobe no nasainy HIHAINO Azy .

Tamin’ny alalan’ny fanoharana no nitenenany tamin’izy ireo . Tantara noforonina niainga avy amin’ny fiainana andavanandro fa natao hanazavana fahamarinana mahakasika ny fanahy na ny fiyondrantena ny fanoharana. Tondroina matetika amin’ny hoe: »fanoharana ny amin’ny mpamafy » ity. Mahazo laka eto amin’ity fanoharana ity ny teny hoe: « Mihainoa » (and3).

Karazana tany 4 samy hafa no nilatsahan’ny voa : tany amoron-dàlana (and4) , toerana be vato (and5) , tany be tsilo (and7) ary tany lonaka (and8) . Raha tianao hamokatra eo amin’ny fiainanao ny Tenin’ Andriamanitra dia manaova fanahy iniana « mihaino  » azy.

2-Nomena anjara manokana ny mpianatra

Nahazo tombony ny mpianatra , teo izy 12 lahy fa nahazo koa ireo « olona nomba Azy » (and10) . Nomena azy ireo ny hahalala ny zava-miafin’ny fabnjakan’ Andriamanitra (and11). Mampitandrina i Jesoa fa misy làlan-tsaina mazava ny fihainoa. Rehefa tena mihaino dia mibebaka ary dia voavela heloka (and12) . Rehefa tsy mihaino diantsy hibebaka ary dia tsy havela heloka . Tsy mety ny hoe: tsy manaiky hihaino nefa mitady mba havela heloka.

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha- 6

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV