Velona Andriamanitra

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 02 Mey 2026

Sal 86.6-10/Hira 4/ Vavaka/Mofonaina/Vavaka/HF 37

Joba 27,1 - 4
1 Dia mbola nandroso nanao oha-teny ihany Joba ka nanao hoe: 2 Raha velona koa Andriamanitra, Izay efa nandà tsy hanome ahy ny rariny, sy ny Tsitoha, Izay efa nampangidy ny aiko. 3 Fa mbola ato anatiko ihany ny aiko, ary eo am-bavoroko ny Fanahin'Andriamanitra. 4 Dia tsy hanao teny tsy marina ny molotro, ary tsy hanonom-pitaka ny lelako.

Velona Andriamanitra!

1- Manana fahefana amin’ny zavatra rehetra Izy

Rehefa anaty fahoriana lalina ny olona dia mety hiseho aminy ireto: na izy manome tsiny an’Andriamanitra, na izy tsy te hivavaka intsony ka manadino Azy. Tsy mba toy izany izay rehetra mino sy matoky Azy, fa hanao tahaka an’i Joba hoe. « Raha velona koa Andriamanitra, Izay efa nanda tsy hanome ahy ny rariny, sy ny Tsitoha, Izay efa nampangidy ny aiko… » (and. 1). Mino izy fa velona ny Andriamanitra ivavahany, ary tsy voatery ho takatry ny saina ny fitondrany sy ny fitantanany. Amin’ny fotoana sasany dia avelany hihatra amin’ny mpanompony ny tsy rariny sy ny fahoriana mavesatra. Izy no manapaka ny zavatra rehetra amin’ny heriny sy ny fahefany. Fantany avokoa izay rehetra miseho eo amin’ny fiainantsika. Andriamanitra Tsitoha Izy.

2- Mitaiza antsika mba hifikitra Aminy Izy

Ny fahoriana sy ny fizahan-toetra no vao mainka mampiorina ny ny fahatokian’ny mino Azy. Ho an’i Joba manokana dia inoany fa fahefana avy Aminy no mahatonga ny fahoriana. Misy antony avy Aminy avokoa ny zava-mitranga rehetra. Miorina mafy ny fanantenany ka hoy izy: « Fa mbola ato anatiko ihany ny aiko, ary eo am-bavoroko ny Fanahin’Andriamanitra. Dia tsy hanao teny tsy marina ny molotro, ary tsy hanonom-pitaka ny lelako » (and 3.4). Ny fananana finoana sy fifandraisana lalina amin Andriamanitra dia mahatonga ny olona hanana faharetana na dia amin’ny fahoriana mafy aza. Jesoa Kristy dia tsy niala tamin’ny fanaovana ny sitrapon’ Andriamanitra na dia niafara tamin’ny famoizany ny ainy aza izany.

Fanontaniana:

Mbola manana fanantenana ve ny olona tra-pahoriana mafy?

Foibe Sampana Sekoly Alahady


Mofon'aina teo aloha

Miasa ao amin’ny mino ny Fanahy Masi...

Zoma, 1 Mey 2026

Miasa Andriamanitra! Andriamanitra no niasa tamin’ny fahariana ny zavatra rehetra. Tsy nijanona tamin’ny asam-pahariana izao…

Jesoa Kristy no Tompontsika

Alakamisy, 30 Aprily 2026

Jesoa Kristy no Tompontsika 1-Tompon’ ny natiora sy ny hery rehetra « Nahita Azy nitsangatsangana tambonin’ny…

Ny fitiavan’i Jesoa Tompo

Alarobia, 29 Aprily 2026

Ny fitiavan’i Jesoa Tompo 1-Mahatonga antsika ho mpandresy Manoatra noho ny mpandresy isika amin’ny alalan’llay…