Alakamisy 28 Septambra 2023
1-Tsy vitan’ny hafanam-po ny fanarahana an’i Jesoa
1-Tsy vitan’ny hafanam-po ny fanarahana an’i Jesoa
LIOKA 9.57-62
1-Tsy vitan’ny hafanampo ny fanarahana an’i Jesoa
Nisy olona nilaza tamin’i Jesoa hoe : « hanaraka Anao aho na aiza na aiza alehanao« . Hita fa tsy nafenin’i Jesoa azy velively anefa ny zava-misy momba Azy eo anatrehan’izany faniriana hanaraka Azy izany . Marihana fa tsy mitovy amin’ny fampianaran’i Matio sy Marka ny an’i Lioka momba an’i Jesoa satria eto izao dia miteny i Lioka hoe : i Jesoa anie ka tsy manana trano itoeran’ny lohany sy hialany sasatra akory . Noho izany , na iza na iza maniry te-hanaraka Azy dia tsy maintsy mivonona tsara hihafy tahaka Azy koa. Ny ambara amin’ilay hoe : manaraka Azy koa anefa dia tsy hoe : mandehandeha manaraka Azy any amin’izay alehany rehetra eny fotsiny no dikany , tsia ! fa mandeha mitory ny Filazantsara tahaka ny nataony .Amin’ny teny hafa dia tsy afenin’i Jesoa fa izay maniry te-hanaraka Azy dia tsy maintsy mandà ny tenany sy ny filan’ny tany rehetra izay mety mamatotra azy .
2-Mila mandao izay rehetra mamatotra koa izany
Rehefa niantso olona hafa indray iJesoa dia mbola niala tsiny izy ireo fa tsy afaka ny hamaly izany avy hatrany , ny iray handevina ny rainy hono , ny faharoa kosa mbola hanao veloma ny ao an-tranony. Amin’ny lafiny iray dia endriky ny fandavana ny antso ataon’ny olona izany, fa noho ny henamaso na zavatra hafa dia mody tsy maneho fandavana mivantana fotsiny ny olona.Mety hihevitra ny hanaraka koa anefa izy ,saingy mbola ampandeferiny aloha izany antso izany . Eo anatrehan’izany dia mamaly mivantana sy mahitsy avy hatrany i Jesoa fa ny antson’ny Tompo no tokony ataon’ny olona vaindohan-draharaha .
Fanontaniana :
Azo ampandeferina manoloana ny filan’ny olona ve ny antson’ny Tompo ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM
Asan’ny Apostoly 13,1-12
1- Mifidy sy maniraka mpanompo ny Tompo
Ambaran’ny Soratra Masina eto fa nanatanteraka fanompoam-pivavahana narahina fifadian-kanina ny Fiangonana. Ny tiana ambara amin’izany dia tsy hoe izany no filamatra ka tokony hanao tahaka izany avokoa ny Fiangonana hafa rehetra. Ny zava-misy mantsy dia hita fa sodokan’ny endrika ivelany sy ny fombafomban-javatra ihany ny maro mandritra ny vavaka atao. Tsarovy tsara anefa ilay hoe « « fanompoam-pivavahana » , izany hoe : manompo an’Andriamanitra mihitsy no atao amin’izany vavaka tanterahina izany. Izay tiana ambara eto àry dia izao : nanatanteraka vavaka tamin’ny fo feno tahotra sy fanajana an’Andriamanitra ny Fiangonana, vavaka tsy misy fihatsarambelatsihy, lavitry ny fiheboheboan’ny olona sy ny fanarahana fombafomba ivelany fotsiny ihany. Ny tahaka izany no fanompoam-pivavahana takiana sy valian’Andriamanitra.
2- Manao asa misiona ny iraka
Samy manana ny iraka tandrify azy avokoa ny mpanompon’Andriamanitra rehetra ary Izy Tompo mihitsy no manondro izay tandrify sy sahaza ny tsirairay. Mazava tsara mantsy eto ny teny hoe « hanao ny asa izay efa niantsoako azy« . Ny Tompo Andriamanitra izany dia efa nanomana ny tsirairay sy ny fikambanana koa ho amin’izany asa fanompoana tandrify izany.
3- Milaza ny fahazavana amin’izay mila izany ny iraka
Mahavariana ihany ny filazana eto hoe : Sergio Paolo dia olona manam-pahefana sady hendry nefa dia nanaiky an’i Elyma mpaminany sandoka. Tsy avelan’Andriamanitra ho voafatotra mandrakariva anefa ireny fa indro Izy maniraka olona hitory ny Filazantsara marina.
Fanontaniana
Valian’ny Tompo ve ny fanompoam-pivavahana rehetra? Iza ary hanao inona ny iraky ny Tompo amin’izany ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM
Deoteronomia 8,1-6
1- Tandremo sy tanteraho ny didy sy ny lalàn’Andriamanitra
Ny didy folo amin’ny ankapobeny no ao an-tsain’ny olona raha vao miresaka ny lalàn’Andriamanitra. Tsy diso akory izany, kanefa tokony hotsaroana koa fa ny boky dimy voalohany ato amin’ny Baiboly mihitsy raha ny marina no antsoina hoe : lalàna tokony arahana sy hotandremana. Heverina fa fikirakiran’ny Kristiana indrindra izany boky izany, saingy manao ahoana kosa ny fitandremana sy ny fankatoavana ary fanarahana izay rehetra voarakitra ao, satria hita eto fa
2- Hahavelona ny olona izany
Izay ambara amin’ny hoe : hahavelona ny olona dia hahamaro andro iainana. Izany hoe : ho ela velona na ho lava andro iainana. Tena firarian-tsoa ho an’ny zanak’olombelona izany, ary ho an’ny Malagasy ihany koa. Hitantsika eto fa tena araka ny Soratra Masina ny firariana ny olona hanana sy hisitraka izany. Ny hahatanteraka izany dia ny fitandremana sy fankatoavana ary fanarahana ny didy sy ny lalàn’Andriamanitra. Heverina fa tokony handeha ho azy ho an’ny Kristiana izany zavatra izany, raha ny tokony ho izy.
3- Hahamaro ny taranaka izany
Tsy ny ho ela velona ihany no zava-dehibe ho an’ny olona fa ny ho maro taranaka handimby ihany koa. Voafetra mantsy ny fiainan’ny olona kanefa raha manan-taranaka handimby izy dia hisy mamelo-maso ny anarany hatrany
4- Hananana tany sy lova hiainan’ny olona izany
Mpandehandeha sy mpifindra monina ny olona teo aloha fa rehefa manaraka ny lalàn’Andriamanitra kosa izy dia hampandovainy ny tany lova natokany ho azy
Fanontaniana
Mahasoa ny olona ve ny lalàn’Andriamanitra? Hazavao
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM
LIOKA 24.44-49
1-Tsy maintsy tanteraka ny tenin’ny Soratra masina
Efa niteny i Jesoa Kristy fa ny Zanak’olona dia holavin’ny olona ka hijaly mafy ary hovonoiny,nefa amin’ny andro fahatelo kosa dia hitsangana . Tsy noheverin’ny mpianatra ho zava-dehibe mihitsy anefa ny herin’ny fahatanterahan’ny Tenin’Andriamanitra .Eo anatrehan’ izany dia asehon’i Jesoa Kristy fa marina ary tsy maintsy hotanteraka izay efa voalazany , satria izany no Tenin’Andriamanitra .Araka izany ,tsarovy fa ny Tenin’Andriamanitra miantefa amintsika kristiana dia tsy teny mandalo fotsiny akory fa tsy maintsy hotanteraka avokoa .
2-Tsy mandeha ho azy ny fahalalana ny Soratra masina
Mis ve olona tena mazoto mikirakira baiboly ? Ary resy lahatra hankato ny sitrapon’Andriamanitra ve izy amin’izany ? Tsia no valiny , satria misy ireo mazoto ho an’Andriamanitra ,saingy tsy araka ny fahalalana ary misy koa ireo mianatra mandrakariva nefa tsy mahatratra ny fahalalana ny marina.Ny fanazavana sy ny fitarihan’ny Fanahy Masina irery ihany no hany làlana hahafahan’ny olona rehetra mandray sy mahazo ary miaina izay ambaran’ny Soratra Masina .
3-Hotoriana ny fibebahana sy ny famelan-keloka
Mampanantena fianam-baovao ho an’ny olona ny Tompo ,kanefa dia tsy maintsy manaiky ny fibebahana ary mandray ny famelankeloka alohan’izany ny olona.Tsy mandeha ho azy anefa izany fa tsy maintsy misy fampianarana sy fandresen-dahatra mba haneken’ny olona sy hialany amin’ny fahadisoany sy ny fahotany .Izany no fitoriana ataon’ny fiangonana araka ny iraka nampanaovin’ny Tompo azy ary tsy hahavita hiasa irery amin’ny heriny ny olona amin’izany raha tsy eo ny Tompo .
Fanontaniana :
Mino ve ianao fa tsy maintsy ho tanteraka izay voalazan’ny Soratra masina ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM
MARKA 7.14-23
Ny hevitr’i Jesoa momba ny fahalotoan’ny olona
Miresaka ny zavatra mampahaloto na tsia ny olona i Jesoa Kristy eto. Raha vao miresaka fahalotoana anefa dia maro be ny hevitra mety mifamahofaho ao an-tsain’ny olona momba izany . Koa tsara hazava fa ny fahalotoana amin’ny lafiny moraly sy /na ara-pivavahana indrindra ,izany hoe : manao ahoana tokoa olona eo anatrehan’Andriamanitra ? Fa tsy fahalotoana amin’ny lafiny hafa izay mety heverin’ny olona akory.Ny tena fototry ny fahalotoan’ny olona eo anatrehan’Andriamanitra , hoy i Jesoa Kristy dia tsy izay zavatra avy any ivelany ka miditra aminy velively fa izay mivoaka ao aminy kosa, ary manamafy izany i Paoly Apostoly hoe : « tsy misy zavatra maloto ho azy akory » (Rom 14.14) . Araka izany, amin’ny maha-olombelona dia tsy maintsy mahakasika zavatra ny tanana na ny vatana ary koa amin’ny maha-olombelona dia tsy maintsy mihinana zavatra ny olona , nefa tsy izany mihitsy akory no mampahaloto ny olona fa izay zavatra vokarin’ny fony indrindra ka mivoaka ety , ivelan’ny vatana toy ny sain-dratsy , ny teny ratsy,ny fakambadin’olona sy ny fijangajangana ,ny fanompoan-tsampy,ny lolompo…
2-Mampiombona ny mino Azy rehetra i Jesoa Kristy
Ninian’i Jesoa Kristy natao ny fanafoanana ny fadifady maro samihafa eo amin’ny sakafo fihinana mba hampiombonany ny kristiana rehetra tsy ankanavaka.Tamin’izany fotoana izany mantsy dia misy ireo kristiana avy amin’nyJiosy sy ny kristiana avy amin’ny Jentilisa. Koa raha mbola fikirin’izy ireo ihany ny tarazo niainany taloha dia tsy misy fiombonana amin’ny maha-kristiana akory .
Fanontanaiana:
Inona no tena mampahaloto ny olona eo anatrehan’Andriamanitra ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM
JEREMIA 50.1-5
1-Filazana ny handravana an’i Babylona
Mitana toerana lehibe ao amin’ny bokin’i Jeremia manontolo ankoatra an’Israely i Babylona sy ny mpanjakany ary ny anarana hoe : Kaldeana , izay iantsoana an’i Babylona ihany .Avadibadio tsara anie araka izany ny bokin’i Jeremia fa ho hitanao miverimberina ao mandrakariva izany anarana izany . Koa izany no hanasongadinana eto ny hoe : Babylona sy Bela antsoina koa hoe : Bala ary i Merodaka dia ny mpanjakany eto . Azo ambara mantsy hoe: natao toy ny tànan’Andrizmznitrz mihitsy i Babylona miaraka amin’ny mpanjakany sy ny heriny ,raha nandrava sy nanaparitaka ny Jiosy Izy .Rehefa niodina tamin’i Jehovah mantsy ny olony dia foin’Andriamanitra ny hanongotra sy hanjera ny olony tsy ho eo anatrehany ka Babyloniana no nataony fitaovana nanatanteraka izany .Na dia izany aza anefa , indro ny teny faminaniana milaza ny fandravana an’i Babylona satria na izy aza dia tsy marina koa eo anatrehan’Andriamanitra tahaka ireo firenena hafa ihany . Aseho eto araka izany fa tsy hoe : rehefa natao toy ny tànan’Andriamanitra nanatanterahany ny fitsarana ny hafa akory dia mahazo manao izay ratsy tiana atao rehetra .Tsia! Voalaza mazava eto hoe: ambarao , torio , aza afenina ny handravana an’i Babylona .
2-Ny fiverenan’ny sisa avy amin’Israely sy Joda
Ny teny faminaniana milaza ny fandravana an’i Babylona araka izany dia manambara mialoha ihany koa ny hahafahan’ny olona izay nofatoran’ny babyloniana , ary asongadina eto indrindra ny hiverenan’ny sisa amin’ny zanak’Israely sy ny taranak’i Joda izay hitady an’i Jehovah Andriamanitra .
Fanontaniana :
Milaza inona amin’ny olona ny fandravan’ ny Tompo Andriamanitra ny fahavalony ? Inona no takian’izany amin’ny olona ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM
Salamo 127.1-5/ Marka 10.13-16/ Kolosiana 3.18-25
Ohabolana 3.1-12/ Lioka 2.39-52/ Efesiana 6.1-4
TSANGAMBATO faha-200T SEKOLY FJKM
| |
27. Ala. VI man. Trinite - TPM sy IFRP
Jer. 1. 4-10 | Mar. 3. 13-19 | Rom. 1. 1-7
| |
03. Ala. VII man. Trinite
2 Sam. 10. 9-14 | Jao. 14. 1-7 | Efe. 6. 10-13
| |
10. Ala. VIII man. Trinite - KFTM
Dan. 10. 18-11.1 | Lio. 22. 24-34 | Jak. 5. 7-11
| |
17. Ala. IX man. Trinite - Aumônerie Nationale
1 Mpa. 17. 10-16 | Lio. 5. 17-26 | Asa 15. 22-29