FFKM / Herinandro Fiaraha-Mivavaka 2018.

 

« Tompo ô  , malaza  ho mahery  ny tànanao ankavanana » Eks 15.16 DIEM

Noho ny fahatongavan’ny Herinandro Fiaraha-Mivavaka  ho amin’ny Firaisan’ny Kristianina manerana  ny tany   sy eto Madagasikara ,

Ny Filoham-piangonana efatra mirahalahy  :

-Mgr RAZANAKOLONA Odon Marie Arsène ( EKAR)

-Mgr RANARIVELO Samoela Jaona (EEM)

-Atoa IRAKO ANDRIAMAHAZOSOA Ammi , Mpitandrina  (FJKM)

-Pastora Dr RAKOTONIRINA David (FLM )

dia faly  manasa  anao/anareo

hanatrika ny Fanompoampivavahana iraisam-pinoana izay hotanterahina ao amin’ny FLM 67 Ha  ,amin’ny Alahady 21 Janoary 2018  ,amin’ny 3ora  tolakandro.

 » …mba ho iray izy rehetra …mba hinoan’izao tntolo izao  fa ianao no naniraka Ahy »  (Joh 17.21 DIEM)

Vavaka ho an’ny traboina

 

 FANASANA   sy  ANTSO 

Ho fiombonana amin’ireo mpiray tanindrazana amintsika tratry ny voina noho ny rivodoza AVA sy ny tondra-drano  dia  antsoina isika rehetra mpianakavin’ny finoana ho tonga amin’ny Fanompoampivavahana fitondrana amam-bavaka ireo havantsika ireo  sy hanangonantsika izay fointsika ho fanomezan-tànana sy fanampiana  .

Izany dia hatao ao amin’ny FJKM Katedraly Analakely , ny Alarobia 17 Janoary 2018, amin’ny 12 ora sy sasany .

Fa voasoratra hoe : « Araka izay efa nataonareo  tamin’ny anankiray  amin’ireto rahalahiko  kely indrindra ireto  no nataonareo tamiko » Matio 25.40

Misaotra sy mankasitraka mialoha antsika rehetra .

Talata 09 Janoary 2018.

Manapaka amin’ny fahefany ny  Tompo Jaona 1.29-34

Herin’ Andriamanitra  mamonjy  antsika i Jesoa 

1-Mpamonjy  araka ny filazan’ny Soratra masina 

Tamin’ny fotoana nihaonan’i Jaona mpanao  batisa  tamin’i Jesoa  dia notondroin’i Jaona Izy , mba ho  fantatry  ny mpianany koa: » Indro  ny Zanakondrin’ Andriamanitra  izay manaisotra  ny fahotan’izao tontolo izao « . Zanakondrin’ Andriamanitra ? Sary roa  no ambara amin’izany   ao  amin’ny Soratra masina : zanakondry  nanaiky  hijaly hamonjy   ny olona (Isaia  toko 52-53) sy ny zanakondrin’ny Paska  (Eks 12) izay  novonoina  mba hahazoana  manafaka  sy mamonjy   ny olona tamin’ny fanandevozana . Koa Mpamonjy  voalazan’ny Soratra masina i Jesoa  . Fantaro  sy diniho ny Soratra masina  dia ho fantatrao  marina  ny antom-pahatongavan’i Jesoa . Mahadiso hevitra  antsika ny tsy fahalalana  ny Soratra masina  ary atahorana   ho diso fandray  an’i Jesoa  koa isika  raha tsy  miezaka  hahalala  sy hamantatra ny Soratra masina .

2-Andriamanitra  manatona   sy  miseho amin’ny olona

« Ary i Jaona  nahita  an’i Jesoa  avy nanatona  azy » (and29). I Jesoa nanatona  an’i Jaona . Andriamanitra   manatona  nyn olona   tokoa  ny  Andriamanintsika . Miavaka  noho ny andriamanitry ny fivavahan-tsamihafa  ny an’ny kristiana , fa tsy  mba Andriamanitra tadiavina na karohina fa manatona sy manakaiky  ny olona . Tsy  mba Andriamanitra misonanina  sy mitoetra  any amin’ny toerana avo  fotsiny Izy ; ka  tsy   maintsy    mankany   vao mihaona Aminy . Amin’izany  fombany sy toetrany  izany  no hanehoany  ny heriny sy ny fahefany  ary ny maha-Izy  Azy . Fantaro  izany   mba tsy hahadiso  finoana  anao  ka hahazoanao  miteny  hoe: « Fantatro  izay inoako » 

Fanontaniana:Inaona  avy ny fomba  hahalalantsika  marina an’i Jesoa ?Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Hafatry ny Filoha / Taombaovao 2018

“Avelao ihany izy amin’ity taona ity … hasiako zezika; angamba mbola hamoa izy; fa raha tsy misy izany, dia hokapainao ihany” (Lio.13: 8-9)

Andriamanitra ô, misaotra!
Hoy ny vavakay miloatra
Avy anaty lalina any,
Fa tsy mbola nety lany
Ny indrafonao tsy hay takarina
Ka izao dia he santarina
Izao taona vaovao
Izay ankinina Aminao!
Ho taona tena hihavaozana;
Fa ianao, JESOA, no asandratra
Ho hany fototra hahasambatra!

Des.2017

IRAKO ANDRIAMAHAZOSOA Ammi ,Mpitandrina
Filohan’ny FJKM

Alatsinainy 08 Janoary 2018.

Manapaka amin’ny fahefany ny  TompoAsan’ny Apostoly 20.17-21

Asehoy  ny hery entin’ny  Tompo  miasa 

1-Mahaiza  mandrindra sy mandamina  ny asa 

Maika  hamonjy  an’i Jerosalema  ny Apostoly  Paoly   hitondra ny rakitra   sy fanampiana  avy amin’ny fiangonana  tany Azia . Maika  izy  satria  nikasa  hamonjy  Pentekosta  any Jerosalema (vakio  and16). Tsy   afaka  nandalo  tany Efesosy  intsony  , araka ny fikasany  izy , noho  ny fahamehany  ka nampiantso  ny Loholona , rehefa  tonga  tao Mileto  (and17). Hain’i Paoly  ny nandamina ny asa , arakaraka ny zava-misy. Rehefa  nampanantsoiny  ny loholona dia tonga  tao aminy .Fahaiza-mandrindra sy mandamina izany . Hita  koa fa neken-teny  i Paoly  , noho ny amin’ny Tompo , ary  nanana  ny fahefan’ny Tompo izy .

Koa mahaiza  mandamina  sy mandrindra  ny asa sy fotoana , fa hahazoana  mitaratra  ny hery  entin’ny Tompo miasa izany . Mampiasa  antsika Izy  ka manome  antsika  hery  sy fahefana ho enti-mandrindra sy mandamina  ny asa isehoan’ny Voninahitr’ Andriamanitra . Asehoy   izany eo   amin’ny asam-piangonana sy ny asanao andavanandro.

2-Tsarovy  fa hery  tanterahina  amin’ny fahalemena izany 

Nananatra ireo loholona  , mpiara-miasa taminy  tao Efesosy  i Paoly  , ka nilaza  ny fomba entiny  mitory  Filazantsara  sy  manompo  (and19-20). Nasehony  fa nataony  tamin’ny fanetretena  sy tamin-dranomaso  izany  , satria be ny fakampanahy  sy ady atrehany  . Tsy làlana  mora , na tsotra  no izoran’ny mino  , fa ahitana   adin-tsaina  amam-panahy  , zava-manahirana  sy  ranomaso . Tamin’izany  no nahombiazan’i Paoly , satria  afaka  nampibebaka ny olona rehetra  izy . Tanterahin’ny Tompo  amin’ny fahalemena ny heriny .

Fanontaniana:

Moa mivatravatra  hatrany  tokoa  ve ny herin’ny Tompo ?Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Alahady 07 Janoary 2018

Manapaka amin’ny fahefany ny Tompo

Isaia 9.1-6

Manapaka hitondra fiadanana ny Tompo

1-Manazava ny haizina Izy

Ny “maizina” voalaza eto amin’ny and 1 dia ilazan’Isaia ny fahorian’ Israely , vokatry ny hetraketraky ny Asyriana izay firenena mpanjakazaka tamin’izany . Lasan’ity firenena ity ny faritany maro , ary tamin’ny faritra sasany dia nandriaka ny ra noho ny ady , ka zary tany aloky ny fahafatesana . Mampanantena ny Tompo fa hifarana izany satria tsy maintsy ho avy ny mazava . Toky mitondra fanantenana ho antsika koa izany , na ho an’ny fiainam-pirenentsika , na ho an’ny fiainantsika manokana . Tsy maintsy ho avy ny mazava lehibe. Asa voalohany nataon’ Andriamanitra ao amin’ny Gen 1.3 ny ady amin’ny haizina . Ny teniny no nitondra izany :”Misia mazava , dia nisy mazava”. Resy ny haizina fa tafiditra ny mazava . Zazalahy , taranak’I Davida no hitondra izany (and5). Ho antsika dia I Jesoa io zaza io sady teny tonga nofo rahateo Izy no fahazavan’izao tontolo izao . Izy no fanantenantsika hampahita antsika mazava lehibe.

2-Handresy ny mpampahory Izy

Milaza fitafiana sy fitaovana ary kojakoja manamarika ady niteraka ra mandriaka sy tsy fandriampahalemana ny and 4 . Samy hodorana sy hofoanana ireo rehetra ireo , Hofoanana ny ady , hanjaka ny fiadanana sy ny fandriampahalemana noho Ilay zaza Andrian’ny fandriampahalemana , noho Ilay zaza Andrian’ny fiadanana . Hiorina ny fanjakany , ary Andriamanitra irery ihany no hiankinan’ny fahatanterahan’izany (and 6b) . Jesoa no hitondra izany ho antsika . Izy irery no fanantenantsika amin’izao fahavoazantsika izao .

Fanontaniana:

Ahoana ny fomba hahatanterahan’ny hoe: “Jesoa Kristy ho an’I Madagasikara” mba hanala ny haizina eto amintsika ?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Alahady 07 Janoary 2018.

Manapaka amin’ny fahefany ny Tompo 

Isaia 9.1-6

Manapaka hitondra fiadanana ny Tompo

1-Manapaka ny haizina Izy

Ny « maizina »  voalaza  eo  amin’ny and 1 dia ilazan’Isaia ny fahorian’ Israely , vokatry  ny hetraketraky  ny Asyriana  izay  firenena mpanjakazaka  tamin’iany . Lasan’ity   firenena lozabe    ity  ny faritany  maro , ary  tamin’ny faritra  sasany  dia nandriaka  ny rà noho ny ady , ka zary  tany aloky  ny fahafatesana  .Mampanantena  ny  Tompo  fa fiafarana  izany  , satria  tsy maintsy ho avy ny mazava . Toky mitondra fanantenana  ho  antsika  koa izany , na ho an’ny fiainantsika manokana . Asa voalohany  nataon’ Andriamanitra  ao amin’ny Gen 1.3 ny ady  amin’ny haizina . Ny teniny  no nitondra izany  :« misia mazava, dia nisy mazava « . Resy  ny haizina fa tafiditra ny mazava . Zazalahy  , taranak’i Davida no hitondra izany  (and5) .ho antsika dia i Jesoa io zaza io  , sady teny  tonga nofo  rahateo Izy  no fahazavan’izao  tontolo izao . Izy  no fanantenantsika  hampahita  antsika  mazava lehibe .

2-Handresy ny mpampahory Izy 

Milaza  fitafiana sy fitaovana  ary kojakoja manamarika ady niteraka rà mandriaka  sy tsy fandriampahalemana ny and4 . Samy hodorana sy hofoanana ireo rehetra ireo . Hofoanana ny ady , hanjaka ny fiadanana  sy ny fandriampahalemana  noho ilay zaza Andrian’ny fiadanana. Hiorina ny fanjakany ary Andriamanitra irery ihany no hiankinan’ny fahatanterahan’izany (and6b). I Jesoa no hitondra izany  ho antsika . Izy irery  no fanantenantsika amin’izao fahavoazantsika izao .

Fanontaniana:

Ahoana no hahatanteraka ny hoe: « Jesoa Kristy ho an’i Madagasikara, mba hanala ny haizina  eto amintsika ?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Sabotsy 06 Janoary 2018

Manapaka amin’ny fahefany ny Tompo

Romana 1.18-25

Ambara eto ny fomba amam-panaon’ny jentilisa mpanompo sampy , kanefa tena ho antsika koa ny teny, sao takonantsika amin’ny fanao ratsy sy toetra tsy mendrika ny Tompo .

1-Atsaharo ny fanao ratsy amin’ny namana

“Fa aseho avy any an-danitra ny fahatezeran’ Andriamanitra » (and18). Filazam-potoana ankehitriny izany , izay toy ny milaza fa io fahatezerana io no miseho sy tazana ao amin’ny fiaraha-monina noho ny faharatsian-toetran’olona. Tsy marina ny olona sady manao ny tsy rariny amin’ny namany , ka tezitra Andriamanitra . Tsy tazana fa voarona sy takona Ilay Andriamanitra fitiavana noho ny asa ratsin’ny olona . Koa atsaharo ny fanao ratsy mba hiseho ny tena toetran’Ilay Andriamanitra mpanao ny tsara .

2-Omeo haja amam-boninahitra Andriamanitra

“Ny fombany tsy hita dia ny heriny mandrakizay sy ny maha- Andriamanitra Azy dia miseho hatramin’ny nanaovana izao tontolo izao  » (and20)
Tsy afaka manakona ny Tompo tsy hiseho amin’ny maha- Izy azy anefa ny hadalan’ny olona , satria efa miharihary eo amin’ny asan’ Andriamanitra hatramin’ny voalohany izany .Na dia miseho aza izany dia mbola tsy manome voninahitra ny Tompo ny olona fa manivaiva Azy, manompo sampy , manaram-po amin’ny hadalana. Koa zary fanamelohana no miandry izay toy izany sy izay manana fitondrantena adala. Ho antsika àry , aza manampy hadalana aamin’ny hadalana . Ny hadalantsika no nahatonga ny fahatezeran’ Andriamanitra , kanefa aza miroso amin’ny hadalana faharoa hanolo Azy ny sampy (vakio ny and 23), fa omeo haja amam-boninahitra ny Tompo.

Fanontaniana:

Ahoana ny fomba heverinao hanajana an’ Andriamanitra ?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Zoma 05 Janoary 2018

Manapaka amin’ny fahefany ny  Tompo

Efesiana 1.15-23

Fantaro ny hery sy voninahitr’ Andriamanitra

1-Mivavaha ho an’izay tianao hahalala izany

Na dia efa re laza aza ny finoan’ny fiangonana tany Efesosy dia tsy mitsahatra nivavaka ho azy ny Apostoly Paoly (and15-16). Nivavaka sy nangataka izy mba ho fantatry ny mpino tsara Ilay Andriamanitra Ray be voninahitra . Taomina koa isika hanao toy izany .Mivavaha ho an’ny fiangonana na dia efa re laza amin’ny finoana aza izy , mba hananan’ny mpino fahalalana marina an’ Andriamanitra . Fantampantatry ny olona amin’ny ankapobeny fotsiny mantsy Andriamanitra : tsy fantany ny voninahiny mba hanajany Azy , tsy fantany ny heriny mba hiankinany Aminy , tsy fantany tsara ny maha- Tompo Azy mba hanompoany sy hivavahany Aminy . Koa ho antsika : mivavaha ho an’ny hafa hitomboany amin’ny fahalalana marina sy hahalalany tsara an’ Andriamanitra .

2-Mivavaha mba hanomezany ny Fanahin’ny fahazavan-tsaina

Nangataka ho an’ny fiangonana ny Apostoly Paoly mba hanomezana azy ireo ny Fanahy Masina. Rehefa avela hiasa na ekena hitarika ny mpino ny Fanahy dia manome fahalalana sy fahazavan-tsaina (and18). Eo amin’ny and 19 dia izao : vokatry ny vavaka sy ny asan’ny Fanahy Masina dia tonga mahalala ny halehiben’ny herin’ Andriamanitra ny mpino . Hery vaika tsy hay tohaina , manasoa sy mamelona antsika izany , ka noporofoiny tamin’ny nananganany an’i Jesoa tamin’ny maty (and20) . Koa mifampivavaha mba ho takatsika izany hery sy fahefana ary ny Voninahitry ny Tompo izany .

Fanontaniana:

Moa ve mahay mivavaka ho an’ny fiangonana isika , sa mpangataka ho entin’ny fiangonana am-bavaka ihany ?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Alakamisy 04 Janoary 2018.

Manapaka amin’ ny  fahefany ny Tompo

Salamo 24.1-10

Mampiseho ny herin’ Andriamanitra sy ny voninahiny ao Ziona ny Sal 24 . Ny  tempoly no tondroiny amin’ny Ziona . Asehon’ity salamo  ity fa mpanjaka mahery sy be voninahitra ny Tompo . Na dia toy izany aza Izy dia ireto no azo marihana :

1-Azon’ny mpino hatonina sy hiaraha-monina Izy

Ny and 1-4 no hahazoana manakatra fa na dia Tompon’izao rehetra izao  , manana ny fahamboniany aza Izy ,dia azon’ny olona hatonina sy hiarahany monina . Ao an-tendrombohitra masina  na any  amin’ny tempoly no hanatonana Azy sy hihaonana Aminy(and .3).Manerana ny bokin’ny Salamo no ahitana fa ny mino,antsoina hoe « marina » no hiditra ao  (Sal.118.20).Ny mino sy ny olom-boafidiny no afaka manatona Azy sy mihaona Aminy(and.6).Isika  no mpino ary isika   Fiangonana no olom-boafidiny sy nantsoiny tao amin’i Kristy.Afaka manatona Azy sy mihaona Aminy isika ao amin’ny Fiangonana.Omeo lanja ny maha -Fiangonana anao, mba hahitanao ny herin’ny Tompo miaro sy mitsimbina anao.

2.Azon’ny mpino iandrandrana famonjena sy fitahiana Izy

«  Handray fitahiana avy amin’i Jehovah izy, ary fahamarinana avy amin’Andriamanitry ny famonjena azy »(and.5). Raha tsorina tokoa ny dikanteny amin’ny and.5b dia izao : « …ary Andrimanitra Izay Mpamonjy azy dia handray azy ho toy ny olo-marina « .Sady hisitraka  fitahiana ny mpino no isehoan’Andriamanitra ho Mpamonjy .Koa afaka miandrandra sy misitraka famonjena sy fitahiana avy amin’ny Tompo ny mpino mazoto mihaona Aminy any amin’ny tempoliny.Mahery sy be voninahitra ny Tompo nefa azo  atonina ary mpitahy izay mazoto mitady Azy.

Fanontaniana :

Azo ampifandraisina amin’ity Salamo 24 ity ve ny Heb.10.25 ?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM