Alatsinainy 18 Jolay 2016

MPIARA-MIASA AMIN’NY TOMPO NY MINOJEREMIA 22.20-25

Ny vokatry ny tsy fihainoana ny Tenin’ Andriamanitra

Babylona no fahavalon’ny firenen’ ny Joda tamin’izany . NY olana dia tsy mety mihaino ny tenin’i Jehovah izay nampitondraina ny Mpaminany ny olona (and20-22). Io tsy fihainoana ny tenin’i Jehovah io no tena fototry ny fahavoazana mahazo ny firenena . Vokany : Henatra sy fangaihaizana (and22)Natoky ireo firenena Jentilisa ny mpanjaka ka tsy nihaino an’i Jehovah, kanefa ho resy avokoa ireo ka i Joda irery sisa no hihanjahanja , ho menatra eo , tsy hanana ianteherana intsony . Rehefa tsy mety mihaino izay lazain’ny tenin’ Andriamanitra ny mpitondra na ny vahoaka dia tsy hahita fahombiazana amin ’ ny ady ifanatrehana amin’ny satana ka hataony afa-baraka sy ho menatra .Fahababoana (and25)Ny olona izay tsy mihaino sy mankato ny Tenin’ Andriamanitra , tonga babon’ny fahavalo dia satana ka fahafatesana no anjarany . Raha tsy i Jesoa irery ihany no ianteherantsika sy henointsika dia tsy maintsy ho resy isika manoloana ny adintsika. Izy irery no manafaka antsika amin’ireo fahavoazana ireo .Fanontaniana :Nahoana no tsy te-hihaino ny Tenin’ Andriamanitra ny olona ?Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Fiofanana mpikirakira gazetim-piangonana

FIANTSOANA

Ho antsika rehetra mpikirakira ny Gazety amin’ ny Fiangonana FJKM dia ampahafantarina isika fa amin’ ny Alakamisy 9 Jona 2016 izao, tontolo andro no hanatontosana ny fifampiofanana eo amin’ ny mpikirakira ny gazetim-piangonana rehetra, eny amin’ ny trano CFD Ampandrana no hanatontosana izany manomboka amin’ ny 9 ora maraina.

Samy manao izay hahatongavana ny rehetra. Ny Fitandremana na ny Synodamparitany mandefa no hiantoka ny fitaovana ampiasain’ ny solontenany, toy izany koa ny sakafo. Mitondra baiboly sy fihirana, somary mangatsiaka eto Antananarivo ka manaova mafana tsara isika rehetra.

Marihina fa ny Asa Fifandraisana sy Fampahalalam-baovao (AFIFAB/FJKM) no mikarakara ny Fampiofanana sy ny fandaminana ho amin’ izany.

Ny isan’ ny solontena hanatrika ny fiofanana dia azo alefa amin’ ny adiresy mailaka manaraka izao : (hatramin’ ny 8 jona @ 12 ora atoandro)

Mailaka :

fjkmafifab@gmail.com

na miantso ny telefaonina : 020 22 282 37 ( HB )

na ny 034 63 332 07.

Fifandraisana Foibe

KERE ANY ATSIMO

VONJY AINA ho an’ny MPINO KRISTIANAany ATSIMO tratry ny KERE

Noho ny fahalavan’ny fotoana nisian’ny KERE any atsimo, dia lasa nifindra monina ny ankamaroan’ny mpino, indrindra fa ny tanora , vitsy ny miangona. Vao maraina be amin’ny 2 na 3 ora maraina dia lasa mandeha izy ireo , ao ny mitady raketa lavitra ka hariva vao tonga, ao koa ny mankeny Ambovombe mitondra ravi-katsaka sy voanemba amidy hohanin’ny ombin-tsaretin-drano. Misy amin’ireo ankizy kely 5 taona vesaran’ny ray aman-dreny entana sady noana no mangatsiaka sy reraka.Katekista roa hatreto no efa nangataka tso-drano tany amin’ny SP fa handeha, ka hilaozany ny Fiangonana. Ny Kristiana sisa tsy misy mahay mamaky teny sy manoratra ka tsy afaka hitarika.Vokatr’izany rehetra izany, ahiana ny hisian’ny Fiangonana hikatona ato ho ato. Noho izany mangataka VONJY AINA avy amin’ny mpino kristiana rehetra manerana ny sahan’ny FJKM mpianakavin’ny finoana any atsimo. Ny fanampiana izay ataon’ny SP sy ny Fiangonana tsirairay dia arotsaka ao amin’ny Foibe FJKM.

SITE WEB FOIBE / TATITRA

TATITRA SY VAOVAO Isaorana ny Tompo fa tanteraka ny Alakamisy 26 Mey 2016 tao amin’ny efitrano malalaky ny FOIBE FJKM ny fihaonana voalohany nihaonan’ireo mpikirakira SITE WEB eo anivon’ny fiangonana FJKM teto Antananarivo sy ny manodidina .Miisa 15 ireo nanohina ny antso nataon’ny Asa FIfandraisana sy FAmpahalalamBaovao FOIBE FJKM .Ireto avy ny fiangonana nahatonga solontena :1-FJKM Alasora Betesda2-FJKM Amparibe Famonjena3- FJKM Ambohimamory Malala4-FJKM Ivandry Firaisana5-FJKM Ambaniala Malala6-FJKM Ambohitantely7-FJKM Anosivavaka8-FJKM Avaratr’ Andohalo9-FJKM Katedraly Analakely10-FJKM Andrainarivo Fahasoavana11-FJKM Ambatomena12-FJKM Antanimarina (SP Afovoany Andrefana )13-FJKM Ankadimbahoaka14-FJKM AnkadifotsyNitarika ny Fanompoampivavahana fanombohana : ny Mpitandrina RALAMBOMAHAY Hendrininosy , Filohan’ny Komitin’ny AFIFAB/FOIBE .Ireto nitarika ny dinidinika kosa :- Andriamatoa Herivonjy RAJAONAH , Mpikambana ao amin’ny Komity no nanentana.- Ramatoa RAZAFIMALALA Tantely , Talen’ny AFIFAB/FOIBE ,- Ramatoa SAHONDRAMALALA Vololona Rabelison , Tomponandraikitry ny SITE WEB FOIBE FJKM ,Nifandimby nampahafantatra ny fampandehanana ny Tranokala misy ao aminy avy ny isam-piangonana tafavory tao sy ny olana atrehan’ny tsirairay .Nanentana ny mpitarika fa mba hisian’ny fiombonana dia tokony ho hita ao anatin’ny Tranokala ny LOGO FJKM sy ny loko MANGA MIVOLONDANITRA mampiavaka ny fiangonana FJKM .Rehefa izay dia niroso tamin’ny fananganana ny « Groupe de travail » roa :1- Groupe de travail DESIGN2- Groupe de travail CONTENUVoaresaka betsaka tao anatin’ny fifanakalozan-kevitra ny hanatsara ny fampitam-baovao mahakasika ny SYNODA LEHIBE XVIII , izay hatao any Antsirabe ny 17 -24 Aogositra 2016 ho avy izao . Hisy ny fifarimbonana sy fifanakalozana traikefa mba hahatanteraka izany .Ento am-bavaka izany sehatra asa sy ny fikasana tsara amin’ireo mpanompony izay vonona hanolotra ny talentany ho amin’ny asan’Andriamanitra .Ho an’ Andriamanitra irery ny Voninahitra Nangonin-dRamatoa Sahondra Rabelison ,Tomponandraikitry ny SITE WEB FOIBE

Fiofanana SITE WEB / Fiangonana

FANASANA

Ny Asa FIfandraisana sy FAmpahalalam-Baovao ( AFIFAB ) FOIBE FJKM dia miantso ireo tomponandraikitry ny Tranokalam-pifandraisana na SITE WEB ao amin’ny Fiangonana FJKM misy anareo tsirairay , ho tonga amin’ny fampihaonana voalohany antsika mpiserasera amin’ny alalan’izany seham-pifandraisana izany .

Ny fihaonana dia hotanterahina ny

Alakamisy 26 Mey 2016

amin’ny 9 ora 30 maraina

Efitra malalaky ny FOIBE FJKM

IFANOMEZANTSOA Analakely

Porte 201 , Rihana faha-2

Ny tanjona dia ny hahazoana mifanakalo vaovao , mifampita traikefa ho amin’ny fahatsaran’ny fifandraisana , ny fiparitahan’ny vaovaon’ny Fiangonana bebe kokoa , indrindra ny fielezan’ny fitoriana ny Filazantsara sy ny fitaizam-panahy eo anivon’ny Fiangonana FJKM .

