Alatsinainy 18 Desambra 2017.

Vavolombelon’ny fitiavany ny Tompo Jaona 15.9-16

Tia antsika  Jesoa 

1-Tahaka  ny nitiavan’ny Ray  Azy (and9)

Isika olombelona  dia mahalala  tsara   izany   atao hoe: fitiavan-janaka izany  . Foin’ny ray aman-dreny  ho an’ny zanany  avokoa  izay rehetra  ilainy   ka mahasoa  azy  , ary na  dia maditra  aza izy ireny   dia hoy  ny fiteny : » Ny zanaka  no mahafoy  ray aman-dreny  , fa ny ray aman-dreny tsy mahafoy zanaka … ». Tsy takatry  ny saintsika  fa ambony  lavitra  noho  izany  ny fitiavan’ Andriamanitra .Tsy  misy   fitiavana  ambony   sy mahery  tahaka  ny fitiavan’ Andriamanitra ny zanany lahitokana  . Toy izany fitiavana izany  no itiavan’i Jesoa antsika  .Tia antsika i Jesoa na dia tsy mahate- ho tia aza isika noho ny fahotana vitantsika , nahafoy ny ainy ho antsika Izy mba hahatonga  antsika ho tena zanak’ Andriamanitra  tokoa  ka  ho mpiara-mandova Aminy  ao amin’ny fanjakan’ny lanitra .

2-Nandray antsika  ho sakaiza Izy (and 14,15)

« tsy hataoko  hoe mpanompo  intsony ianareo  , fa ny   mpanompo  tsy mahalala  izay  ataon’ny tompony , fa efa  nataoko hoe: sakaiza  ianareo , satria  izay rehetra reko  tamin’ny Raiko  no nambarako  taminareo » (and15). Efa  nambaran’ny Tompo antsika avokoa ny aoa am-pony . Izany no fitiavana tonga lafatra  izay anjaran’ny sakaizan’i Jesoa . Raha mifankatia isika , dia tonga mpianatry  ny Tompo tokoa ary tena sakaizan’i Jesoa Izy , izay  nifidy antsika kosa dia hanome  antsika izay rehetra angatahintsika amin’ny Ray  na inona na inona .

Fanontaniana: 

Manjaka ao  amin’ny fiainan’ny samy kristiana tokoa ve ny fifankatiavana ?Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Alahady 17 Desambra 2017 .

Vavolombelon’ny fitiavany ny Tompo

Hosea 11.1-4

Miahy antsika ny Tompo

1-Ray be fitiavana Izy ( and 1-3)

Oharina amin’ny fitiavan’ny ray ny zanany ny fitiavan’ Andriamanitra ny zanak’ Isrely . Izy Tompo mihitsy no milaza hoe: « fony mbola zaza Israely dia tiako izy , ary nantsoiko nila tany Egypta ny zanako” (and1) . Izy mitrotro ny zanany . Etsy ankilany kosa , Israely dia tsy mahatsapa izany ka minia manalavitra Azy sy miodina Aminy ary manompo andrimanikafa . Tsy hafa amin’izany isika : Andriamanitra dia nampiseho ny fitiavany antsika ka nanafaka antsika tamin’ny fanandevozan’ny fahotana ary nanangana antsika ho zanaka tamin’ny alalan’I Jesoa Kristy . Matetika anefa isika no tsy mba mahatsapa izany akory ary minia mandositra ny tavany .

2-Tompo tsara fanahy Izy (and 4)

Tamin’ny kofehy fitarihana olona no nitarihako azy dia tamin’ny mahazakan’ny fitiavana” . Eto dia hita miharihary ny fitiavana sy ny hatsaram-panahin’ny Tompo , ka na dia miodina aza ny zanany , Izy kosa mitarika azy sy mamerina azy am-pitiavana ka manolo-kanina ho azy . Tsara fanahy ny Tompo ka mitaona antsika am-pitiavana indray anio mba hiverina Aminy , sady manainga antsika mba handray ny teniny .

Fanontaniana :

Inona no antony mahatonga ny olona hanompo andriamaninkafa ?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Zoma 15 Desambra 2017 .

Vavolombelon’ ny  fitiavany  ny Tompo 

Isaia 60.10-17

Ny vokatry   ny famindrampo  sy
ny fitiavan’ Andriamanitra 

Maro  ireo  endrika   manaporofo  ny fitiavana  sy  ny famindrampon’ ny Tompo  . Araka  ny Isa 60.10-17 dia ireto  no santionan’izany .

1-Hampidirina  ho ao aminao  ny haren’ny firenena  sy ny mpanjakany  izay voababo  (Isaia 60.1)

Efa voasoratra  fa : »An’i Jehovah ny tany   sy izay   rehetra  ao Aminy   » . Efa  nampanantena  fandresena  ny Mpamonjy .. Hoy izy  hoe: « Matokia , izaho efa naharesy  izao tontolo izao ». Tsy  vitan’izany ihany  fa« manoatra  noho  ny mpandresy isika » (Rom 8.37) . Afaka  misitrika  ireo  fitahiana sy fahasoavana  omen’ny Tompo ireo isika . Ny  fepetra  omeny  dia mazava  : katsaho   aloha  ny fanjakany  sy ny fahamarinany .

2-Ny fiadanana  no hataoko  fanapahana  anao  , ary fahamarinana  no ho mpampiasa anao (Isa 60.17)

Ny teny  hoe: « fiadanana »  dia iray tarika  amin’ny hoe: « fandriampahalemana ». NY olona  miaina  amin’ny fiadanana  dia lavitry  ny fanahiana . Milamina  ny fifandraisany  amin’ny manodidina  . Vita fihavanana amin’ny Tompo  izy. Ny andininy  faha 14 aza  dia  maneho  fa  « handeha  hiondrika  eo anatrehanao  izay nampahory  sy nanamavo  anao » . Fandresena  miezinezina izany .

Fanontaniana:

Vakio  ny Isaia  60.10 ka tsoahy  avy amin’izany  ny fanalahidin’ny fandresena  ho an’ny mpino .

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM

 

Alakamisy 14 Desambra 2017 .

Vavolombelon’ny fitiavany ny TompoAlakamisy 14 Desambra 2017

Titosy  3.3-7
Ny  mampiavaka  ny olona ateraka  indray 

Fantatsika  fa  ny olona  ateraka indray  dia tonga  olombaovao  , miaina  ny fiainam-baovao  . Afaka mijoro  ho vavolombelona  satria . « Efa  lasa  ny zavatra taloha »  . Olona  nandray   fanapahankevitra  hampandroso  an’i Jesoa  ka   mampiditra azy ao  am-pony  (aPo  3.20) .

1-Misitraka  ny  famindrampon’ny  Tompo tamin’ny fanasan’ny fiterahana indray  sy ny fanavaozan’ny Fanahy masina  (Tit 3.5a) .Mazava  eto  fa tsy  any amin’ny asa  na ezaka  ataontsika  izany   fa noho  ny famindrampon’ Andriamanitra .

2-Ny olon’izao tontolo izao  kosa  , izay mbola  mandeha  ao amin’ny aizina dia mbola  andevon’ny filàna sy ny fahafinaretana maro . Miaina  amin’ny fanakahalana , mora voafitaky  ny devoly  ary diso làlana matetika . Tsy manana  fanantenana ary mizotra amin’ny fahaverezana . Tsy mety  mandray  ny fanavaozana  avy amin’ny Tompo  Jesoa Kristy . Lavitry  ny fiovampo . Mila mandini-tena  ny olona toy izany , mila miaiky  ny fahalemeny  sy ny fahotany , mibebaka sy manolo-tena ho an’ Andriamanitra , manaiky  ny famonjena  vitan’i Jesoa Kristy  teo amin’ny hazo fijaliana , mandray fanapahankevitra hizotra  amin’ny fiainambaovao.

Fanontaniana:Inona  avy ireo  mampiavaka  ny olona  ateraka indray ?Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM 

Filazana Manjo

Nodimandry teo amin’ny faha-79 Taonany

Ramatoa Bodo RAMAMBASOA Florentine

(Mama Bodo )

Ny  Alatsinainy 11 Desambra 2017  maraina .

 Holazaina manaraka eto ihany ny fandaminana rehetra momba izany arakaraka ny fivoaran’ny vaovao voaray . Maniry fampiononana feno ho an’ny zanaka aman-jafy, ny fianakaviamben’ny FJKM  sy ny mpiara-manompo rehetra.

« Iza no hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’i Kristy ? Fahoriana va … ? .. fa matoky aho fa na fahafatesana  na fiainana …dia tsy hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’ Andriamanitra izay ao amin’i Kristy  Jesoa Tompontsika . »Rom 8.37-39

Alarobia 13 Desambra 2017 .

Vavolombelon’ny fitiavany ny Tompo

Ohabolana 3.1-1-12

Ireo  fitahiana , fahasoavana , fitiavana omen’ny Tompo  antsika

1-Tombonandro :

« Fa  andro maro  sy taona  ela iainana  ary fiadanana  no hanampiny ho anao ».Izany   teny fikasana  izany   dia tanterahan’ ny Tompo  amin’izao  fisitrahantsika  ny andro anio izao .

2-Famindrampo :« Aoka  tsy handao  anao ny   famindrampo  sy ny fahamarinana »(Oha 3.3). Izany  famindrampon’ny Tompo izany  no tsy mahalany  ritra antsika.3-Fitiavana ,fahalalana tsara

« Ka dia hahazo  fitia  sy fahalalana tsara  eo anatrehan’ ny  Tompo  sy ny olona  ianao » (Oha 4.4).Mifampiankina  amin’ny fisitrahana  ny famindrampon’ny Tompo  ny fahazoana  eo anatrehany  sy anatrehan’ny olona .

4-Filaminana :« Fa Izy handamina ny làlanao » (Oha 3.6b). Mirindra  daholo  izay atao rehetra , rehefa  ny  Tompo  no mandamina azy .5-Fitahiana :

« Ka  dia ho feno  mitafotafo  ny fitoeram-barinao «  (Oha 3.10) .Sitraky ny  Tompo ny hanatanterahany   ireo  tsodrano  voalaza  ao  amin’ny Deo  28.8 ho antsika .

Fanontaniana :Jereo  ny Oha 3.1-12 , ka fantaro  ireo fikasan’ Andriamanitra  efa tanteraka  aminao ankehitriny.Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Filazana avy amin’ny Gazety Marturia.

FILAZANA

Ilazana ianao mpamaky, fa ny  laharana 873   no  farany amin’ny gazety Marturia Vavolombelona amin’ity taona 2017 ity. Ny Alakamisy 11 Janoary 2018 indray no hivoaka ny laharana manaraka (Lah.874).

Misaotra Tompoko!

SEFALA / Fanentanana

 SEKOLY FANOMANANA LAIKA FOIBE (SEFALA)Ho aminao ny fiadanan’ny Tompo!

Manentana antsika mba hahatsiaro ny Alahadin’ny SEFALA amin’ny  Alahady 31 Desambra 2017. Misy ny fandaharana Iombonana azonao raisina ao amin’ny Foibe FJKM ho an’izay mbola tsy nahazo.

Marihana fa efa misy Mpitoriteny sy Mpiandry ary Katekista efa navoakan’ny SEFALA avokoa any amin’ny isam-piangonana FJKM rehetra, koa tohany amin’ny alalan’ny vavaka sy Rakitra ny SEFALA Foibe ho voninahitr’Andriamanitra.

Fanazavana ny Perikopa Des 2017.

Vavolombelon’ny fitiavany ny Tompo.

Ny perikopa amin’ny Alahady faha 17 sy 24 desambra 2017 no atolotra eto.

Amin’izany dia tsy hiala ny lohahevitry ny volana no hijerena izany. Noho izany, ny fitiavan’Andriamanitra ny olona no ivon-tsoratra Masina jerena. Io fitiavany io no miantoka ny fanamarinana ny olona ho afaka amin’ny fanamelohana, satria ny asa aman’andraikitry ny vavolombelona dia ny hanafaka ny olona amin’ny fanamelohana ho avy. Tsy hafa izany fa ny fitiavan-kamonjy ny Fiangonana, ho afaka amin’ny fanamelohana no tena fitiavana.

Hosea 11, 1 4 : Ny fitiavan’Andriamanitra dia asehony amin’ny tsy fivadiham-pitiavany, ka na dia maditra aza ny Fiangonana dia tsy miova ny fitiavany azy. Amin’izany, ny fitiavana dia mikendry famonjena: manala ny Fiangonana ao anatin’izay manandevo azy, manasitrana ka manarina ny fahadisoan’ny Fiangonana, mitarika ny Fiangonana ho ao amin’ny tena fiainana.

II Tantara 9, 3- 8 : Ny fitiavan’Andriamanitra no anolorany ny fahendrena ho an’ny Mpitondra. Io Fitiavan’Andriamanitra manome fahendrena io dia taratra eo amin’ny firindràn’ny filaminan’izay manodidina azy andaniny ary ankilany ny fahasambarana iainan’ny vahoakany.

Jaona 15, 9- 16 : Ny fitiavana no ivon’ny didy nomen’Andriamanitra ny Fiangonany. Io didy io no fototra iorenan’ny fifandraisana (mampifandray an’Andriamanitra Ray sy ny Zanaka, ary mampifamatotra ny Zanaka sy ny Fiangonana), ka ny firindràny no porofom-pitiavana. Io didy io no fototra iorenan’ny fifaliana izay mitondra ho amin’ny fahafoizana ho an’ny hafa.

Jaona 3, 16- 21 : Ny fampanantenana ny Fanjakan’Andriamanitra ho antsika no anehoany ny fitiavany ny Fiangonana. Koa ireto no loharano miantoka ny ho fahatanterahany : Andaniny, i Jesoa Kristy, Zanaka malalan’Andriamanitra no mamonjy izao tontolo izao. Ary ankilany, ny fandraisana an’i Jesoa Kristy ho lalam-pamonjena (ka mitondra ny Fiangonana ho amin’ny finoana) no isitrahana ny fitiavan’Andriamanitra manolotra ny fanjakany ho an’ny Fiangonana.

Efesiana 3, 14- 21 : Paoly Apostolin’ny Jentilisa dia mino sy manaiky fa noho i Jesoa Kristy dia tonga mitovy, samy mandova, mira, ny fanjakan’Andriamanitra, na ny Jiosy na ny Jentilisa. Izany no antsoiny ho fahasoavan’Andriamanitra izay endrika isehoan’ny fitiavany. Koa ny fahasoavan’Andriamanitra no mampifandray ny olona amin’Andriamanitra (toa an’i Paoly mifandray amin’Izy Andriamanitra amin’ny alalan’ny vavaka ataony, aseho amin’ny endrika fitsaohana). Ny fahasoavan’Andriamanitra no mitarika ny Fiangonana hahay hankalaza an’Andriamanitra.

II Tesaloniana 2, 13- 17 : Andriamanitra fitiavana no mamonjy ny olona eo anoloan’ny fitsarana amin’ny ho fihavian’ny Tompo indray. Amin’izany, ankilany, ny famonjena dia vokatry ny asan’ny Fanahy Masina ao amin’ny olona. Fa andaniny kosa, ny famonjena dia fanekena an’i Jesoa ho Tompo ka miteraka fanoavana (mampitoetra tsara amin’ny finoana) sy fahavitrihana hanompo Azy sy ny Fiangonana noho ny hery raisina avy aminy.

Ho an’Andriamanitra irery ihany anie ny voninahitra.

RAKOTOZANANY Andrianirinomena Jules, Mpitandrina