SEFALA / FJKM CANADA

Sefala Canada

Ny Alahady 21 Mey 2017 lasa teo no nanokanana ireo nahavita ny fianarany tamin’ny SEFALA tany amin’ny FJKM telotrano tany Canada.  Ny FJKM Québec, FJKM Montréal ary FJKM Ottawa no mandrafitra ny FJKM telo trano any Canada.

10 mianadahy izy ireo, ka ny 9 natokana ho mpitoriteny ary ny 1 Katekista izay Ramarolahy José sylvain zanaky ny FJKM Ankadifotsy. 5 mianadahy no avy amin’ny FJKM Québec ary 5 kosa avy ao amin’ny FJKM Montréal. Nandritra ny Tafika Masina no tanterahina tany amin’ny tananan’ny Ottawa sy Gatineau no nanaovana ny fanokanana. Ny mpampianatra azy ireo dia ny Mpitandrina Perline Cooper, nandritra ny roa taona. Ny fianarana dia notanterahina en ligne nandritra izay 2 taona izay.

Hetsika vontosy Filazantsara

ny Malagasy rehetra any Canada 

Ny Tafika Masina indray dia nanantanteraka ilay iraka lehibe hoe vontosy Filazantsara ny Nosy Madagasikara, ny azy ireo kosa indray hoe: “ vontosy Filazantsara ny Malagasy rehetra”. Ny Sabotsy dia fanafiana isan-tokatranon’ny Malagasy izay nanaiky handray ny mpiantafika no natao. Ny alahady 21 mey kosa no sady famaranana ny Tafika Masina no fanokanana azy 10 mianadahy voalaza tetsy ambony.

 Nanangona Veronica A

Oniversity Ravelojaona / Fiche Récapitulative

 

 

DOMAINE MENTION PARCOURS
 

Arts, Lettres et Sciences Humaines

 

 

 

 

 

Théologie

 

Théologie Biblique

Théologie Systématique
Théologie Historique
Théologie Pratique
Missiologie
Sciences Humaines Sociales
Sciences du tourisme Ecotourisme
Tourisme en mission
Sciences de la Société  

 

Sciences de Gestion

Initiation en sciences de Gestion
Pratique de Gestion
Finance et Comptabilité
Management/Commerce et Marketing
 

Droit

Discipline Juridiques de bases
 Droit Privé
Droit Public
Sciences de l’Ingénieur  

Génie Civil et Industriel

Connaissances scientifiques de base
Bâtiments et travaux publics
 

 

Sciences Agronomique

Agriculture
Sciences animales
Transformation Agro-Alimentaire
Agroforesterie
Agro management
Sciences et Technologies

 

 

 

Sciences de la Communication et Multimédia

Tronc commun
Communication et Multimédia
 

Sciences de l’Informatique

Tronc commun
Informatique et programmation
Réseaux et systèmes d’information
Sciences de l’Education  

 

Langue et Lettres Anglaises

Connaissances de base en anglais
Professorat et éducation
Anglais langue étrangère
Traduction et médias
Formation et Recherches Pédagogiques
Sciences de la Santé Infirmier Anesthésiste
  Infirmier Généraliste
  Maïeutique (Sage-femme)
  Technicien de Radiologie

 

Filazana manjo

 

Nodimandry teo amin’ny faha-78 taonany  , ny Alatsinainy 02 Oktobra 2017

RASOAMIALY Juliette 
Renin’ny Tonian’ny Dep.’ny Fiangonana FJKM

Ny nofony dia entina  hiala ao amin’ny B 34 Bis Andafiavaratra Ambohitrarahaba  ny Alarobia 04 Oktobra 2017 , ary ho entina hanomezam-boninahitra an’ Andriamanitra  ao amin’ny FJKM  AMBOHITRARAHABA amin’ny 1 ora tolakandro  alohan’ny hametrahana azy  eny amin’ny fasan-drazany ao Ambohitrarahaba .

« Fa Kristy no anton’ny ahavelomako  , ary ny fahafatesana no hahazoako tombony » Fil 1.21

Oniversity Ravelojaona / Famoronana « Dossiers »

 

ONIVERSITY FJKM RAVELOJAONA

 Koa aza menatra ny ho vavolombelon’ny Tompontsika” (2 Tim. 1 : 8 a)

Dia hataon’I Jehovah ho lohany hianao, fa tsy ho rambony” 5 ( Deot 28: 13)

Préinscription: Fandrotsahana ny Vola 10.000 Ar arotsaka amin’ny Banky:

FJKM ONI
BOA B Antaninarenina
00009 05020 1 100 111 013 773

 

Famoronana “Dossiers”
 Taratasy fangatahana amin’ny anaran’ny “Recteur ny Oniversity”.
 Photocopie ny diploma na Attestation ny Bac.
 Taratasy fandrotsahana vola tamin’ny Banky.

Aterina amin’ny Foibe FJKM Analakely ny taratasy manamarina ny nandrotsahana ny vola tany amin’ny Banky sy ny “Dossier” noforinina , fara-fahatarany ny Zoma 27 Oktobra 2017.

 Tanterahin’ny Mpampianatra ny “Selection de Dossiers”.

 Manomboka ny Alatsinainy 6 Novambra 2017 ka hatramin’ny Zoma 24 Novambra 2017 ny« Inscription : 80.000 Ar.

 Ny Alahady 26 Novambra 2017, tolakandro no ho tanterahina ny fanompoam-pivavahana ho fitondrana am-bavaka ny fisokafan’ny taom-pianarana.

 Ny Alatsinainy 27 Novambra : Fanombohan’ny taom-pianarana.

 Ny Toerana misy ny Sekoly : GILPIN AMPANDRANA.

Talata 03 Oktobra 2017 .

Mahery  vavaka ny vavolombelona marina 

Joda 17. and 23

Taratasy  misy fananarana  ny fiangonana  sy ny kristiana  tsirairay  ao  aminy   ity  . Tsy ankasitrahan’ny  Tompo  ny hanaovantsika  ny fanaon’izao  tontolo  izao  . Fa efa  vita  ny famonjena  nataon’i Jesoa  Kristy  ho antsika teo  amin’ny hazo fijaliana  ka aoka  hatao  ny fivavahana   ao  amin’ny Fanahy Masina .

1-Mahatahiry  ny fitiavan’ Andriamanitra 

« Fa hianareo  kosa , ry malala dia ataovy izay  handrosoanareo  amin’ny finoana  masina  indrindra «  (and 20a)

Rehefa  mahatsiaro  ny hafatry  ny Tompo   isika  ka mahatandrina  ireo didiny  dia  manatanteraka  ny firosoana  amin’ny finoana  izany . Fa lehibe  ny fitiavan’ Andriamanitra  antsika  ka nanomezany an’i Jesoa Kristy  ho Mpamonjy antsika . Izy  no naniraka  ny Fanahy Masina hitarika antsika hivavaka mandrakariva . Aoka handeha araka  ny Fanahy isika ka tsy hisakaiza  intsony amin’izao  tontolo izao    . Ny Fanahy masina nomeny no nampidinany  ny fitiavany ao am-pontsika (Rom 5.5).

2- Mahafaka ny sasany kosa 

« Ary amindrao  fo ny sasany kosa  » (and 22) .Isika mahatsapa  ny famonjena  nataon’i Jesoa Kristy ho antsika ho vavolombelon’ny fivavahana ao amin’ny Fanahy Masina . Araka izany dia mandidy antsika mba hitondra ny famonjeny  ho an’ny hafa koa Izy . Maro  ny fanomezam-pahasoavana  nomeny  antsika ho entina  manatanteraka  izany  . Koa aoka  hazoto  sy handeha  amin’ny fitiavana  izay nitiavan’i Kristy  antsika isika rehetra nametrahany  izao teny izao  .

Fanontaniana:

Inona  no nataonao  handraisan’ny hafa  ny  famonjena nataon’i Jesoa  Kristy ?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM

 

Alatsinainy 02 Oktobra 2017 .

Mahery vavaka ny vavolombelona marina

Filemona 8.21

Mitarika  ny saina  handinika  ny fifandraisana  amin’ny Tompo  izao  miseho  zao  . Nandevozin’ny fahotana  isika  ka rehefa  afa-nandositra  tao  dia noraisiny  sy novolavolainy  tsy ho andevo  fa tena zanaka  . Ny fifamatoram-piainana amin’ny Tompo  no mivoitra eto .

1-Manafaka  amin’ny faharatsiana 

« Eny miangavy  aminao  aho  ny amin’ny zanako » (and10) . Ny fangatahan’i  Paoly  tamin’i Filemona  dia mitovy   endrika  amin’ny fangatahan’i Jesoa teo  amin’ Andriamanitra  Ray  (Jaona 17) . Ny mba  handraisana  ilay efa nania  mba hiara-miasa  ka ho tena  zanaka  mahasoa . Jesoa Kristy  tokoa  no miangavy  mba hahazoantsika  fitoerana  miaraka Aminy  . Tahaka  ny nanafahan’i Paoly an’i Onesimosy tamin’ny maha-andevo  azy  no fanafahan’i Jesoa Kristy  antsika ankehitriny . Aoka  ho mendrika  izany   isika  ka hiala  amin’ny ratsy  sady  hazoto  hanao  ny tsara .

2-Manolo  toerana antsika 

« Koa  raha ataonao  ho namanao  aho  , dia raiso  toa ahy  izy » (and17). Zava-dehibe amin’ny olona nitondra fanamiana ny olona nampiany  . Mpamonjy antsika i Jesoa Kristy  ka tsy mahafoy  antsika  olona novonjeny .Eny  , ny Rany  mihitsy   no nomeny hisoloana antsika teo  amin’ny hazo fijaliana . Tonga olona afaka isika ary mbola tiany hiray toerana Aminy amin’ny fandovana ny fanjakan’ Andriamanitra . Mirosoa àry ho vita fihavanana Aminy  isika  ka hanana  ny fifamatoram-piainana amin’ Andriamanitra isanandro  . Izany no fivavahana  marina  eo anatrehany  .

Fanontaniana:

Ahoana  ny fahatsapanao  ny fisoloana  sy   ny fanafahan’i Jesoa Kristy   anao  teo  amin’ny hazo fijaliana ?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM

 

Alahady 01 Oktobra 2017 .

Mahery vavaka ny vavolombelona marina 

1 Samoela 1.19-28

Milaza  faharetana  mivavaka sady fanatonana ny Tompo  Andriamanitra amin’ny fo  tokoa  ny Mofonaina androany . Misy toe-panahy  mendrika halain-tahaka amin’izany  dia ny fivavahana  madio  avy   ao am-pon’ny mino .

1-Mihevitra fanomezana ho an’ny Tompo

« Ary nifoha  maraina koa izy ireo  ka nivavaka  teo anatrehan’i Jehovah » (and19). Hana  dia vehivavy  naharitra nitondra ny alahelony  teo anatrehan’ Andriamanitra noho izy tsy niteraka  sady nenjehin’ny rafivaviny  (and6). Nivavaka  tamin’ny fo madio  izy  ary tsy mba zanaka  ho mpandova no notadiaviny  fa zanaka hatolotra  ho an’ny Tompo  . Mpivady  miara-mivavaka  maraina no mendrika tahafintsika eto . Aoka  hanome  ny zanantsika ho an’ny Tompo isika fa tsy   ho  nanao fanekena  foana  tamin’ny nanaovam-batisa azy ireny . Mazava  fa manome zanaka  na dia ho an’ny momba  aza Andriamanitra .

2-Manefa  ny voadiny amin’ny Tompo 

« Koa atolotro  ho an’i Jehovah kosa izy » (and28). Miharihary  ny herin’ny vavaka  nataon’izy mivady  . Mifampidinika  izy  amin’ny fanefana ny voady  natao  ka hita soritra eto  ny fifanarahan-tsaina ao  amin’izy ireo  sy ny fifankatiavany . Tsy tokony  hanimba  velively  ny fifandraisan’ny mpivady  araka izany  ny fahamombany  . Fa vao mainka  aza mafy  orina  tahaka  izao nataon’i Elkana  sy Hana izao  . Isika koa  , aoka hihevitra fanomezana ho an’ny Tompo  dia ny  fanolorantena  madio  ka manatanteraka izay voady natao .

Fanontaniana:

Inona  no toetra  tokony  ho tànantsika eto ?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM