Talata 19 Desambra 2017.
Vavolombelon’ny fitiavany ny Tompo
Isaia 63.7-9
Izay tokony hataon’ny olona efa novonjena
Nanaiky ho faty teo amin’ny hazo fijaliana Kristy mba hamonjena antsika ka hananantsika anjara amin’ny fiainana mandrakizay . Inona kosa àry no tokony hataontsika , raha izany ny fitiavany antsika ?
1- Manambara ny famindrampony (and7)
Andeha isika hanao tahaka ny mpaminany ka hanmbara hoe: « ny famindrampon’i Jehovah no hambarako dia ny fiderana an’i Jehovah araka izay rehetra nataony tamintsika ». Mamindra fo sy miantra ny Tompo , maharipo sady be famindrampo Izy ka tsy mitahiry fahatezerana mandrakizay . Tsy manao antsika araka ny fahotantsika Izy , ary tsy mamaly antsika araka ny helontsika . Sambatra izay rehetra manantena Azy , fa hamindra fo aminy Izy .
2- Manambara ny famonjeny (and 8)
« Fa hoy Izy :oloko tokoa ireo , dia zanaka tsy mba handainga , ka dia tonga Mpamonjy azy Izy » . Tamin’ny fahoriany rehetra dia niory koa Izy ary ilay anjelin’ny tavany no namonjy ireo . Ny fitiavany sy ny famindrampony no nanavotany azy sy nivimbinany azy ary nitondrany azy tamin’ny andro taloha ela rehetra (and9). Izany no fitiavan’ Andriamanitra antsika . Mpamonjy mora azo amin’ny fahoriana Izy . tokony hotsarovana koa anefa fa mpitsara ny ratsy fanahy sy ny mafy hatoka Izy . Koa aoka isika hibebaka , satria izay mibebaka marina tokoa no handray izany famindrampo sy ny famonjeny izany .
Fanontaniana:Efa nandray an’i Jesoa ho Tompo sy Mpmaonjy anao tokoa ve ianao?Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM