Alahady 03 Febroary 2019.

Fandalinana ny Boky 2 Samoela

2 Samoela 19.16-31

Nandresy an’ady i Davida ka hody. Ahoana ny fihetsiny tamin’ireo tsy mba nomba azy ?

1-I Simey. Io ilay nanozona azy fony izy nitsoaka nandositra an’i Absaloma (2 Sam16.5). Izao anefa , nony hitany fa nandresy i Davida dia izy indray no voalohany nitseana azy sy nifona. Na dia nampirisika hamono azy aza i Abisay , dia tsy nanao izany i Davida. Toetra mendrik’andriana toa izany :mahay mamela ny nitsangana ho fahavalo izay manatona hifona.

2-I Mefiboseta. Nanome tsiny azy i Davida, kanefa nihaino ny fanazavany koa . I Mefiboseta rahateo dia nampiseho ampahibemaso ny nahalasanan’i Davida. Izany no hevitr’ilay hoe: »tsy nanasa tongotra na namboatra volombava na nanasa lamba izy hatramin’ny andro nialan’ny mpanjaka ka hatramin’ny andro nahatongavany soa amantsara » (and25). Naneho ny firaiketam-pony tamin’i Davida izy fa ampy ho azy ny nandraisan’i Davida azy hiray latabatra aminy (and31). Ary isika , mba vonona hahafoy ny zavatra rehetra ve isika noho ny amin’i Jesoa , ka hihira marina ilay hoe: »Ahy i Jesoa , ampy izay » (Hira FFPM 479.1).

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra « Boky faha-3

Perikopa 2024

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

| | 19. PENTEKOSTA – Mpiasa Foibe FJKM
Isaia 61. 1–3 | Jaona 3. 1–8 | Asan'ny Apostoly 4. 8–12

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV