Alahady 23 Mey 2021

EZEKIELA 36.22-30

Pentekosta ny andro . Tsaroana amin’ity andro ity ny nanomezana ny Fanahy Masina ho an’ireo mpianatra .

1-Manavao

Andriamanitra masina Izy . Takiana hiaina amin’ny fahamasinana ny olona nofidiany . Indrisy anefa fa niodina , niala tamin’Andriamanitra ny olona . Nandeha tamin’ny ditran’ny fony , nanao tsinontsinona Azy , nilona tamin’ny faharatsiana . Nampiharihary indray teo imason’izao tontolo izao ny fahamasinany Andriamanitra (and 20) ; Izy Andriamanitra no hiasa hanavao amin’ny alalan’ny famafazana rano madio , endriky ny fanadiovana ivelany , ary ny fanomezana ny Fanahy vaovao mba hanavao ny fiainana manontolo . Meteza hohavaozin’ny Fanahy masina .

2-Mitarika ho amin’ny fitandremana ny didin’Andriamanitra

Nohavaozin’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny Fanahiny ny olona . Rehefa mitoetra sy mitarika ny fiainan’ny olona ny Fanahin’Andriamanitra dia tia sy mankamamy ny Tenin’Andriamanitra izy . Miaina amin’ny fiainana vaovao ka manao ho zava-dehibe ny fifandraisana mandrakariva amin’Andriamanitra . Mamantatra ny didin’Andriamanitra mba hahafahany mitoetra amin’ny fahamasinana sy ny fahamarinana eo amin’Andriamanitra . Tsarovy fa rehefa manapaka ao am-pon’ny olona ny Fanahy Masina dia tia mifandray amin’Andriamanitra sy miaina amin’ny Teniny izy .

Fanontaniana :

Lazao ireo toetra mampiavaka ny mpino tarihan’ny Fanahy Masina ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Sabotsy 22 Mey 2021

ROMANA 8.12-17

Ny asan’ny Fanahy Masina eo amin’ny mpino

1-Mamono ny toetra ratsy

Mamatotra mandrakariva ny olona ny asan’ny nofo. Manosika handeha amin’izay tsy ankasitrahan’Andriamanitra Rehefa manome anjara toerana ny Fanahy masina eo amin’ny fiainany kosa anefa ny olona dia ho resy tosika izany asan’ny nofo izany . Tonga manana fiainana vaovao satria miaina sy mivelona amin’ny Tenin’Andriamanitra . meteza hotarihan’ny Fanahy Masina .

2-Mahatonga ho zanak’Andriamanitra

Rehefa manaiky hotarihan’ny Fanahy Masina ny olona dia miova tanteraka ny maha- izy azy . Miavaka ny fomba fiainany : tia sy mankato ny Tenin’Andriamanitra , mandeha amin’izay ankasitrahan’Andriamanitra . Noho izany , ny Fanahy Masina mihitsy no milaza , manome toky ny fiainany fa tonga zanak’Andriamanitra izy (and16).

3-Mamelona fanantenana

Manana fiainana manokana , lova miavaka omeny ny zanany mahatoky Andriamanitra . Ny Fanahy Masina mihitsy no milaza sy manambara izany ao amin’ny mpino manana Azy fa mpandova an’Andriamanitra sady mpiray lova amin’i Jesoa Kristy ny olona manaiky hiaina eo ambany fitarihan’ny Fanahy Masina (and 17) . Miaina amin’ny fiainana nolalovan’i Kristy teto an-tany , nefa mpandova ny fiainana ao amin’ny fanjakany. Meteza hotarihan’ny Fanahy Masina dia ho azo antoka ny lova nampanantenain’Andriamanitra ho anao .

Fanontaniana:

Inona no dingana tokony hatao mba hahatongavana ho zanak’Andriamanitra marina?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Zoma 21 Mey 2021

NEHEMIA 9.20-25

Andriamanitra mihevitra ny mahasoa ny olony

Nivavaka ,niaiky heloka, nanetry tena, naneho ny finoany an’Andriamanitra ny Jiosy .

1-Manome zavatra tsara ho an’ny olony

Resy lahatra ny olona mivavaka amin’Andriamanitra fa ny tsara indrindra no efa nomen’Andriamanitra ny olony raha nitondra azy ireo nivoaka avy tany Egypta ho any amin’ny tany Kanana Izy . Teo ny Fanahiny tsara . Teo koa anefa ireo zava-tsoa rehetra mahasoa , mahavelona ny olona , ny fiadanana sy ny fahasalamana .Tena miavaka ny fitondran’Andriamanitra ny olony : « eny , efapolo taona no namelomanao azy tany anefitra , ka tsy nanan-java-mahory akory izy , tsy rovitra ny fitafiany , ary tsy nivonto ny tongony  » . Hafa ihany ny fiainana miaraka amin’Andriamanitra . Fiainam-pitahiana miavaka .

2-Manome toetra tsara

Miavaka ny asan’ny Fanahy tsara nomen’Andriamanitra ny olony . Lazaina manokana eto ny hoe : Fanahy tsara no nomen’Andriamanitra ny olona . Misy koa araka izany ny fanahy ratsy izay manome toetra ratsy , fisainana ratsy , fitondrantena ratsy . Koa ilay Fanahy tsara nomen’Andriamanitra ny olona , mitoetra sy manapaka , mitarika amin’ny fiainana manontolo dia manome toetra tsara , toetran’olona mino sy matoky an’Andriamanitra . Mba hahatonga anao hanana toetra tsara , miaina ny fiainan’ny zanak’Andriamanitra dia mangataha ny fanomezana tsara indrindra dia ny Fanahy Masina , ilay Fanahy tsara amin’izao herinandron’ny Fanahy Masina izao .

Fanontaniana :

Inona no fanomezana tianao omen’Andriamanitra anao ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Alakamisy 20 Mey 2021

JAONA 14.15-26

Ny Fanahy Masina

1-Monina ao amin’ny mpino

Nambaran’i Jesoa Kristy mazava tsara eto fa ny mpianatra , ny mpino manaiky hitandrina ny didiny doa omeny ny Fanahy Masina honina sy hitoetra ao anatiny . Ny Fanahy Masina no manavaka ny tena mpanara-dia Azy amin’ny olon’izao tontolo izao , satria ny mpanara-dia Azy ihany no mahaala sy afaka mandray izany . Omeo toerana eo amin’ny fiainanao ny Fanahy Masina dia hiavaka ianao .

2-Mampahery ny mpino

Z ava-dehibe eo amin’ny fiainan’ny mpianatra io fanomezana ny Fanhin’ny fahamarinana avy amin’i Jesoa io . Rehefa ao anatin’ny mpianatra ny Fanahy Masina dia tsy irery ny mpianatra , tsy ho kamboty izy ireo rehefa handao azy amin’ny endrika hita maso i Jesoa . Ioa Fanahy Masina io no mampahery ny mpianatra amin’ny andraikitra apetrak’iJesoa hotanterahina . Mahery mandrakariva ny mpino marina .

3-Mampianatra

Tsy mora ny asa fanompoana hotanterahin’ny mpianatra . Miasa , mitari-dàlana ho amin’izany asa fanompoana izany ny Fanahy Masina . Hampianatra , hampahatsiaro ieay rehetra efa nambaran’iJesoa mba hahatonga ny mpianatra hahajoro sy handroso hatrany amin’ny asa fanompoana na dia sarotra aza izany . Noho ny asan’ny Fanahy Masina dia tanteraka ny asa fitoriana ny Filazantsara .

Fanontaniana :

Inona no toetra mampiavaka ny mpino manana ny Fanahy Masina , Ilay Fanahin’ny Fahamarinana ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM