Miasa ao amin’ny mino ny Fanahy Masina
Mofonaina anio: Zoma, faha 01 Mey 2026
Apo. 15, 3b-4 / Hira 6 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 432 : 3
Jaona 5,17 - 23
17 Fa Jesosy namaly azy hoe: Ny Raiko miasa mandraka ankehitriny, ary Izaho koa miasa. 18 Nefa vao mainka nitady hamono Azy ny Jiosy, tsy noho ny namahany ny amin'ny Sabata ihany, fa noho ny nilazany koa fa Andriamanitra no Rainy, ka nanao ny tenany ho mitovy amin'Andriamanitra Izy. 19 Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Ny Zanaka tsy mahazo manao na inona na inona ho Azy, afa-tsy izay hitany ataon'ny Ray; fa na inona na inona no ataon'ny Ray dia toy izany koa no ataon'ny Zanaka. 20 Fa ny Ray tia ny Zanaka ka maneho Azy ny zavatra rehetra izay ataon'ny tenany; ary asa lehibe noho ireny no hasehony Azy, mba ho gaga ianareo. 21 Fa toy ny Ray manangana sy mamelona ny maty, dia tahaka izany koa no ameloman'ny Zanaka izay tiany. 22 Fa ny Ray aza tsy mitsara olona, fa ny fitsarana rehetra dia nomeny ny Zanaka, 23 mba hanajan'ny olona rehetra ny Zanaka, tahaka ny fanajany ny Ray. Izay tsy manaja ny Zanaka dia tsy manaja ny Ray, Izay naniraka Azy.Miasa Andriamanitra!
Andriamanitra no niasa tamin’ny fahariana ny zavatra rehetra. Tsy nijanona tamin’ny asam-pahariana izao rehetra izao ihany anefa ny asan’Andriamanitra fa mitohy mandraka ankehitriny. Izany no nilazain’i Jesoa hoc: « Ny Raiko miasa mandraka ankehitriny, ary Zaho koa miasa. « (and.17). Izy no mitsimbina sy mandrindra ary mihazona ny zavatra rehetra, araka ny voasoratra hoe: « Fa Izy nо nihavian’izao zavatra rehetra izao, ary Izy no mihazona azy, sady Izy koa no antony… »(Rom 11.36)
Miasa i Jesoa!
Nanenjika sy nankahala fatratra an’i Jesoa ireo Jiosy noho Izy nanasitrana an’ilay lehilahy narary nandritra ny valo amby telopolo taona. Andro Sabata no nanaovany izany asa fanasitranana izany, ka izany no isany nahatezitra azy ireo. Vao mainka nahalotika ny fon’ izy ireo koa ny filazan’i Jesoa ny maha Zanak Andriamanitra Azy sy ny filazany fa miasa mandraka ankehitriny Izy. Rehefa tena manao ny asan’ Andriamanitra isika dia tsy tokony ho gaga raha misy ny tsy faly sy ny manenjika.
Mila miasa isika!
Ny Kristiana dia antsoina koa mpanara-dia an’i Kristy. Koa raha niasa ny Tompo, dia miasa koa isika; manohy ny asa efa natombony. Fa hoy Jesoa: Izay mino, Ahy, ny asa ataoko no hataony koa » (Jao 14.12). Ny Fanahy Masina no mitarika antsika hanao ny asan Andriamanitra, ary amin’ny alalan’ny finoana an’i Jesoa Kristy no hahaizantsika manao ny asany. « Izao no asan Andriamanitra, dia ny hinoanareo izay nirahiny » (Jao 6.27).
Fanontaniana:
Inona no asain Andrianamanitra hatao? (Vakio Mar16.15-18)
Foibe Sampana Sekoly Alahady