Alarobia 16 Aogositra 2017

Mandresy ny fijaliana ny vavolombelon’ny Tompo

Romana  8.14-17

Famantarana  ny maha- Zanak’ Andriamanitra

1-Tarihin’ny Fanahin’ Andriamanitra

Eto  dia misy  karazana  fanahy roa izay  mandrirotra  ny olombelona . Ny iray  fanahim-pahandevozana ho  amin’ny tahotra (and15a) , ny iray  kosa  fanahin’ny zanaka natsangana (and15b). Tamin’ny alalan’io fanahy io  dia voatsanagana ho zanany  izay  nandray  Azy . Amin’izay  ataony rehetra dia mametraka mandrakariva ny Fanahy  masina no mpitari-dàlana .

2-Mpiray  lova  amin’i Kristy

Eo  amin’ny   fianakaviana  dia  tsy afaka handova   amin’ny olona iray   ny  zanaky   ny  mpiray  tampo  aminy  , saingy  raha voatsangana kosa aty aoriana dia mahazo  anjara  amin’izany lova izany . I Kristy  dia zanak’ Andriamanitra lahitokana . Nanolotra ny ainy Izy  mba hamonjy  izao  tontolo  izao  . Nanome hery  ho an’izay  rehetra nandray  Azy mba ho  tonga Zanak’ Andriamanitra, dia mpandova  amin’izay  manomboka  eo  , ka afaka  miara-manjaka  amin’i Kristy  ao  amin’ny Fanjakan’ Andriamanitra . Raha te- ho  Zanak’ Andriamanitra àry dia tsarovy  fa tsy  maintsy  manaiky   ny fitarihan’ny Fanahy masina  ary manantena  fa handray  ny lova  izay nampanantenanin’ Andriamanitra homeny  izay tia  Azy rahatrizay  .

Fanontanaina :

Hatraiza  ny fahatsapanao izany  hasarobidin’ny hoe : mpiray  lova  amin’i Kristy izany ?

Birao Sekoly Alahady  FOIBE FJKM

Alarobia 16 Aogositra 2017

Mandresy  fijaliana ny vavolombelon’ny Tompo

Romana  8.14-17

Famantarana  ny maha- Zanak’ Andriamanitra

1-Tarihin’ny Fanahin’ Andriamanitra

Eto  dia misy  karazana  fanahy roa izay  mandrirotra  ny olombelona . Ny iray  fanahim-pahandevozana ho  amin’ny tahotra (and15a) , ny iray  kosa  fanahin’ny zanaka natsangana (and15b). Tamin’ny alalan’io fanahy io  dia voatsanagana ho zanany  izay  nandray  Azy . Amin’izay  ataony rehetra dia mametraka mandrakariva ny Fanahy  masina no mpitari-dàlana .

2-Mpiray  lova  amin’i Kristy

Eo  amin’ny   fianakaviana  dia  tsy afaka handova   amin’ny olona iray   ny  zanaky   ny  mpiray  tampo  aminy  , saingy  raha voatsangana kosa aty aoriana dia mahazo  anjara  amin’izany lova izany . I Kristy  dia zanak’ Andriamanitra lahitokana . Nanolotra ny ainy Izy  mba hamonjy  izao  tontolo  izao  . Nanome hery  ho an’izay  rehetra nandray  Azy mba ho  tonga Zanak’ Andriamanitra, dia mpandova  amin’izay  manomboka  eo  , ka afaka  miara-manjaka  amin’i Kristy  ao  amin’ny Fanjakan’ Andriamanitra . Raha te- ho  Zanak’ Andriamanitra àry dia tsarovy  fa tsy  maintsy  manaiky   ny fitarihan’ny Fanahy masina  ary manantena  fa handray  ny lova  izay nampanantenanin’ Andriamanitra homeny  izay tia  Azy rahatrizay  .

Fanontanaina :

Hatraiza  ny fahatsapanao izany  hasarobidin’ny hoe : mpiray  lova  amin’i Kristy izany ?

Birao Sekoly Alahady  FOIBE FJKM

Talata 15 Aogositra 2017 .

Mandresy fijaliana ny vavolombelon’ny Tompo

Matio 10.21-23

Efa nampionona antsika ny Tompo mba hananantsika faharetana eo anatrehan’ny disadisa , lonilony izay taratry ny korontana eo anivon’ny ankohonana sy ny mpianakavy . Eo anatrehan’ireo : Ny vavolombelon’ny Tompo dia :

1-Mandresy manoloana ny ady atrehany

Efa voasoratra fa « ny rahalahy hanolotra ny rahalahiny mba ho faty , ary ny ray hanolotra ny zanany ary ny zanaka hitsangana hanohitra ny rainy sy ny reniny ka hahafaty azy » (Mat 10.21). Hita taratra ny fahatanterahan’ireo eo amin’ny fiaraha-monina . Ny ankohonana kristiana kosa dia mahatsiaro fa azo atao tsara ny miaina amim-pirahalahiana , mandresy ny fifankahalana noho ny fanatrehan’i Kristy .

2-Manana faharetana

Fifankatiavana , fandeferana, faharetana no toromarika omen’ny  Tompo, hiatrehana  ny fijaliana . Tsy sitraky  ny  Tompo  ny herisetra sy ny valifaty  fa fifankatiavana no asetriny  ireo . Tsy  noteneniny fotsiny fa niainany mihitsy ny hoe: »izay maharitra hatramin’ny farany no hovonjena »  (Mat 10.22) .

Fanontaniana:

Hatraiza  ny faharetanao  manoloana ireo  ankohonana na fianakaviana izay  tsy mitovy  hevitra aminao ?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM 

 

Alatsinainy 14 Aogositra 2017 .

Mandresy fijaliana ny vavolombelon’ny Tompo .

Salamo  118.5-18

Salamo  mampiseho  ny fankalazana  ny Paska  sy ny manodidina azy ity  .Hita eto ohatra ny maha- vato nolavin’ny mpanao trano  an’i Jesoa (and22) sy  ny fiakarany tao Jerosalema (and26) .

Ny voavonjin’i Jehovah  

1-Miandany amin’ny Tsitoha (and5-13)

Ao an-tanàna  dia asehon’ny mpanao salamo  fa miandany aminy i Jehovah , indrindra manoloana ireo fahavalo mamely mafy . Ambara  fa ny fahatokian’ny mpitondra  sy ny vahoaka  no nahatanteraka  izany . Tonga matahotra  , levona ary tsy manankery  ny fahavalo manodidina  noho ny herin’ Andriamanitra  mitoetra ao amin’ny mpino  . Manana toky  hatrany ny mpino  fa i Jesoa Kristy  no miandany  amin’ny adiny rehetra .

2-Mitoetra ao an-tranon’i Jehovah

Mitarika  ny sain’ny voavonjy  ho any an-dain’ny marina ny mpanao salamo  (and15). Mitoetra ao amin’ny tempoly  ny famonjena .Ny tànana ankavanan’i Jehovah miaro amin’ny fahafatesana . Mifamatotra mandrakariva  ny tranon’ Andriamanitra sy ny famonjeny  . Tsy mahasoa  ny mpino   ny manalavitra ny tranon’ Andriamanitra . Ao amin’ny fiangonana  no hanekena  an’i Jesoa  ho Tompo  ary hahazony  hery  handavany  ny asan’ny satana  rehetra , hoy ny fanekena batisa .

Fanontaniana:

Azon’ny mpino  atao  ve  ny mivavaka  any an-trano  fotsiny , tsy mamonjy fiangonana?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM

 

Alahadin’ny KFTM 2017 .

Fandaharana iombonana
ALAHADY 13 AOGOSITRA 2017 .
  • Feon-java-maneno
  • Fiarahabana apostolika
  • Fiderana sy fisaorana ny Tompo:

Sal.145/ 18-21(Rehetra)

Hira  824 :1;4

Vavaka Fiderana

  • Sitrapon’Andriamanitra

Mpitarika: IPet.4/ 1        Apo.3/ 21

Rehetra: Sal. 119/ 1, 2

Hira 643 : 2

  • Fifonana amin’Andriamanitra:

Vavaka

HIRA 434 : 1.2

  • Famelan-keloka avy amin’Andriamanitra:

Mpitarika:Jer 31:3 ; Zak 3:4 ; IIKor 5:21

Rehetra: Sal. 32/ 1, 2

Hira 427: 1; 3

  • Fanambaram-pinoana Laharana Faharoa
  • Feon-javamaneno
  • teny fohy ataon’ny mpitarika
  • Raharahan’ny Fiangonana
  • Famakiana ny hafatra avy amin’ny K.F.T.M./ FOIBE
  • Fotoana ho an’ny ankizy

Hira 768 : 1

Fampianarana

  • Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra:

Hira 179 : 1;2

Vavaka

Dan.3/ 19-30    Mat.10/ 21-23    Asa.14/ 19-28

Hira 639 : 1;3

  • TORITENY
  • Zava-maneno malefaka na Antoko mpihira
  • Vavaka fangatahana
  • Asa Vavolombelona
  • Famaranana

Hira F.F. 56 (Sal.25/ 1-4)

  • Tsodrano

Hira 638 : 4

Amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina . Amen

Rakitra KFTM Foibe FJKM Taona 2016

-FJKM Andratrehana                                   =  14.000ar

-FJKMAmbodirano                                      =  7.150ar

-FJKM Amparafaravola                              =  30.000ar

-FJKM Ambondrona Filadelfia                   =  800ar

-FJKM Nanandrana Firaisantsoa                =  2.750ar

-FJKM Iakarana Finoana                             =  2.650ar

-FJKM Vohimarina Fitiavana                      =  1.210ar

-Fitandremana Ambondrona                         =  2.600ar

-FJKM Betafo Fanavaozana                         =  20.000ar

-FJKM Ambatolampy F Ambohitrimanjaka=30.500ar

-FJKM Ambohijafy Fanantenana                =  20.000ar

-FJKM Ambohijatovo Fitiavana chq           =  50.000ar

-FJKM Manarintsoa Finoana                     =  146.400ar

-FJKM Ivandry Firaisana                           =  121.000ar

-FJKM Ivatobe Famonjena                            =  5.000ar

-FJKM Ambatolokanga                                    =  5700ar

-FJKM Ambohijanaka Gara Fitiavana      =  61.000ar

-FJKM Ifarihy Famonjena                           =  40.000ar

-FJKM Rasalama Martiora Ambohipotsy=  169.200ar

-FJKM Fiadanana Martiora                        =  72.000ar

-Fitandremana Androndra                           =  50.000ar

-FJKM Ambatolampy Fieferana                  =  50.000ar

-FJKM Betela Fahazavana Amboatavo       =  33.600ar

-FJKM Ambatomanankasina                        =  6.000ar

-FJKM Andravoahangy Fivavahana chq =  969.700ar

-FJKM Tranovato Ambatonakanga         =  100.000ar

-FJKM Avaratsena Fanantenana              =  20.000ar

-KFTM Rasalama Manjakaray               =  200.000ar

-FJKM Tranovato Anjanahary Martiora =120.000ar

-FJKM Ankavandra Fahazavana                 =  4.300ar

-FJKM Antatabe Finoana                             =  3.000ar

-FJKM Fitandremana Belavabary F.          =  3.000ar

-FJKM Ambatolampy Faharetana              =  3.000ar

-P.E Manerinerina                                         =  6.000ar

FANAMARIHANA:

Tsy voasoratra tao anaty programa taona 2016

-FJKM Ambatomena=34.300ar taona 2015

 

HAFATRA K.F.T.M FOIBE

                Ry Havana, ho aminareo mandrakariva anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Ray sy Jesoa Kristy Tompontsika.

                “Ianareo no vavolombeloko hoy Jehovah, sady mpanompoko izay efa nofidiko”Isa43:10a

Izany teny izany ry Havana,no entina indray ho amintsika mpianakavin’ny finoana, hanamariantsika manokana ny amin’ny faha 180 taona nandefonana an-dRasalama sy namonoana ireo martiora teto an-tanindrazantsika.

Tantaran-piangonana tsy azo hodian-tsy hita izany, izay heverina hampahery antsika ny amin’izay  vina ho tratrarina”HAMONTO FILAZANTSARA an’I MADAGASIKARA”.

Miharihary  eo imason-tsika ny zava maro hotoherina toy izay nosedrain’ireo  martiora talohantsika,koa mampahery antsika hatoky hatrany an’Andriamanitra satria “MANDRESY FIJALIANA NY VAVOLOMBELON’NY TOMPO”.

Ny Komity Fanorenana ny Tsangambaton’ny Martiora (KFTM) Foibe dia misaotra an’Andriamanitra amin’ny fiaraha-miasa misy eo amintsika fiangonana sy fitandremana izay anterinay ny fisaorana antsika manohana am-bavaka sy ara pitaovana indrindra ny fandrotsahana ny rakitra isaky ny Alahadin’ny Martiora.

Mba ahafahantsika mifampitantana ny amin’izay asa vavolombelona dia indro tsiahivinay hatrany ny asa sy antom-pisian’ny KFTM:

  • Manao izay ahafantaran’ny kristiana ny maha sarobidin’ny finoana an’Andriamanitra, mifototra amin’ny tantaran’ny Martiora sy ny manodidina izany.
  • Ny tsangambato manokana hotratrarina dia ny famitana ny “Kianja fanatanjahantena misy ny taranja rehetra(polyvalent) eny amin’ny Kolejy Teolojika Ivato.

Isaorantsika an’Andriamanitra ny fotoana fankalazana ny faha 50 taonan’I FJKM sy faha 200 taona nahatongavan’ny LMS  teto Madagasikara, ka hanolorantsika tsangambato eny amin’ny Kolejy Ivato ihany koa.

Manantena izay ry Havana, fa fanoitra sy hery ho antsika avokoa izany asan’Andriamanitra  mifanindran-dalana izany, satria tsy natao ho tsangambaton’ny Martiora efa lasa ihany izany, fa tsangambaton’ny FANDRESENTSIKA MARTIORA VELONA ankehitriny.

Arak’izany, dia miantso antsika mba handrotsaka ny rakitra sy izay fanomezana hoan’ny KFTM izay aterina ao amin’ny varavarana 503;Foibe F.J.K.M, rihana faha-5. Raha toa ka misy ny fanontaniana ilam-baliny mikasika ny asan’ny K.F.T.M dia azontsika atao tsara ny manantona aty amin’ny FoibeFJKM.

Eto am-pamaranana ry Havana dia mirary ny fahasoavan’ny Tompo mba hirotsaka amintsika hatrany ka hahefa be amin’ny fanompoana ny Tompontsika.

Dia manao veloma anareo amin’ny Anaran’ny Tompo.

Amin’ny anaran’ny KFTM Foibe FJKM

Varavarana: 503,rihana faha -5 Tél: 033 11 262 85

 

Alahady 13 Aogositra 2017.

Mandresy  fijaliana ny vavolombelon’ny Tompo .

Daniela 3.19-30

Lehibe mihoatra noho   ny sariolona  volamena  mirefy  30 m ny haavony  sy  3 m ny sakany , nataon’i Nebokadnezara Andriamanitra . Tsy vitan’izany   fa:

1-Mamonjy  ny mpanompony

Ny fahatokian’i Sadraka sy i Mesaka ary i Abednego an’ Andriamanitra (and16-18) no tsy mampanan-kery ny  afo  hampaninona ny tenany  . Na dia  toa tafakatra  faran’izay mafy  aza ny afo  na ny olana sedraina dia tena  miara-mandeha   amin’ny mpino  Andriamanitra ( and 25), ka manafaka  amin’ny loza rehetra ,saingy  mahasolafaka ny mpampahory kosa (and22). Marina  amin’ny mpino  ny hoe: « na dia hisy arivo  aza lavo  eo anilanao  sy iray alina eo ankavananao  , dia tsy hihatra aminao izany  » Sal 91.7 .

2-Mambabo ny mpitondra fanjakana 

I Nebokadnezara mpanjaka mihitsy  no nahita  ny famonjena  azy telo lahy  ka niantso  ny mpiara-miasa aminy rehetra avy eo  (and27) . Manaiky fanindroany  an’ Andriamanitra  ny mpanjaka eto (2,47;3,28-29). Nanompo sariolona volamena izy kanefa tonga nampanaiky an’ Andriamanitra indray . Didim-panjakana mihitsy  no navoaka  ary toa nitsimbadika amin’izay  manao  zinona  an’ Andriamanitra ny fanamelohana . Na iza na iza toa ambony sy manana ny voninahiny dia mbola hiondrika eo  anatrehan’i Jesoa  Kristy  lehiben’ny mpanjakan’ny tany .

Fanontaniana:

Ahoana ny hevitrao  mikasika  ny tsy fifampiankinan’ny fanjakana  sy ny fiangonana ?

Sabotsy 12 Aogositra 2017 .

Mandresy fijaliana ny vavolombelon’ny  Tompo .

Joba 42.10-17

Na dia teo aza ireo fitsapana mahamay nahazo an’i  Joba : maty anaka , rava fananana, voan’ny aretina, nilaozan-kavana…dia voavaly mazava  ihany  ny fanontaniana hoe: : »moa misy zava-mahagaga izay tsy hain’i Jehovah va? » Gen 18.14.

Fahoriana nody fiadanana!

1-Voatahy nihoatra ny voalohany 

Avy roa heny noho  izay nananany teo  aloha  no nomen’ Andriamanitra an’i Joba ankehitriny . Ireo havany  sy namany rehetra izay tsy nisy  hita tamin’ny fahoriany dia tonga namangy azy avokoa . Tsy  marina  ny nambaran’ireo naman’i  Joba  fa fahotana  no  nahatonga   ny  loza . Manana fomba  maro  Andriamanitra   hamadihana  ny fiainany   ho tsara indray  . Mariky  ny fahatokisan’i  Joba  an’ Andriamanitra izany . Izay maharitra amin’ny fizahantoetra  no ampodian’i Jehovah ho amin’ny fifaliana  toy izao (ampitahao  Joba 8.7; Sal 66.12).

2-Tratrantitra  ela niainana 

Nanatombo 140 taona taorian’ny fizahantoetra ny andro niainan’i Joba . Mampahatsiahy ny fahaelavelon’ireo patriarka tany aloha izany . Ny fiverenan’ireo zanany  folo mianadahy  dia manamafy izany rahateo . Midika izany  fa tsy  ho lany  ny taranaky  ny marina ary ho faly hahita  ny ravan’ny zafiny izy (ampiyahao Sal 128.5-6). Mariky ny fitahiana  sy ny teny fikasana avy amin’Andriamanitra ny andro  maro (Efes 6.2) .

Fanontaniana:

Ny  ho tsara fiafarana  no tianaoa  sa ny ho ela velona?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM

AFIFAB / Fisaorana .

 

Tontosa soa aman-tsara ny « Fiderana Goavambe » natao tao amin’ny FJKM Ivandry Firaisana SPAA 10 , ny Alahady 06 Aogositra 2017 nokarakarain’ny Asa Fifandraisana sy Fampahalalam-baovao.
-Ny Komitin’ny 35 ème AFIFAB

-Ny Komitin’ny 2O taona RADIO FAHAZAVANA niaraka tamin’ny
AMPIFITIA avy ao amin’ny FJKM Isotry Fitiavana.

Misaotra an’Andriamanitra isika noho ny fandaminany sy ny fitantanany ka nahalavorary io hetsika io.Hetsika izay tsiahivina fa ao anatin’ny Ezaka PYLONE hapetraka eny Ambohibe Ilafy hanatsarana ny fandraisana ny Radio Fahazavana.

Tolorana fisaorana ny fianakaviamben’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara indrindra ny Mpitandrina sy ny Fitandremana ao amin’ny FJKM / AR, ny Sampana sy ny Sampanasa ary ny Fikambanana samihafa ao anatiny, ny kristiana tsirairay ary ireo rehetra nanampy sy nanao tolo-
tanana teo amin’ny fanatanterahana io ezaka io.

Ankasitrahana manokana ny fahitalavitra RTA sy MaTV, ny radio ACEEM, ny Radio Teny Fiainana sy ny Radio Vaovao  Mahasoa, ny Radio Fahazavana sy ny Gazety Marturia Vavolombelona , Groupe Midi Madagascar sy Groupe Gazetiko amin’ny fampahafantarana io « Fiderana Goavambe » io nahafahan’ny kristiana tonga teny Ivandry nanatrika izany.

Mbola mitohy anefa ny ezaka amin’izao fametrahana pylône eny Ambohibe Ilafy izao. Raisina am-pitiavana ao amin’ny AFIFAB, rihana faha 6 ny anjara birikintsika handray anjara amin’izao ezaka izao satria mahatratra hatrany amin’ny 348 165 000 ariary ny ilaina amin’ny ho enti-manana io « pylône »io. Ny ezaka izay nataontsika sy ny vidin’ireo Fanasana (Tsotra/ sy na manokana) dia azontsika haterina ao amin’ny rihana faha 6 Foibe FJKM Ifanomezantsoa I – Analakely.

Manantitra ny fisaorana sy misaotra sahady amin’ny fiombonana amin’izao asa izao.

« Fa Andriamanitra tsy mba tsy marina ka hanadino ny asanareo » (Hebreo 6.10a)

Ny Komitin’ny AFIFAB

 

 

 

Zoma 11 Aogositra 2017 .

Mandresy  fijaliana ny  vavolombelon’ny  Tompo  

2 Timoty  2.8-13

I Jesoa Kristy  nitsangana  tamin’ny  maty   no vontoatin’ny Filazantsara . Io  no fahamarinana fototra  ho  an’ny  finoana kristiana satria raha tsy natsangana i  Kristy  dia foana  ny  finoana sy  ny  toriteny .

Ny Filazantsaran’ny  fitsanganana amin’ny  maty

1-no hahazakana fahoriana 

Mamerina  antsika  amin’ilay  andro tokana  niaretan’i Jesoa Kristy  ny kapoka , ny latsa, eso , hazo fijaliana ary fahafatesana . Tao Aminy no nianaran’i Paoly ka tonga mpiombona fahoriana amin’i Kristy izy . Tsy nitsangana tamin’ny maty mihitsy i Kristy raha tsy  niaritra ny fahafatesana aloha . Ny Filazantsara  no mampianatra  antsika  hanahaka  an’i Kristy  . Izy  no efa  nitondra fahoriana mihoatra antsika .

2-no miantoka ny famonjena 

Andriamanitra  mahatoky  i Jesoa Kristy ka tsy  mahazo  mandà ny  tenany   momba ny  famonjena . Famonjena no antony nahafatesany ary porofon’izany  ny  nitsanganany tamin’ny maty  . Tsy  nohazonin’ny fahafatesana  Izy  satria Andriamanitra mandresy . Mizara  izany fandresena izany ho an’ny mino  mahatoky  ihany  koa Izy . Izay  nizaka ny fahoriana toa Azy  , dia  ampanantenainy  famonjena  ka hiara-belona Aminy  koa.

Fanontaniana:

Mety ve raha manao  vy very  ny aina (kamikaze) ho  an’ny  Tompo ny mino  ?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM

 

 

 

SAMPATI / Hafatry ny Fihaonambe 2017.

Fisaorana .

Ry Havana,

Fifaliana ho anay mandrakariva ny miarahaba anao amin’ny anaran’ny Tompo Jesoa.

Ny Filoha sy ny Birao Foibe Sampati FJKM dia faly misaotra an’Andriamanitra noho ny fahatanterahan’ny Fihaonambe Nasionaly izay natao tany amin’ny Synodamparitany Mananjary Pangalanes ny 01- 04 Aogositra 2017 lasa teo. Misaotra ny Sampati tsirairay tamin’ny safidy hiaraka  tamin’ny Sampati tamin’izany Fihaonambe izany ary misaotra ny Prezida Synodaly sy ny Synodamparitany, ny Mpitandrina sy ny Fitandremana izay naniraka ny mpamonjy Fihaonambe Sampati.

Mankasitraka anareo tsirairay avy ihany koa tamin’ny fifanomezan- Tànana tamin’ny fikarakarana izany Fihaonambe izany indrindra fa ny Prezida Synodaly sy ny Birao mpiara- miasa aminy ary ny Sampati Synodamparitany Mananjary Pangalanes sy ny Komity mpanomana Fihaonambe. Ilay Andriamanitra manankarem-pahasoavana anie hanonitra ny fotoana sy hery ary fananana lany tamin’ny fikarakarana rehetra.

Dia mirary soa sy ny tsara ho anareo ambany tànam-pahasoavan’ny Tompo izahay.

Amin’ny anaran’ny Birao Foibe Sampati

Ny Filoha

RAKOTOVAO Hajarimiadana, Mpitandrina

 

………………………………………………………………………………………………………………..

HAFATRY NY FIHAONAMBE 2017.

Ry havana,

Ampitomboina ho anareo mandrakariva ny fahasoavan’I Jesoa Kristy Tompontsika.

Isaorana feno Andriamanitra fa tontosa soamantsara ny Fihaonambe Sampati izay natao tany Mananjary ny 01- 04 Aogositra 2017 lasa teo.

Izay manamarika ny hafatra ary dia ny hevitra tapaka taorian’ny Komity Foibe araka izao :

  • Voafidy ho Tonian’ny SAMPATI FOIBE ny Mpitandrina RANDRIAMANANTENA SOLO Jean Jacques Séraphin Jhons na Fandrasa Mikalo izay Filoha Mpanampy teo aloha
  • Voafidy ho Filoha Mpanampy ao amin’ny Birao Foibe Sampati ,ny Mpitandrina RABEMANANDRATRARIVO Lanto Johnson na Jabady Miremby
  • Hankalaza ny Jobily Volafotsy faha- 25 taona nijoroany ny SAMPATI FOIBE ny taona 2018- 2019, ka ny fanokafana dia atao any Mahajanga, ny ivo eto Antananarivo ary ny famaranana dia any Fénérive Est. Ny tsangambato amin’izany dia “ Centre d’ Accueil” eto Antananarivo sy fiara
  • Momba ny Loharanombola maharitra : mikasa hanao Buvette eto amin’ny Foibe FJKM ny Sampati ary hangataka trano iray azo ampiasaina. Manaraka izany dia hamatsy voninkazo ny Fiangonana isan’Alahady sy amin’ny fotoana ilaina izany ary hanao trano fivoahana iray eto Antananarivo
  • Hisy Fihaonambe ho an’ny Filoha Mpanazava sy Tily zanaky ny FJKM; ny Tonia sy Mpiandraikitra; ny Komitim- pivondronana sy Sakaiza ary ny Beazina isan- tsampana. Atambatra any Fénérive Est ny fotoana rehetra ka manana endrika “Lasy Fihaonambe Sampati” sy “Lasy Zaikabe Sampati”. Omena fahefana ny Prezida Synodaly sy ny Synodamparitany Afovoany Atsinanana Vaovao miaraka amin’ny Filoha sy ny birao aryny Sampati synodamparitany mba hanomana dieny izao izany fandraisam- bahiony izany.
  • Araka ny Tombanezaka natao dia tratra ny tanjona tamin’izao Fihaonambe tany Mananjary izao; hoe “ ry Sampati o! vontosy filazantsara ny nosy Madagasikara”. Noho izany dia mitohy amin’ny Sampati isam- pitandremana sy amin’ny Sampati Synodamparitany ny famontosana Filazantsara ny nosy Madagasikara. Aoka tsy ho adinoina ny fanampim- panabeazana momba ny Zon’ny Ankizy izay hampidirina ao anaty fandaharana 2017- 2018.

Koa mirary fahombiazana ho antsika SAMPATI indray amin’ny fanohizana ny fanabeazana SKOTO ato ami’nny Fiangonana, “ mahereza ary ka aoka hitombandahy isika ho an’ny firenentsika sy ny tananan’Andriamanitra ary aoka Jehovah hanao izay sitrapony” (IISam.10, 12)

Tanana havia,

Amin’ny anaran’ny Birao Foibe SAMPATI

Ny Filoha RAKOTOVAO Hajarimiadana, Mpitandrina

Filoha BOEZA Mizara