Alakamisy 14 Febroary 2019.

Fandalinana ny Boky 1 Mpanjaka

1 Mpanjaka 1.1-21

1 Mpanjaka 1.1-21

Efa tena antitra i Davida mpanjaka ary miseho sahady ny ady seza ny amin’izay handimby azy, na dia mbola eo amin’ny seza fiandrianana aza izy . Inona avy no lesona ho antsika eto?

1-Tanteraka ny teny nataon’ny Tompo . Hitantsika ao amin’ny 2 Sam 12.11 ilay teny maharary hoe: »izao koa no lazain’i Jehovah: indro , Izaho efa hahatonga loza aminao avy ao amin’ny ankohonanao ihany  » ho valin’ny namonoany an’i Oria sy ny nijangajangany tamin’i Batseba . Tanteraka izany eto ka i Adonia zanany ihany izao mitsangana hanongana azy izao . Mitandrema koa isika !

2-Diso hanta i Adonia. Manaitra antsika ny mamaky eo amin’ny and 6 hoe: « Ary ny rainy tsy mbola niteny mafy azy akory hatrizay niainany nanao hoe: Nahoana ianao no manao toy izao ? « . Izao no voka-dratsin’izany : zatra nampihantaina loatra i Adonia ka ny fanjakana avy no tiany hodongiana fotsiny izao . Tandremontsika Raiamandreny ny toy izany fa isika ihany no ho voa.

3-Soa fa misy ny mpanolotsaina hendry. Nahalala ny teny fikasana i Natana ka tsy nangina fa nanolo-kevitra an’i Batseba mba hamerenana ny zavatra rehetra amin’ny laoniny . Ilaintsika hatrany ny mihaino ny mpanompon’ny Tompo hanarahantsika ny teniny .

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha- 3

Perikopa 2024

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

| | 19. PENTEKOSTA – Mpiasa Foibe FJKM
Isaia 61. 1–3 | Jaona 3. 1–8 | Asan'ny Apostoly 4. 8–12

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV