Zoma 08 Martsa 2019.

Fandalinana ny Boky 1 Mpanjaka

1 Mpanjaka 9.10-28

Lesona 3 indray no ianarantsika eto:

1-Tandremo sao manombina ny fahasoavana omena anao ho an’ny fahavalo ianao.Ny and 10-14 dia ahitantsika fa nanombia taminn’y tany Kanana omena an’i Hirama i Solomona . Fahadisoana lehibe izany :lova avy amin’ny Tompo ve dia omena ny Jentilisa ? Tandremo fa ny fivarotan’i Esao ny fizokiany dia tsy hainy navotana intsony , na dia nifona tamin-dranomaso aza izy (Heb 12.16-17). Fa saino koa na ny fampiasanao ny andro Alahady izay « Andron’ny Tompo » aza , omenao manontolo ny Tompo ve sa anombinanao hanaovana fivoriam-pianakaviana sy filamboly ka tsy andehanana mivavaka ?

2-Fehezo hanoa anao ireo fahavalon’ny fanahinao. Ny and 20-21 dia mendrika homarihana : tamin’ny andron’i Solomona vao voafehy hanompo azy avokoa ny mponina tao Kanana izay tsy naringan’ Israely; Dia toy izany koa ianao: fehezo ireo fahavalon’ny fanahinao fa aza avela ho izy indray no hanjakazaka aminao. Olon’ Andriamanitra ianao: »Aza avela ny ota hanjaka amin’ny tenanao » (Rom 6.12).

3-Manàna fitsipi-piainana amin’ny fanompoanao. Ny and 25 dia milaza ny fanaovan’i Solomona fanatitra in-3 isan-taona . Ianao ve mba mahafehy tena hanompo ara-potoana tsara ny Tompo toy izany , eo amin’ny fanaovana adidy . Ohatra sa baranahiny eny?

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha- 3

Perikopa 2024

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

| | 19. PENTEKOSTA – Mpiasa Foibe FJKM
Isaia 61. 1–3 | Jaona 3. 1–8 | Asan'ny Apostoly 4. 8–12

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV