Jesoa Kristy no Tompontsika
Mofonaina anio: Alakamisy, faha 30 Aprily 2026
Sal. 18 / hira 605 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 630
Matio 14,24 - 33
24 Ary efa mby teo ampovoan'ny ranomasina ny sambokely tamin'izay, dia natopatopan'ny alon-drano izy, fa notohain'ny rivotra. 25 Ary tamin'ny fiambenana fahefatra amin'ny alina dia nankeny amin'ny mpianany Jesosy, nitsangantsangana teny ambonin'ny ranomasina. 26 Ary nony nahita Azy nitsangantsangana tambonin'ny ranomasina ny mpianatra, dia raiki-tahotra ka nanao hoe: Matoatoa io; dia niantso izy noho ny tahotra. 27 Ary Jesosy niteny taminy niaraka tamin'izay hoe: Matokia, fa Izaho ihany, aza matahotra. 28 Ary Petera namaly Azy ka nanao hoe: Tompoko, raha Hianao ihany, dia asaovy manatona Anao eny ambonin'ny rano aho. 29 Ary hoy Izy: Manatona. Dia nidina niala tamin'ny sambokely Petera ka nandeha tambonin'ny rano hanatona an'i Jesosy. 30 Fa raha nahita ny rivotra* izy, dia natahotra, ary raha vao nilentika izy, dia niantso hoe: Tompo ô, vonjeo aho![* Na: (rivotra mahery)] 31 Ary naninjitra ny tànany niaraka tamin'izay Jesosy, dia nandray azy ka nanao taminy hoe: Ry kely finoana, nahoana no niahanahana ianao? 32 Ary rehefa niakatra teo an-tsambokely izy, dia nitsahatra ny rivotra. 33 Ary izay teo an-tsambokely dia niankohoka teo anatrehany ka nanao hoe: Zanak'Andriamanitra tokoa Hianao.Jesoa Kristy no Tompontsika
1-Tompon’ ny natiora sy ny hery rehetra
« Nahita Azy nitsangatsangana tambonin’ny ranomasina ny mpianatra » (and26): Isan’ny hery lehibe sarotra fehezina ny rivotra sy ny ranomasina. Fahafatesana, loza, fikorontanana afitsok’ireo. Izany hery mampidi-doza izany anefa dia tsy mampaninona akory an’i Jesoa. Eny ambony ranomasina Izy no mitsangatsangana. Ilay toe-javatra heverina fa hanimba sy hanafotra, tsy mampaninona akory an’i Jesoa. Tsy marina aminy ny lojika siantifika. Marina tokoa fa « Izy no nahariana ny zavatra rehetra » (Jao 1, 3). Ny anarany atao hoe: Mahagaga, Andriamanitra Mahery, Rain’ny mandrakizay… » (Isa9,5).
2-Toky tsy mamitaka
Natahotra ny mpianatra, noheverin’izy ireo fa matoatoa no mandeha eny an-dranomasina. Nanome toky azy ireo i Jesoa, ary nanala ny tahotra tao aminy. Manala ny fanahiana sy ny tebiteby Jesoa. Manome toky Izy rehefa tojo toe-javatra tsy takatry ny saina. Toy izany no nisehoany tamin’ny mpianatra izany nikaton-trano noho ny tahotra sy ny fanahiana samihafa. Notononiny ny fiadanana ho solon’ny henatra sy ny ho avy izay ankamantatra (Lio 24, 36).
3-Manakaiky sy manavotra ao anatin’ny tafiotra
« Ary naninjitra ny tànany niaraka tamin’izay Jesoa dia nandray azy… » (and31). Varina amin’ny fifofofon’ny rivotra i Petera, efa nilentika izy. Nanavotra azy Jesoa. Aza variana mitanisa olaná fa banjino Jesoa mpanavotra.
Fanontaniana
Iza marina moa Jesoa aminao?
Foibe Sampana Sekoly Alahady