Alatsinainy 01 Janoary 2018 .

Manapaka amin’ny fahefany ny Tompo

Genesisy 28.10-17

Manapaka amin’ny fahefany ny Tompo ka

1-Miseho amin’ny fomba tsy ampoizina

Nandeha làlan-davitra i Jakoba avy any Beri-Sheba ho any Harana . Tratra alina teny an-dàlana izy ka dia natory ary naka vato nataony ondana .Niseho taminy ny Tompo tamin’ny alalan’ny fahitana amin’ny nofy : tohatra lava nampitohy ny lanitra sy tany ary nisy anjely niakatra sy nidina tamin’izany . Amin’ny mpanompon’ Andriamanitra manana firaisana Aminy akaiky dia toerana tsy mifanalavitra izany , azo hifamezivezena . Tsaroany hatrany ny fanatrehan’ Andriamanitra ny fiainany na dia any amin’ny toerana mangina sy lavitra tsy ahitana na iza na iza aza . Azony antsoina raha misy manjo azy, azony hitarainana raha tojo ny sarotra sy ny manahirana  .Tsy vitan’ny miseho fotsiny Andriamanitra fa miteny sy milaza ny ao am-pony amin’ny mpanompony .

2-Miteny amin’ny fahefana

Nanambara tena tamin’i Jakoba mpanompony Andriamanitra sady nanamafy taminy indray ny fianianana efa nataony tamin’i Abrahama sy Isaka mpanompony . Fanolorana ny tany izay nitoerany tamin’izany fotoana izany , fanomezana taranaka marobe tahaka ny vovoka handrakotra ny vazantany efatra . Izany dia hosaronan’ny fitahiana feno sy mitafotafo . Tsy mijanona eo amin’izy mianakavy ihany izany fa ny firenena manodidina , eny izao tontolo izao mihitsy aza dia hisitraka izany fahasoavana sy fitahiana avy amin’ Andriamanitra izany .Mbola nampian’ny Tompo teny fanomezan-toky amin’ny fombàny sy ny fiarovany azy izany teny feno fahefana izany ka naharesy lahatra tanteraka an’i Jakoba fa toerana masina io nijanonany io satria nihaonany tamin’ny Tompo.Ny toerana rehetra hihaonantsika amin’ Andriamanitra ka handraisantsika ny Teniny dia toerana masina . Hoy i Jakoba : « …tsy hafa ity fa fa tranon’ Andriamanitra sy vavahadin’ny lanitra » Gen 28.17

Fanontaniana :

Ahoana ny fomba hahalalanao ny sitrapon’ Andriamanitra eo amin’ny fiainanao manokana ?

Sah

 

Alahady 31 Desambra 2017.

Vavolombelon’ny fitiavany ny TompoDeoteronomia 7.6-8

Izay  mampiavaka ny  firenen’ Israely 

1-Firenena masina (and6)

Voatokana ho  an’ Andriamanitra ny dikan’ny  hoe: masina . Andriamanitra no efa nifidy sy nanamasina azy  ireo  ka tokony  hotehiriziny hatrany izany  . Tsy  tokony hanahaka ny fomban’ny jentilisa manodidina  azy  izy ireo  , indrindra  fa rehefa  tafiditra  any amin’ny tany   izay nampanantenaina  ho  lovany  . Izany   koa  no hafatra  ho antsika amin’izao  fotoana faramparany  mialohan’ny hiatrehana  ny taona vaovao  izao  : voatokana  ho an’ Andriamanitra  isika . Koa fadio  ny fanao ratsy  rehetra . Aza mianatra ny fanaon’izao  tontolo izao  , fa sahia  mijoro  ho vavolombelon’ny Tompontsika . « …fa ianao  efa nofidin’i Jehovah Andriamanitrao  ho firenena  rakitra  soa  ho Azy  mihoatra  noho ny firenena rehetra  ambonin’ny tany  » .

2-Notiavin’i Jehovah (and7,8)

Tsy miankina  velively  tamin’izay  nataon’Israely  ny fitiavan’ Andriamanitra  azy ireo  fa Izy  no  mitana   ny teny fampanantenana  nataony  tamin’ny razambeny sy ny nanavotany azy  tamin’ny trano  nahandevozana . Tia antsika Andriamanitra ka naniraka  ny zanany  ho avotra noho ny fahotantsika . Tsy  miankina  velively  tamin’ny hatsarana  na ny soa  vitantsika izany fitiavany izany   fa safidiny samirery .

Fanontaniana:

Inona  no antony  nifidianan’ny  Tompo  anao ?Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Hafatry ny Filoha / Faran’ny taona 2017.

HAFATRA FARAN’NY TAONA

«  Mampianara anay hanisa ny andronay

Hahazoanay fo hendry » (Sal.90.12)

Fo hendry mahalalafa mandalo sy miserana’reo zava-maro manadalaTsisy azo ianteherana,ka tsy anorenana ny fo,tsy ivarotana fanahyfa tena zava-mora lomitaky fahasahia-mandà. Fo manam-pahendrenaTsy hambotry firenena! Fo hendry, tena hendryFo hendry fa nahayNikatsaka sy nahakendryNy Doria Mandrakizay!IRAKO ANDRIAMAHAZOSOA Ammi, MpitandrinaFilohan’ny FJKM 

Sabotsy 30 Desambra 2017.

Vavolombelon’ny fitiavany ny Tompo Efesiana  5.1-2

Mijoroa  ho vavolombelon’ ny Tompo 

1-Aoka hanahaka an’ Andriamanitra « Koa  amin’izany   dia aoka hanahaka an’ Andriamanitra ianareo  tahaka ny zanaka malala » (and1)

Natao  hanahaka an’ Andriamanitra  ny olona . Io fanahafana an’ Andriamanitra  io  no toerana misy antsika  fony  mbola  tsy tafiditra  ny fahotana. Tian’ny Apostoly hotsiahivina eto izany  mba hahatonga  antsika  ho amin’ny fahariana vaovao (Efes 4.23,24). Ny  fitondrantenan’i Jesoa  Kristy  no modely  tokony  halaintsika tahaka , tsy mandainga , tsy mba manana lolompo , malemy fanahy , miantra  sy mamela heloka (Efes 4.25-32). Tokony  hanahaka  an’ Andriamanitra  isika  amin’ny fahamarinana  sy amin’ny fahamasinana  amin’ny fitondrantena rehetra .

2-Mandehana  amin’ny fitiavana 

Ampianarina koa isika  mba handeha  amin’ny fitiavana , ka  ny fitiavan’i kristy  no halain-tahaka , indrindra fa Izy  nanolotra  ny tenany  natao  sorona  ho  fanavotana ny hafa . Izany  dia araka  izay efa  nolazainy  tamin’ny mpianany hoe: »Tsy manana fitiavana  lehibe  noho izao  dia ny manolotra  ny ainy  hamonjy ny sakaizany « (Jao 15) . Ny   mpino  izay efa anahatsapa ny famonjena noraisiny  sy ny fitiavan’ Andriamanitra azy no ho afaka  mandeha  amin’ny fitiavana , ka ho tia  an’ Andriamanitra sy ho tia ny namany , eny ho tia  ny fahavalo aza . Tokony hanjaka  eo  amin’ny fiombonan’ny mpino   ny fifankatiavana .

Fanontaniana:

Mbola  misy  olona  tsy mifankatia ve ao am-piangonana ?Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM 

Zoma 29 Desambra 2017.

Vavolombelon’ny fitiavany  ny  Tompo 2 Tantara  9.3-8

Ny  fahendrena avy amin’ Andriamanitra

1-Miseho ho hita ety ivelany 

Ny trano  izay nataon’i Solomona  , ny hanim-pihinany   teo  amin’ny latabatra  ,  ny fihetsika sy ny fitafian’ny mpanompony , ny ambaratongan-tohatra  iakarana  ho ao an-tranon’i Jehovah (and6). Ireny rehetra ireny  dia nampiseho  tamin’ilay mpanjakavavy  fa tena  manam-pahendrena  mihoatra  lavitra   noho izay  efa nambara taminy tokoa  izy . Ny lesona  ho antsika  amin’izany  dia izao : tokony  ho hita  taratra  amin’ny fitondrantena  asehontsika  ny maha- kristiana  antsika  mba ho fijoroana  ho vavolombelon’i  Jesoa Kristy  amin’ny fiteny  , amin’ny fitafy , amin’ny sakafo  fihinana , amin’ny fitondrantenan’ny ankohonana  amin’ny fivavahana .

2-Mampiseho   ny fitiavan’ Andriamanitra 

Niaiky   ny fahendrena  nananan’i Solomona ilay  mpanjakavavy   ka nisaotra   an’ Andriamanitra . Tsapany  koa fa noho  ny fitiavan’ Andriamanitra  ny Israely  no antony nametrahana an’i Solomona  ho eo   amin’ny seza fiandrianany  , mba hikendry  izay hahasambatra  ny vahoaka entiny  … » Noho  ny fitiavan’ Andriamanitra  an’Israely  ka hampitoetra azy mandrakizay  no nanaovany  anao  ho mpanjakany  mba hanao  fitsarana  sy  fahamarinana » (and 8b) . Misy  antony  ho fanasoavana  ny hafa  ireny  fanomezam-pahasoavana  omen’ny  Tompo  antsika ireny  .

Fanontaniana:

Misy akony  eo  aamin’ny fiainan’ny  manodidina   ve ny fahendrenao ?Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM

2017/12/29

Vavolombelon’ny fitiavany ny Tompo