Aza miala amin’Andriamanitra!

Mofonaina anio: Alahady, faha 03 Mey 2026

Sal 130.6-8 / Hira 5 /  Vavaka / Mofonaina / Vavaka / HF 5I

2 Tantara 15,1 - 2
1 [Ny nananaran'i Azaria mpaminany an'i Asa, ary ny fahazotoan'i Asa handrava ny fivavahana tsy marina sy hanangana indray ny fivavahana amin'i Jehovah] Ary ny Fanahin'Andriamanitra tonga tamin'i Azaria, zanak'i Odeda; 2 ary dia nivoaka hitsena an'i Asa izy ka nanao taminy hoe: Mihainoa ahy, ry Asa mbamin'ny Joda sy ny Benjamina rehetra: Jehovah momba anareo, raha ianareo momba Azy; ary raha mitady Azy kosa ianareo, dia hahita Azy; fa raha mahafoy Azy ianareo, dia hahafoy anareo Izy.

Aza miala amin’Andriamanitra!

Ambaran’ny Soratra Masina amintsika anio fa miankina amin’ny fifandraisantsika Aminy ny hoavintsika:

1- Miandany amin’izay matahotra Azy Izy.

« Jehovah momba anareo, raha ianareo momba Azy; ary raha mitady Azy kosa ianareo, dia hahita Azy » Midika izany fa ny antoky ny fahombiazany eo amin’ny ady ifanandrenany amin’ny firenen-kafa dia tsy avy amin’ny habetsaka na ny tanjaky ny miaramilany, fa miakina amin’ny fiandanian’ny Tompo aminy. Efa nambaran’ny mpaminany rahateo fa momba azy ireo ny Tompo ary izany no antoky ny fandreseny, satria nanao izay mahitsy teo anatrehan’i Jehovah ny mpanjaka. Tian’ Andriamanitra hitohy izany fahombiazana izany ka izany no nanirahany an’i Azaria mpaminany hampahery sy hananatra azy. Marina eo amin’ny fiainantsika Kristiana koa izany tenin’ny mpaminany izany, araka izay nolazain’i Jesoa hoe: »… Izay miray amiko, ary Izaho aminy, dia mamoa be izy … » (Jao 15.5a)

2- « Fa raha mahafoy Azy ianareo, dia hahafoy anareo Izy. »

Hitantsika amin’ny tantaran’ny Zanak’Israely, izay firenena nofidin’ Andriamanitra izany: rehefa mihodina amin’ Andriamanitra izy ireo ka manompo andriamani-kafa dia tsy maintsy miafara amin’ny faharavana sy fahapotehan’ny fiainany. Tsy foin’Andriamanitra ho amin’izany fahavoazana lalina izany ny olony, ka izany no ananarany azy amin’ny alalan’ny mpaminany. Fahafatesana no vokatry ny fisarahana amin’ Andriamanitra. Isika koa dia anarin’i Jesoa mba tsy hisaraka Aminy: « … Fa raha misaraka amiko kosa ianareo, dia tsy mahay manao na inona na inona. » (Jao 15.5b)

Fanontaniana:

Inona no fahombiazana efa tsapanao tamin’ny fomban’ny Tompo?

Foibe Sampana Sekoly Alahady


Mofon'aina teo aloha

Velona Andriamanitra

Asabotsy, 2 Mey 2026

Velona Andriamanitra! 1- Manana fahefana amin’ny zavatra rehetra Izy Rehefa anaty fahoriana lalina ny olona…

Miasa ao amin’ny mino ny Fanahy Masi...

Zoma, 1 Mey 2026

Miasa Andriamanitra! Andriamanitra no niasa tamin’ny fahariana ny zavatra rehetra. Tsy nijanona tamin’ny asam-pahariana izao…

Jesoa Kristy no Tompontsika

Alakamisy, 30 Aprily 2026

Jesoa Kristy no Tompontsika 1-Tompon’ ny natiora sy ny hery rehetra « Nahita Azy nitsangatsangana tambonin’ny…