FJKM Ranovao Maritiora (SP 12)

F

MIATRIKA NY JOBILY FAHA 150 TAONA

Niorina tamin’ny taona 1869 ny FJKM Ranovao Martiora ao amin’ny Synodamparitany Antananariro Atsinanana. Manamarika ny faha 150 taona ny Fiangonana amin’ity taona ity izay nosokafana tamin’ny Alahady 03 Febroary 2019 lasa teo. Sady voka-dehibe santatra tamin’io fotoana io no fanolorana ireo komity manomana ny Jobily.

Nitarika ny fanompoam-pivavahana ho fankalazana an’Andriamanitra Andriamatoa RAKOTONDRAJAO Hery, Mpitandrina. Noraisin’ny Fiangonana ho teny faneva ny Soratra Masina voarakitra ao amin’ny Isa 43: 10a: “Hianareo no vavolombeloko, hoy Jehovah, sady mpanompoko izay efa nofidiko…”.

Hafatra 3 no nampitain-dRamatoa TRIMOZAFY Dyna izay nitondra ny Tenin’ Andriamanitra ka nasongadiny tamin’izany ny toetran’ny olom-boafidin’Andriamanitra. Manana herim-po amin’izay nijoroany ny olona nofidiana ka vavolombelona sy manaporofo ny amin’ny fisian’Andriamanitra. Tsy maintsy manaraka izay tiany hatao ihany koa satria mpanompony, ary sitrak’Andriamanitra ka namindrany fo sy nofidiny.

Miaina tanteraka ny taom-panavaozany ny FJKM Ranovao Maritiora izy ireo amin’ity taona ity noho ny  fanovana ny birao rehetra sy ny antso amin’ny asa fanompoana eo amin’ny sahan’ny FJKM. Fananganana ny rihana sy fanavaozana ny tafo no tsangambaton’ny Jobily, araka ny fanazavan’Andriamatoa RAMILISON Lantonarivo, Filohan’ny komitin’ny fankalazana. Tsy izay ihany fa misy koa ny fankalazana ny jobily isaky ny Alahady fahatelo ka hanatanterahana ireo fankasitrahana sy fandraisan-tànana ary fiarahabana samihafa.

Nataon ’ny Mpitandrina laharam-pahamehana ny Tafika masina anatiny iarahana amin’ny AFF eo an-toerana sy ny Tafika masina ivelany sahanin’ny AFF vahiny. Mikasa ny hanatsara ny tanàna miaraka amin’ny mpiara-monina eo amin’ny fokontany sy ny manodidina ny fiangonana, ho fijoroana vavolombelona amin’ny asa fanompoana.

Ny Mpitandrina mivady sy ny Komity 150T FJKM

Fanokafana izay no vita fa andrasana indray ny ivon’ny fankalazana ny Jobily hiarahana amin’ny Foibe FJKM sy ny Synodamparitany ny Alakamisy 03 Oktobra 2019 raha ny Alahady 13 Novambra 2019 ny anjaran’ny taranaka sy ny renifiangonana.

Ny Avotra, Santatra Fahazavana

Talata 26 Febroary 2019.

Fandalinana ny Boky 1 Mpanjaka

1 Mpanjaka 6.15-38

Nofintinina eto ireo 7 taona nanaovana ny tempoly :

1-Asa voakaly no natao: Ny refy samihafa nomena antsika tamin’izao fitantarana izao dia milaza fa tsy asa peta-toko fa voakajy fatratra avokoa no natao. Andriamanitra tokoa manko dia « tsara sady mpanao ny tsara »(Sal 119.68) ka mendrika ny hanolorana ny tena tsara . Fanairana antsika izay indraindray alaim-panahy hanatsotsotra ny zava-panahy ho an’ny Tompo izany , ka ny asan’ Andriamanitra indray no lesoka raha mitaha amin’ny an’izao tontolo izao.

2-Asa sarobidy no natao . Miverimberina ny hoe: « nopetahana takela-bolamena » . Fantatra ny hasarobidin’ny volamena ary iaraha-mahalala ny famirapiratany . Ny trano dia natao haneho ny fiandrianan’ Andriamanitra , Ilay mpanjakan’ny mpanjaka . Mba mahatsiaro izany ve isika rehefa miditra ao amin’ny trano fivavahana ? Fa indraindray , hadinon’ny mpivavaka izany fiandrianan’ Andriamanitra lehibe izany ka tsy ampy fanajana ny tranon’ Andriamanitra izy . Mivavaha ho an’ireo rehetra manitatra trano fiangonana na vao manorina mba samy hahavita izany toy ny nataon’i Solomona teto. Fa tsy hoe mpanjaka izy ka nahavita azy , fa tsarovy ny salamo tokana voalaza ho nataon’i Solomona , ny Sal 127.1.

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha- 3

Alatsinainy 25 Febroary 2019.

Fandalinana ny Boky 1 Mpanjaka

1 Mpanjaka 6.1-14

Ny toko faha- 5 dia nahitantsika ny fiomanan’i Solomona hanao ny tempoly tamin’ny fandaminana izay hahazoana ny vato sy ny hazo ary ny mpiasa . Eto kosa dia hitantsika ny nanaovana ny tempoly .

1-Fahatanterahan’ny tenin’ny Tompo izao . Nampahtsiahivin’i Solomona tao amin’ny 5.19 ilay tenin »ny Tompo nanao hoe: « ny zanako izay hapetrako eo amin’ny seza fiandriananao handimby anao , izy no hanao ny trano ho an’ny Anarako« . Koa tena fiarahany miasa amin’ny Tompo izao asa izao . Isika koa , meteza ho mpiara-miasa amin’ Andriamanitra araka ny filazan’i Paoly (1 Kor 3.9) ho fampandrosoana ny fiangonana , izay nambarany hoe: « trano arafitr’ Andriamanitra ianareo« 

2-Sady miasa no mihaino ny Tompo . Hoy ny and 11: « Ary ny tenin’i Jehovah tonga tamin’i Solomona« . Tsy avelan’ny Tompo ho variana amin’ny fanaovana asa fotsiny isika , fa ampahatsiahiviny hanaraka ny teniny . Indraindray tokoa manko , ny asa no mibahana fa hadino ny mihaino ny Tompo, nefa ny fanarahana ny tenin’ ny Tompo , ny fankatoavana ny didiny no antoka itoerany eo amintsika , araka ny teniny hoe: »tsy hahafoy ny Israely oloko » Aho. Fa raha tsy mitoetra eo amintsika ny Tompo , hatao inona moa ny asa vitantsika , na miezinezina toy inona aza?

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha- 3

Alahady 24 Febroary 2019.

Fandalinana ny Boky 1 Mpanjaka

1 Mpanjaka 5.1-32

Tena fanjakana lehibe ny fanjakan’i Solomona . Zavatra telo no manamarika azy :

1-Ny fiadanana . Nandry fehizay ny tany . Tsy nisy fahavalo na loza nandindona ny Israely . Ny anarana hoe: « Solomona » rahateo dia iray hoe »salema« na« fiadanana ». I Jesoa no tena Andrian’ny fiadanana (Isa9.5)nampanantena antsika ny fiadanany(Jao 14.27).

2-Ny fahavokarana . Nanana ny ampy na izy mpanjaka na ny vahoaka : « samy teny ambanin’ny voalobony sy ny aviaviny ny olona « . Sady milaza ny fandriampahalemana niainana izany no maneho koa ny fananana ny ampy teo amin’izay rehetra nilaina . I Jesoa koa rehefa nomena antsika dia nomena antsika miaraka Aminy maimaimpoana koa ny zavatra rehetra (Rom 8.32).

3-Ny fahendrena . Miverimberina ny hoe: »Ary Andriamanitra nanome an’i Solomona fahendrena sy fahiratan-tsaina be indrindra ary fahalalana betsaka tahaka ny fasika amoron-dranomasina (and9,26). Niseho tamin’ireo ohabolana sy tononkira ary tetikasa nataony sy ny fahaizany nifandray tamin’ny hafa izany . Tsarovy ny Jak 1.5 raha mahatsiaro tsy manam-pahefana ianao, fa azo antoka io teny fikasana io.

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha- 3

Sabotsy 23 Febroary 2019.

Fandalinana ny Boky 1 Mpanjaka

1 Mpanjaka 4.1-20

Hitantsika taratra eto ny santionan’ny fahendren’i Solomona :

1-Nahay nizara andraikitra izy. Ny fisian’ity lisitra lava momba ireo olona niara-niasa taminy ireto dia porofon’ny fahaizany mitaona olona maro handray andraikitra . Ny fivangongoan’ny fahefana eo an-tànan’olo-tokana matetika no heverin’ny olona sasany fa hahamafy orina ny fitondrany . Ny an’i Solomona kosa , ny fizarana andraikitra no antoky ny fahombiazany .

2-Nahay mandamina izy . Marihantsika Nny hoe: nanendry olona 12 lahy izy : iray avy isam-bolana , hiadidy ny fiarakarana ny zavatra rehetra nilain’ny mpanjaka sy ny ankohonany. Vokany : vita kalamina ny herintaona . Paika tsara izany , ary mety ho izany no nahatonga ny fiangonana sasany handamina ny sampana sy sampanasa samy hanana ny anajara iray volana ho azy avy .

3-Nahay nampiadana ny vahoakany izy . Ny fiafaran’ity toko ity dia filazana mahafaly hoe: « mihinana sy misotro ary mifaly  » ny vahoaka . Tsy mora mandrakariva ho an’ny mpitondra akory ny hanome fahafahampo ny vahoaka entina . F arehefa ny toy izao no mitranga , izay atao hoe: miadana izy , nba dia marina aza fa tsy ireo akory no antoky ny tena fiadanana.

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-3

Zoma 22 Febroary 2019.

Fandalinana ny Boky 1 Mpanjaka

1 Mpanjaka 3.16-28

Tonga àry ny fotoana hisehoan’ilay fahendrena nangatahin’i Solomona .

1-Inona no nitranga?

Vehivavy mpivarotena roa , samy niteraka no niara-nitoetra , saingy fetsy ratsy ny iray ka raha maty voatsindriny tamin’ny alina ny zanany dia natakalony ny zanaky ny namany . Tonga teo anatrehan’ny mpanjaka ny raharaha ,satria tsy nanaiky ilay tena tompon-janaka velona.

2-Inona no nataon’i Solomona?

Itondray sabatra aho, hoy izy : hosasahana roa ny maty , samy hanana , ary toy izany koa ny velona , samy hanana. Faly ilay mpisandoka ka nanaiky , fa nangotsoka kosa ny fon’ilay tena tompon-janaka ka nandà izy .Teo nahita’ny mpanjaka ny hoe: iza no tena renin’ilay zaza velona . Fa tsy misy reny hahazaka hahita ny zanany horasaina izany akory. Niampanga tena ho tsy reny ilay nanaiky , ary tsy afa-nanafina ny maha-reny marina azy ilay nandà. Mivavaha mba hanomezan’ Andriamanitra fahendrena ambony, tsy azo iadian-kevitra , tena manaja ny fahamarinana toy izany , ho an’ny mpitondra ny tany sy ny firenena . Mivavaha manokana mba ho hendry toy izany ireo rehetra miasa ao amin’ny fitsarana.

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-3

Alakamisy 21 Febroary 2019.


Fandalinana ny Boky 1 Mpanjaka

1 Mpanjaka 3.1-15

Tantara malaza ity novakintsika ity , dia ny amin’ny nanontanian’ny Tompo  an’I Solomona hoe:”Angataho izay tianao homeko anao” (and5) ka nangatahiny  fahendrena . Fa inona izany fahendrena izany ?

1-Ny tsy fihazakazahana any  amin’ny zava-tsy izy.

Samy tsy izy  avokoa , izany hoe : samy tsy  voatery hahasoa mandrakariva na ny  fahaelavelona na hy harena na ny fandresena ny fahavalo…Fa hatao inona ny ho ela velona ao anaty fahoriana , ohatra ? Na hatao inona harena hiainana ao  anaty tebiteby ? Na hatao inona fandresena fahavalo  iandrasana ny valifatiny  indray andro any ? Tsy fahendrena ny mihazakazaka hahazo izany .

2-Ny fifidianana ny  fo mahay  mihaino . Izany  no  hevitry ny tenin’I Solomona hoe:” Koa omeo ahy  mpanomponao  saina malady ho entiko  mitsara ny olonao  hahaizako  manavaka ny soa sy ny ratsy “ (and9). Ny fanekena hihaino an’ Andriamanitra sy ny sitrapony ihany manko  no tena andraisana ny fahazavan-tsaina sy fahazavam-piainana amin’izay hatao.”Fa I Jehovah no manome fahendrena . Avy  amin’ny vavany  no iavian’ny  fahalalana sy ny fahazavan-tsaina “ (Ohab 2.6). Ary mahafinaritra fa rehefa ananana izany fahendrena izany , na ny tsy nangatahin’I Solomona aza dia nomen’ny Tompo azy maimaimpoana . Koa mahaiza mifidy rehefa mangataka (Jak 1.5).

“Raiso ny Tenin’ Andriamanitra” Boky faha-3