Manantena izahay fa samy hifampilaza isika mpikirakira ny Tranokalam-pifandraisana eo anivon’ny Fiangonana FJKM eto Antananarivo manodidina .

Ho an’ Andriamanitra irery ny Voninahitra .

Alahadin’ny AFIFAB -27 Martsa 2016

PASKA 2016

FANDAHARANA IOMBONANA Fiarahabana ApostolikaFiderana ny Tompo : Apokalypsy 15:3b-4Hira 146Vavaka FideranaSitrapon’ Andriamanitra : I Korint. 15 : 12-15Hira 141 : 3Vavaka FifonanaHira 409:2Fanekem-pinoana ApostolikaFotoana ho an’ ny ankizyRaharahaRakitraVavakaHira 205 : 1,2Fankalazana ny Tenin’ AndriamanitraVavakaVakiteny Soratra Masina

Eks. 14:23-31Marka 16 : 1-8Efesiana 5 : 1-2

Hira 177 : 1,3ToritenyVavakaAsa vavolombelonaHira 142 : 3TsodranoHira 142 : 4AMENHo an’ Andriamanitra irery ny Voninahitra……………………………………………………………………………………………………..Ho an’ny Mpitandrina sy ny Fiangonana FJKM rehetraRy Havana,Ampitomboina ho aminareo mandrakariva hatrany anie ny fahasoavan’I Jesoa Kristy Tompontsika.Isaorana Andriamanitra noho ny fitahiana natobany sy nitahiany ny Fiangonana. Migadona indray ity ny Andron’ ny AFIFAB, miavaka izany amin’ ity taona 2016 ity satria andron’ ny Paska no hanamarihantsika izany koa miarahaba antsika rehetra amin’ ny anaran’ ny Tompo Jesoa,“ Fa voavono Kristy, Paska ho antsika” I Kor.5:7bIsaorana ny Tompo fa efa mandeha ary miodina ny Radion’ny Fiangonana, ny Radio Fahazavana. Mbola maro anefa ny ezaka miandry antsika rehetra hahalavorary ny fampandehanana azy ; mila ny fifanomezan-tanana sy fifampitondrana am-bavaka hahalavorary ny asa fitoriana ny Filazantsara atao amin’ ny alalan’ ny haino aman-jery.Ny vaovao tsara ho fantatra, ny mahakasika ny fiainan’ ny Fiangonana dia entina tsy tapaka eo anivon’ ny gazety Marturia Vavolombelona, mahatoky izahay ry Havana fa hahatsapa isika rehetra fa ny fandraisana anjara amin’ ny famakiana sy fividianana ireny gazety avoakan’ ny Fiangonana ireny dia fanohanana ny asa fitoriana izay sahanintsika amin’ ny alalan’ ny gazety.Eto ihany koa no hampitana hafatra manokana ho antsika rehetra, hifarimbona sy hifanome tanana manoloana ny Asa iombonana sahanin’ ny Fiangonan’ I Jesoa Kristy eto Madagasikara (FJKM) . Tena kitro ifaharan’ ny Asa fitoriana sy fampielezana ny filazantsara ny Asa iombonana ka mila fifanohanana ; hatreto dia vitsy no mandray anjara sy manohana izany.Betsaka ny asa miandry antsika rehetra amin’ ity taona 2016 ity ho fampandrosoana ny Asa Fifandraisana sy Fampahalalam-baovao (AFIFAB) izay ahitana ny Radio Fahazavana, ny gazety Marturia Vavolombelona, ny tranokalam-pifandraisana, sy ny Arofenitra.Toy ny kofehy mampifandray ny FJKM rehetra ny asam-pifandraisana, koa mahatoky izahay ny fifanomezan-tànana eo amintsika ho fampandrosoana izany.Hifampitondra am-bavaka sy hiara-miasa isika amin’ny fitoriana ny Filazantsara amin’ny teny sy ny asa ary ny fiainana manontolo, hifampitondra am-bavaka, hifanohana ara-pitaovana sy ara-bola ho amin’ny fampandrosoana ny asa rehetra.Mino sy mahatoky izahay fa hametraka ho zava-dehibe sy ho laharam-pahamehana ny asan’ny Fiangonana isika kristiana ry havana, mba hahalavorary ny asan’ny Tompo, izay niantsoana antsika rehetra hanao Asa tsara.Mamangy sy manao veloma finaritra anareo amin’ ny Anaran’ ny Tompo.Ny Filohan’ ny Komity AFIFABRALAMBOMAHAY Hendrininosy Mpit.Ny Talen’ ny AFIFAB RAZAFIMALALA Tantely

Modifier cet article

RADIO FAHAZAVANA / Rindrankira

FANASANA Hanatanteraka hetsika ny RADIO FAHAZAVANA ny Alahady 20 Martsa 2016 ho avy izao , amin’ny 2ora sy sasany tolakandro , ao amin’ny FJKM SALEMA Vavao 67 Ha .Ny Hetsika hatao dia RINDRANKIRA iarahana amin’ny Antoko mpihira AMPIFITIA sy ny Tarika MIALY RAKOTOMAMONJY , ho fifanohanana sy fifanomezan-tànana avy amin’ny zanaky ny fiangonana FJKM .Ny vola azo amin’izany dia entina hampandehanana ny asa eto amin’ny RADIO FAHAZAVANA , indrindra ho fanampiana ireo Mpiasan’ny RADIO manana fanolorantena mampandeha izany onjampeo izany amin’izao fotoana izao .Koa manasa antsika mpianakavin’ny finoana , mpihaino mahafatrapo izany onjampeon’ny fiangonana FJKM izany mba ho tonga maro , hitondra amam-bavaka ny asa ary hanao fanomezana araka izay azonao atao ho Voninahitr’ Andriamanitra .

HAFATRA LEHIBE / Taona 2014

Andriamanitry ny Famonjena ny Tompo.

Izany no teny iarahabana antsika mpianakavin’ ny finoana FJKM. Izany koa no teny sy asa ampaherezana sy ifampaherezantsika. Ny teny mantsy dia asa ihany koa ho an’ izay miaina ny finoana.

Isaorantsika Andriamanitra nahafahantsika nanokana fotoana iombonana niaraha-nivavaka tamin’ ny fiandohan’ ity taona 2014 ity. Zava-dehibe ny fiaraha-mivavaka sy ny fiombonana amin’ ny fiandohan’ ny taona tahaka izao. Nitondrantsika amim-bavaka miaraka ny asan’Andriamanitra anirahany antsika FJKM mandritra ity taona ity : ao ny fihaonana sy ny fanofanana iombonana samihafa hotanterahana manerana ny sahan’ ny FJKM.

Fa mivavaka koa isika ho an’ ny olona rehetra araka ny baiko sy fanentanan’ ny Soratra Masina hoe :

“Koa mananatra voalohany indrindra aho mba hatao izay fangatahana, fivavahana, fifonana, fisaorana, ho an’ ny olona rehetra, ho an’ ny mpanjaka mbamin’ izay rehetra manana fahefana, mba hiainantsika miadana sy mandry fahizay amin’ ny toe-panahy araka an’ Andriamanitra sy ny fahamaotinana rehetra.” (1 Tim.2, 1-2).

Navahan’ ny Tenin’ Andriamanitra manokana amin’ izany ny mpanjaka mbamin’ izay rehetra manana fahefana ; fahefam-panjakana sy fitondrana eo amin’ ny firenena sy ny fiaraha-monina no ambaran’ ny Soratra Masina amin’ izany.

Nanao izay ratsy teo imason’ i Jehovah ny maro amin’ ny mpanjakan’ Isiraely ambaran’ ny Baiboly. Tamin’ ny vanim-potoana niainan’ i Paoly Apostoly nanoratany io epistily izay manentana ny Fiangonana, ny mpino hivavaka io, dia tena nampijaly ny Kristiana sy ny Fiangonana ny manam-pahefana romana ; nanao ratsy, naka mihoatra noho izay tokony ho nalainy, nangalatra, tsy marina teo amin’ ny fitondrany ny vahoaka sy ny firenena, nanao didy jadona, nihinana ny ondry. Fanjakana tsy refesi-mandidy no nisy, nampiasa herim-pamoretana ; niaina tanatin’ ny fanjakan-jiolahy ny vahoaka ; nahita faisana ny Kristiana. Tsy niadana ny tany.

Noho izany, dia tena ilaina ny mivavaka ho an’ ny mpanjaka sy ny manam-pahefana rehetra mba hahatsiarovany tena fa irak’ Andriamanitra napetrany izy ireny mba hanao ny sitrapon’ Andriamanitra. Na dia mety tsy ho sitrak’ Andriamanitra aza ny nahatongavan’ izy ireny teo amin’ ny fitondrana, dia tsy maintsy mangataka sy mivavaka ho azy ny Kristiana sy ny Fiangonana mba hahatsiarovan’ireny mpanjaka sy manam-pahefana ireny tena ka hialany amin’ ny ratsy fanaony.

Fa izany vavaka izany, dia na hanova sy hanavao azy na handoro sy hanjera azy raha tsy mety mibebaka izy. Fantatsika fa rava ny fanjakana sy ny fitondrana romana –izay tena natanjaka sy nahery ary nalaza tokoa.

Mivavaka ny Fiangonana mba haneken’ ny mpanjaka sy ny manana fahefana rehetra ny sitrapon’ Andriamanitra sy hankatoavany izany. Ny tanjon’ izany vavaka izany dia ny hiainan’ ny Fiangonana sy ny Kristiana “miadana sy mandry fahizay amin’ ny toe-panahy araka an’ Andriamanitra sy ny fahamaotinana rehetra.” Tsy ho afaka hanompo an’ Andriamanitra amin’ ny fahalalahana ny Kristiana raha mijaly sy miaina anaty tsi-filaminana.

Miteny amintsika hatrany izany tenin’ ny Soratra Masina izany. Mampahery antsika amin’ ny asa fanompoana miandry antsika tsirairay isam-batan’ olona kanefa koa miandry ny Fiangonana. Manàna fahasahiana avy amin’ ny Fanahy Masina hijoro ho vavolombelon’ ny fahamarinana dia i Jesoa Kristy ; hijoro hanambara ny famonjen’ i Kristy Ilay hany Tompo tokana Mpamonjy izao tontolo izao. Famonjena mandroaka ny fahaverezana.

Ao amin’ ny Fiangonana irery ihany no misy ny famonjena dia i Jesoa Kristy. Koa aoka isika/ianao ho tena fiasam-pamonjena tokoa ary ho fahazavam-panantenana ho an’ izao tontolo izao.

Ho taona handalana sy hiainana ny fahamarinan’ i Kristy anie ity taona ity ka ho resy ny asa sy ny herin’ ny lainga sy ny fitaka ary ny faharatsiana rehetra. Ho taonan’ ny fiadanana sy ny fihavanana. Hiseho amin’ ny maha andry sy fiorenan’ ny fahamarinana azy tokoa anie ny Fiangonana. Fiangonana mbola miady ety an-tany kanefa efa mpandresy ao amin’ i Kristy any an-danitra.

Ry Kristiana Havana, maro ny asa miandry antsika. Hiezaka isika hahatonga ny Fiangonana mba ho mendrika sy milamina amin’ ny fahatsarana rehetra. Anisan’ ny hataontsika ho zava-dehibe ny fiderana an’ Andriamanitra ka sady hihira am-panahy isika no hihira an-tsaina koa. Mba ho Fiangonana mahay mihira ny hira ao amin’ ny fihirana FFPM ny FJKM. Tsy ho latsak’izany ihany koa ny fahaizana mitendry zava-maneno sy ny mozikam-pinoan’ny Fiangonana.

Ny fanatanterahana ny fanompoam-pivavahana marina sy mendrika ary ankasitrahan’ Andriamanitra no iombonantsika FJKM ihany koa, dia anisan’ ny hohamafisina sy laharam-pahamehana itaizana ny Fiangonana tsirairay. Ny fitantanana rehetra ataontsika ao amin’ ny fiangonana, eny eo amin’ ny asa aman-draharahantsika eo amin’ny fiaraha-monina sy ny firenena aza, dia mba ho ankasitrahan’ Andriamanitra ka hihena ny fanaovana kitoatoa sy an-tsirambina.

Andriamanitry ny famonjena ny Tompo. Ny Tompo no Mpamonjy. Izy irery ihany no mampiray antsika ao Aminy. Koa fadio ny resaka sy fomba hafa izay avy amin’ ny devoly ka mety hampisaraka sy hampizarazara ny Fiangonan’ Andriamanitra. Iaino ny finoanao an’ i Jesoa Kristy ka ho hita eo amin’ ny fanatanterahantsika izay iombonana ato amin’ ny Fiangonana izany mandritra ity taona ity. Ho kristiana marina sy mihavana.

Mivavaha isika mba hahatanteraka ny sitrapon’ Andriamanitra eo amin’ ny tsirairay sy ny fiaraha-monina, eo amin’ ny firenena sy ny Fiangonana.

Ny Mpitandrina RASENDRAHASINA Lala

Filohan’ny FJKM .

Janoary 2014

HAFATRY MF03/SLXVII (16-21 Oktobra 2013 – CFD Ampandrana)

Fa ny fanantenana no namonjena ny mino ». (Romana 8.24a)Ry havana,Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Ray sy Jesoa Kristy Tompontsika.Ny Mpiandraikitra Foibe FJKM izay nivory teto amin’ny CFD Ampandrana tamin’ny 16-21 Oktobra 2013, amin’ny maha tompon’andraikitra voalohany eo amin’ny fiainan’ny FJKM azy ireo, dia manana adidy aman’andraikitra hampahery ny kristiana FJKM ary koa hitondra ny hafatry ny Fiangonana mpaminany ho an’ny vahoaka tsy an-kanavaka :- Misaotra an’Andriamanitra isika noho ny fitahiany sy ny fahasoavany tsy manam-petra fa miroso ny asan’ny Fiangonana ary niara-niasa taminy isika mpanompony rehetra tamin’ny fanefana ireo adidy aman’andraikitra niombonantsika. Antenaina fa hitera-bokatsoa hatrany ho an’ny asan’Andriamanitra izany .- Nahazoana vokatra tsara ny Sekoly FJKM teo amin’ny fanadinana ara-panjakana. Koa isaorantsika an’Andriamanitra izany sady ampaherezina ireo tompon’andraikitra isan’ambaratonga mba hanohy ny ezaka vita.- Mampahery ny tompon’andraikitra rehetra manerana ny sahan’ny FJKM, amin’ny fanatanterahana ireo asan’Andriamanitra nampanaoviny antsika toy ny fanohizana ny ezaka “Jesoa Kristy ho an’i Madagasikara” (JKM), ny fiaraha-mientana amin’ny fankalazana an’Andriamanitra noho ny faha 45 taonan’ny Fiangonana misy antsika, ka hanarenana ny fotodrafitrasa eo amin’ireo Toeram-panomanana mpitandrina sy ny mpampianatra FJKM.- Entanina hatrany ny kristiana rehetra hivavaka sy hiasa ho an’ny fanitaram-piangonana eto an-toerana sy any ivelany araka ny baikon’ny Tompo voaraintsika hitory ny filazantsara “hatrany amin’ny faran’ny tany” (Asa 1:8). Isaorantsika an’Andriamanitra ny fijoroan’ny SP faha 38 eto anivon’ny FJKM tamin’ny 29 Septambra 2013 sy ny nitokanana ny FJKM any Quebec – Canada tamin’ny 12-13 Oktobra 2013.- Momba ny fiainam-pirenena : Mametraka ny adintsika eo amin’Andriamanitra ny hanokafana ny Radio Fahazavana sy ny hamerenana ireo fananan’ny FJKM izay nalain’ny fanjakana isika. Ampaherezina ny FFKM eo amin’ny ezaka fampihavanana ataony mba hanohizany izany hatramin’ny farany. Ny Fiangonana mpaminany ho an’ny firenena dia manentana ny Kristiana sy ny vahoaka rehetra manerana ny Nosy mba : Hametraka ny maha kristiana sy ny maha olon’Andriamanitra ho ambonin’ny zavatra rehetra ka tsy hivarotra ny safidiny. Hiaina amin’ny tahotra an’Andriamanitra ka tsy hanaiky ho fitaovana hiray tsikombakomba amin’ny tsy marina noho ny fiandaniana amin’olona. Hitandro tahaka ny anakandriamaso ny fahamarinana sy ny fihavanana amin’ireo fifidianana ara-dalàna rehetra izay hatao eto Madagasikara Eto am-pamaranana, dia mirary soa ho an’ny vahoakan’Andriamanitra rehetra hahatratra ny Krismasy 2013 sy ny taona vaovao 2014.“ Hitahy anareo anie ny Tompo ka hiaro anareo !” (Nomery 6 :24)Ampandrana, faha 21 Oktobra 2013Amin’ny anaran’ny Mpiandraikitra FoibeNy Filohan’ny FJKMRASENDRAHASINA Lala Haja, Mpitandrina