Talata 05 Febroary 2019.

Fandalinana ny Boky 2 Samoela

2 Samoela 20.1-26

Olona iray dia mety hampidi-doza na hahavonjy :

1-I Seba . Izy no nitarika ny olona hikomy ka lasa tokoa ny vahoaka nanaraka azy hiala tamin’i Davida.Izy irery no niteny dia nirohotra nanaraka ny vahoaka ary dia raikitra ny ady noho izany . Mila mitandrina tokoa ny mpitarika fa toy ny hita eto dia mety ho kofehy manara-panjaitra fotsiny ny maro an’isa, saingy mampalahelo fa na tarihana any an-kady aza izy ireo dia mivarina tokoa.

2-Ilay vehivavy hendry. Efa eo an-dàlana ho ao amin’ny tanàna misy azy i Joaba sy ny miaramilany satria nialokaloka tao i Seba mpikomy . Teo anefa no nijoro ilay vehivavy hendry . Niteny tamin’i Joaba izy ary nisakana azy tsy handrava ny tanàna . Niteny tamin’ny mpiara-monina taminy tao anaty manda koa izy ka naharesy lahatra azy ireo hanapaka ny lohan’i Seba sy handefa izany tany amin’i Joaba . Dia nifarana ny ady . Tokony hotsaroan’ny vehivavy rehetra ity tantara ity . Afa-mijoro ny vehivavy , na dia heverina ho malemy aza. Raha manana fahendrena ka sahy miteny sy mandray andraikitra eo amin’ny tany ama-monina ny vehivavy , dia tena famonjena tokoa . Moa tsy mba toy izany va i Maria , renin’ny Tompo ?

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-3

Perikopa 2024

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

| | 19. PENTEKOSTA – Mpiasa Foibe FJKM
Isaia 61. 1–3 | Jaona 3. 1–8 | Asan'ny Apostoly 4. 8–12

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV