Alarobia 21 Novambra 2018.

Fandalinana ny  Boky 1 Samoela 

1 Samoela 13.6-23

Raha hiatrika ady isika dia aza adinoina  fa:

1-Mampahory ny tahotra :

Jereo ity mahazo ny vahoaka  mandositra , ory sy anjakan’ny tahotra . Toa   tsy afa-manoatra eo anoloan’ny Filistina marobe.Tsy izany koa ve no nanjo ny olona tamin’ny andron’i Jesoa? Veryhevitra noho ny fampahorian’ny  demonia .Soa  fa mahery  Ilay miteny hoe : « Aza matahotra, mino  fotsiny  ihany » (Mar 5.36)

2-Aza toherina ny  sitrapon’ Andriamanitra 

Zavatra tsy fanao no nataon’i Saoly,sahy nanao  fisoronana, izay tsy  tokony ho anjara asany . Fandikana ny didin’ Andriamanitra izany .Ka loza fa dia ny fiandanian’ Andriamanitra  aminy mihitsy no nafoiny.Isika koa , aza manao  adaladala fa aoka ho fantantsika izay sitrapon’ny Tompo(Efes 5.17)

3-Resy lava rehefa tsy ampy fiadiana:

Tsy mba nanana fitaovana vita amin ‘ny vy  entina miady ny  Zanak’ Israely . Izay ampy fitaovana ihany no manantena fandresena.Izany no  ampirisihana anao mba handray ny fitaovam-piadiana rehetra hahafahana manohitra an’i satana (Efes 6.11-18). Manoatra noho ny  mpandresy ianao amin’ny alalan’Ilay tia anao , dia i Jesoa (Rom 8.37).

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha- 3

FJKM Ankadindravololona / 160 Taona nijoroana

Nankalaza ny faha-160 taonany

« Fa Izy no nihavian’izao zavatra rehetra izao ary Izy no mihazona azy sady Izy koa no antony,Izy anie no omem-boninahitra mandrakizay »Rom 11 :36.

Izany teny izany no nosafidin’ny FJKM Ankadindravololona hankalazana an’Andriamanitra noho ny faha-160 taona ny fiangonana izay notanterahina ny Alahady 14 Oktobra 2018 lasa teo. Raha tsy nisy an’Andriamanitra dia tsy nisy izao tontolo izao. Andriamanitra ihany niavian’ny zavatra rehetra, Izy ihany no antony, Izy ihany no mihazona azy. Fa Andriamanitra no omem-boninahitra . Raha araka ny tantara dia nisedra zavatra betsaka tokoa ny fiangonana, kanefa noho ny fiasan’ny Fanahy Masina sy ny herin’Andriamanitra dia tsy navelany nanjaka izany fa niravona hatrany.

Tamin’ny andron-dRanavalona I no niorenan’ny tanànan-Ankadindravololona. Rehefa tsy nifanaraka tamin-dRanavalona I ny rahavaviny, nantsoina hoe Rabodofelana izay nitoetra teny Ambatonamono, tanàna ao atsimo, dia nifindra ary nanorim-ponenana teo Ankadindravololona. Kristiana ny tenany ary noenjehina koa izy noho izany. Ny taranany atao hoe Randriamoramanana no mpitandrina voalohany notendren’ny mpiara-belona tamin’izany. Izy no nanorina ny fiangonana voalohany teny an-toerana ary teo Ankadindravololona no nanorenany izany trano izany, izay vita tamin’ny zozoro tamin’ny taona 1858. Niova tsikelikely izany ka ny 01 may 1891 no nanorenana ny trano biriky tanimanga. Raha teo amin’ny manodidina amin’ny faritra iny dia ny fiangonana Ankadindravololona no zokiny indrindra. Ny 11-12 oktobra 1958 no nankalazana an’Andriamanitra noho ny jobily faha-100 taona; ny 1996 no nahazoana ny rano madio;  ny 1997 fanamboarana ny varavaran-kely simba, ny taona 2000  nohatsaraina ny gorodona simba , tafiditra ny jiro, voasolo fanitso ny tafo tanimanga, ny taona 2002 no nahazoana ny fanamafisam-peo.

Eugenie, S.F.

SETELA / Varavarana misokatra

SEHATRA TEOLOJIKA HO AN’NY LAIKA

Sehatra iray natao hanofanana sy hampianarana ny Laika ny SETELA. Ao anatin’ny fankalazana ny faha25 taonany izy ankehitriny. Izany indrindra no nanatanterahany varavarana misokatra ho an’ny rehetra ny Sabotsy 03 Novambra 2018, mba ho fampahafantarana ny olona rehetra ny mombamomba ny SETELA.

Nandritra izany fotoana izany no nanehoana ho an’ireo tonga nanatrika ny varavarana misokatra ny  tantaran’ny SETELA sy ny maha izy azy, tsiahy ny tantaran’ny SETELA, fampirantiana asa soratra sy sary samihafa, tao ihany koa no nanentanana sahady ireo olona mba handray ny taratasim-pisoratana anarana ho an’ny taom-pianarana 2019.

Tonga nanotrona io fotoana io ihany koa ny raiamandreny anisany nanorina ity sehatra ity dia Andriamatoa RAMINO Paul, Mpitandrina. Tao anatin’ny fotoana nanaovana ity varavarana misokatra ity ihany koa no
nanafanan’ny tarika maro ny fotoana toa ny tarika Mialy RAKOTOMAMONJY, Ny tarika R’IMBOSA,…

Nisy fotoana ihany koa nanehoana ny « bibliothèque numerique », izay ahitana ny asa soratr’ireo mpianatra efa nahavita ny fiofanany nandritry ny 2 na 3 taona teo anivon’ny SETELA.

Ny Tsiky

Alahadin’ny KPMS 2018.

Komitim-Pirenena miady amin’ny SIDA

« Koa aza menatra ny ho vavolombelon’ny Tompontsika » 2 Tim 1.8a

Fandaharana iombonana

« Mivonona hihaona amin’ny Tompo »

Feonjavamaneno

Fiarahabana Apostolika 

Fiderana sy Fisaorana an’ Andriamanitra 

Salamo  24.7-10

Hira 6

Vavaka fiderana

Fanambarana ny  sitrapon’ Andriamanitra :  Rom12.12;Oha 20.22

Hira 71.2

Vavaka fifonana

Hira599.1

Famelankeloka : Jao 3.16;Isa 49.13;Zak 9.9

Hira 430.1,4

Fanekempinoana Apostolika

Asan’ny Fiangonana 

Raharahan’ny Fiangonana

Rakitra

Fanolorana ny Rakitra : Hira 45.4 +Amena

Fankalazana ny Tenin’ Andriamanitra 

Hira 16.1,3

Vavaka mialohan’ny Soratra masina

Vakiteny : Isaia 40.9-14/ Lioka 21.29-36/Apo 21.1-8

Hira FF 24

Toriteny 

Vavaka fangatahana

Asa vavolombelona 

Famaranana

Hira 538.1,2

Tsodrano Deo 7.21/Zef 3.17

Vavaka mangina

TRINITE MASINA

Talata 20 Novambra 2018.

Fandalinana ny Boky 1 Samoela 

1 Samoela 12.16-25;13.1-5

Mba manaova tahaka an’i Samoela ka:

1-Tariho ho amin’ny fibebahana ny  olona .

Tsy ny mandatsa izay  diso  no zava-dehibe , fa ny  mitaona azy hibebaka . Efa fomban’ny Fiangonana hatrizay izany (Asa 2.37-39), ary tokony ho fombanao koa.

2-Omeo toky ny  olona mibebaka .

Tsy misy marina na dia iray aza , ka mendrika ho faty  avokoa(Rom 6.23). Kanefa ny hamonjy  ny  mpanota no sitrak’ Andriamanitra, tahaka izao namindrany fo tamin’Israely izao :« Aza matahotra« (and20).

3-Mijoroa ho mpanalalana ny vahoaka amin’ Andriamanitra.

Mitondra ny tenin’ Andriamanitra ho  azy  ary  mivavaka ho  azy mba hahazoany famonjena . Tena nahatezitra an’i Samoela tokoa ny vahoaka saingy fantany fa sitrak’i Jehovah ny nanaovany an’ireo ho olony (and22), ka dia nomeny toky izy  fa hijoro hatrany amin’izay fampihavanana ny  olona amin’ Andriamanitra izay izy , toa an’i Jesoa  izay mpanalalana antsika amin’ny Ray (1 Tim 2.5). Ny adidinao? Taomy  hihavana amin’Andriamanitra izao tontolo izao .

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha- 3

SP 11/ FJKM Ankadimbahoaka

Faha-15 Taonan’ny fiaraha-miasa 

Ny FJKM Ankadimbahoaka sy

ny Mpitandrina ANDRIAMANAMPY Rafidison Timoty  mianakavy

dia

faly miantso sy manasa antsika mpianakavin’ny finoana hiara-hisaotra sy hanome voninahitra an’ Andriamanitra noho ny faha- 15 Taonan’ny fiaraha- miasa . Izany dia hotanterahina ny Alahady 25 Novambra 2018 amin’ny 9ora maraina .

Hery lehibe ho azy mianakavy sy ny fiangonana manontolo ny fahatongavantsika marobe .

« Ny lanitra sy ny tany ho levona , fa ny Teniko tsy mba ho levona » Lioka 21.23

Alatsinainy 19 Novambra 2018.

Fandalinana ny Boky : 1Samoela 

1 Samoela 12.1-15

Mivavaka i Samoela satria:

1-Mpitsara manaiky hanambara ny fananany :

Nanontany ny vahoaka ny amin’ny fomba nitantanany ny firenena i Samoela . Maromaroa ny  mpitondra manaiky hanambara  fananana sy handini-tena eo imason’ny vahoaka toy izany . I Paoly koa mba toy izany (Asa 20.23). Aoka isika ho marina eo  amin’ny fitantanana ny haren’ Andriamanitra .

2-Mpitsara vonona hananatra ny vahoaka 

Nampahatsiahin’i Samoela ny vahoaka ny làlana efa nitondran’ Andriamanitra azy  ireo  sy ny fisisihany hahazo mpanjaka izay mariky ny fandavany tsy hanjakan’ Andriamanitra . Aza avela hanarampo amin’ny ratsy ny olona , fa mananara azy (Eze 3.18).

3-Mpitsara manoro ny toetra tokony hananan’ny vahoaka 

Matahotra, manompo , mihaino ny feony , tsy mandà ny didiny ary manaraka an’i Jehovah. Izany no làlana tsara ho an’ny Israely. Ho loza kosa raha mandà sy tsy mihaino Azy fa hamely azy i Jehovah . I Jesoa koa dia nilaza mazava fa fiainana no ho an’izay mandray Azy , fa fahaverezana kosa ho an’ireo mifikitra amin’ny ratsy . Anao ny  safidy.

« Raiso ny  Tenin’ Andriamanitra » Boky faha- 3

 

Alahady 18 Novambra 2018.

Fandalinana ny Boky: 1 Samoela

1 Samoela 11.1-15 

1-Te-hifanaran-tsaina amin’ny fahavalony ny mponin’i Jabesi-Gileada:

Heveriny fa ny fanekeny hanompo fahavalo no ahitany fandriampahalemena. Be koa ny diso hevitra ka mifanaraka amin’i satana(sampy)mba tsy hampijaliany . Tandremo anefa fa ny hahatonga anao ho kristiana  fandatsan’olona sy manala baraka an’ Andriamanitra no tadiaviny .

2-Mampihetsika ny olona manana ny Fanahy ny fandrahonan’ny fahavalo Ny fahenoan’i Saoly  ny fikasan-dratsin’ny Amonita hanapotsitra  ny  mason’olona ao Jabesi-Gileada no nampirehitra ny fahatezerany sy nivononany hiady amin’izy ireo . Ny  fahitantsika an’izao tontolo izao , izay potehin’i satana ve tsy tokony hanetsika  antsika hitory ny Filazantsara ? Tohero i satana (1 Pet 5.9)

3-I Jehovah no ekena fa tena Mpamonjy 

Te-hamaly  faty  an’ireo izay nanivaiva  an’i Saoly ireo mpomba azy .Noheveriny  fa i Saoly no tena mpamonjy ka mila aringana ny fahavalony. Tsia,i Jehovah no tena Mpamonjy ary iraka hamonjena ny Israely rehetra i Saoly . I Jesoa koa dia tena Mpamonjy anao, aza mitoky amin’ny olona na amin’ny anaram-piangonana.

« Raiso Ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-3

Sabotsy 17 Novambra 2018.

Fandalinana ny Boky 1 Samoela 

1 Samoela  10.13-27

1-Tanterak’i Samoela ny adidiny 

Vitany ny famoriana ny vahoaka.Vitany ny fanambarana ny Tenin’ Andriamanitra .Vitany ny fanolorana an’i Saoly teo amin’ny vahoaka . Nandeha hatramin’ny faran’ny adidiny izy.Enga anie ny  tomponandraikitra rehetra hahatozo toy izany ka tsy hisy alaim-panahy hitsoa-pahana eny an-tenatenan’ny andraikiny .

2-Fanetren-tena sa tsy  fatokiana ?

Izany  no fanontaniana mby no an-tsaina rehefa mahita ny fihetsik’i Saoly . Tamin’ny voalohany , raha niresaka tamin-drainy izy dia tsy nambarany  ny  amin’ny fanjakana (and 16). Rehefa voalaza indray fa izy  no voafidin’ny Tompo dia niery tao amin’ny entana izy (and22).Enga anie ka ho fanetrentena sy tsy  fitiavana hisehoseho no anton’izany . Fa raha izany dia tena tsara tokoa!

3-Faka tahaka ny fahendreny !

Ny fiafaran’ny fitantarana ity dia izao : »nefa i Saoly dia tahaka ny marenina« teo anoloan’ireo ratsy fanahy nanazimbazimba azy. Tena soa fianatra izany , fa tsy  izao tenin’ adala rehetra izao akory no tokony ho henoina sy halatsaka am-po  hahakivy eo amin’izay niantsoan’ny Tompo , na handeha hovaliana hanamparana fahefana satria , efa mpanjaka izy , nandre kanefa tsy namaly .

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-3

 

Zoma 16 Novambra 2018.

Fandalinana ny Boky  : 1 Samoela 

1 Samoela 9.15-27

1-Mendri-piderana i Samoela!

Ny antony ? satria nandeha tamin’ny fankatoavana an’Andriamanitra izy ka namita ny fanosorana an’i Saoly ho mpanjaka . Tsy azo adinoina fa ny fanosorana mpanjaka dia fanokafana takila vaovao ary famaranana indrindra koa ny asa maha-mpitsara azy. Fa nataony tsy isy fisalasalana anefa izany .

2-Marina ny Tenin’ ny Tompo

Nampitondra teny an’i Samoela ny Tompo  ny amin’ireo famantarana telo sosona ho hitany,ary tanteraka soamantsara izany.Porofon’ny fahamarinan’ny maha- avy amin’ny Tompo ny fanosorana an’i Saoly  . Mahatoky mantsy ny Tompo ary azo antoka izay lazainy . Tena fanorenana tao am-pon’i Saoly ny fatokiana ny Tompo izay nanosotra azy ho mpanjaka koa izany .

3-Tonga olom-baovao i Saoly 

Ny zava-nitranga tamin’i Saoly dia mahavelom-paniriana hoe:enga anie ny olom-boahosotra tahaka an’i Saoly rehetra mba hanandrana izay niseho taminy koa hoe: »hilatsaka aminao ny Fanahin’i Jehovah« dia ho voaova ho olom-baovao (and9). Fa raha manana mpitondra toy izany , na ny firenena na ny fiangonana dia ho hafa ny zava-misy iainan’ny vahoaka.

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-3