Hafatra Krismasy 2021

Faly miarahaba antsika ry havana nahatratra izao andro firavoravoana lehibe amin’ny Krismasy na Noely izao; ary faly mampita amintsika koa izao hafatra izao:

Jesoa Kristy no ankalazao rehefa Noely,
Jesoa Kristy fa tsy ny andro velively.

Toa alaim-panahy mantsy ny olona sasany ry havana hankalaza andro.
Indray mandeha, vao tsy ela izay, nandre hira tao amin’ny radio iray aho nanao hoe: Ry Noely ô, irinay ianao hitondra fifaliana; O ry Noely ô, irinay ianao hampihavana anay. Nahafinaritra ahy ny feony, mientanentana, fa nahavelona eritreritra ahy ny tonony. Angaha moa ny Noely no mitondra fifaliana, angaha ny andro Noely no mampihavana? Aiza i Jesoa Kristy amin’izany? Te hitaona anareo izahay ry havana malala tsy hizatra hiteny hoe « hankalaza ny andro Noely » na « hankalaza ny andro Krismasy »; fa hizatra kokoa hiteny hoe : « Hankalaza an’i Jesoa Kristy noho ny andro Noely, hankalaza an’i Jesoa Kristy noho ny Krismasy, mba hotsaroana hatrany ny hoe :

Jesoa Kristy no ankalazao rehefa Noely,
Jesoa Kristy fa tsy ny andro velively.

Izany no antso atao ry havana malala, ary izany antso atao izany; dia mba tsy ho marina amintsika izay nosoratan’i Paoly. Izao mantsy no nosoratan’i Paoly ho an’ny Kristianina tany Galatia : « Andro sy volana sy fotoana ary taona no tandremanareo fatratra, matahotra ny aminareo aho, fandrao dia nisasatra foana taminareo » (Gal 4.10,11)

Jesoa Kristy hatrany no tsy maintsy hatao ivon’ny fankalazana ataontsika, Jesoa Kristy no deraina, Jesoa Kristy no asaina ifantohan’ny saina sy ny fo amam-panahin’ny olona rehetra na ny zaza sy ny ankizy na ny tanora sy ny olon-dehibe. Fa Jesoa Kristy ry havana malala no fototry ny fifaliana lehibe izay ho an’ny olona rehetra araka ny hiran’ny anjely (Lio 2.10), ilay fifaliana tena izy.

Dia mirary Krismasy sambatra, ao amin’ny firaisana amin’i Jesoa Kristy ry havana malala ary dia Voninahitra any amin’ny avo indrindra ho an’Andriamanitra ary fiadanana ho ety ambonin’ny tany amin’ny olona ankasitrahany. Amena.

IRAKO ANDRIAMAHAZOSOA Ammi, Filohan’ny FJKM.

Zoma 24 Desambra 2021

LIOKA 1.57-66

Ny nahaterahan’i Jaona mpanao batisa

1-Fahatanteranan’ny fampanantenan’Andriamanitra

Niseho tamin’i Zakaria mpisorona ny anjelin’ny Tompo ka nanambara taminy fa hiteraka zazalahy izy . Jaona no hatao anarany .Tsy nino izany i Zakaria na dia naniry ny hanan-janaka aza, satria vehivavy momba i Elizabeta vadiny . Vokatr’izany dia tonga moana sy tsy afa-miteny izy mandra-pahatonga ny fotoana nahaterahan’i Elizabeta vadiny azy. Teraka soamatsara ny zaza araka izay efa nampanantenain’Andriamanitra ho antsika , na dia izay heverin’ny olona ho sarotra tanterahina aza. Aoka isika mba tsy ho isan’izay tsy mino ny fahagagam-pamonjena ataon’Andriamanitra . Efa nampanantena antsika fiainana mandrakizay Andriamanitra ary ao amin’i Jesoa Kristy zanany izany ka izay mino ny Zanaka no manana fiainana.

2-Mahagaga sy mahatalanjona

Tanteraka ara-bakiteny tokoa ilay fomba fitenenana hoe : « mampiteny ny moana« , entina ilazana zavatra tsy fahita sy mahagaga.Olona noheverina fa momba sy tsy afa- niteraka intsony no tera-dahy , olona moana sy nanao baiko tànana no indro fa afaka niteny .Ary raha vantany vao nisokatra ny vavany dia nidera an’Andriamanitra .Raiki-tahotra ny mpiara-monina rehetra raha nahita izany toe-javatra izany sady nahatsapa fa miasa mahery ao ambadik’izany rehetra izany ny tànan’Andriamanitra . Mahagaga ny fahasoavan’Andriamanitra , mahagaga ny fahatongavan’i Jesoa tety an-tany hamonjena antsika , ary ny anarany rahateo dia nantsoin’ny mpaminany Isaia hoe : « Mahagaga« . Mifalia fa nahay zava-mahagaga ny Tompontsika .

Fanontaniana :

Inona no fomba amin’ny Fiangonana hitoriana ny Filazantsara amin’ny olona manana fahasembanana (moana , marenina)?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Alakamisy 23 Desambra 2021

ISAIA 65.17-25

Minoa ny fifaliana amin’ny Tompo

Maro amin’ny olona no tsy mahavita mitraka akory rehefa difotry ny fahoriana .Ity mofonaina anio ity dia mitaona antsika hanana fanantenana ao amin’ilay mahefa ny zavatra rehetra . Noho izany :

1-Minoa ny fifaliana ao amin’ilay mpahary ( and17,18)

Hoy ny Tompo : « Fa indro , Izaho mahary lanitra vaovao sy tany vaovao ,ka dia tsy hotsarovana intsony ny taloha na ho mby an-tsaiana akory aza » (and17). Na inona na inona endriky ny faharatsiana sy fampahoriana manjo ny vahoakan’Andriamanitra dia tsy maintsy hisy farany , ary tsy maintsy ho foana sy ho rava tokoa izany . Ny olom-boafidin’Andriamanitra dia sady nohavaozina no miaina anaty tontolo vaovao nohariany . Ka izany no mahatonga azy hifaly mandrakariva ao amin’ny Tompo , na dia mandalo fahoriana sy fizahan-toetra aza. Fa hoy ny voasoratra : « Koa raha misy olona ao amin’i Kristy , dia olom-baovao izy efa lasa ny zavatra taloha, indreo efa tonga vaovao ireo (2 Kor 5.17)

2-Minoa ny fifaliana ao amin’Ilay mpanome fiadanana

Endriky ny fitahiana sy ny fiadanana fahazoana tombon’androm-pahavelomana (and20), ny fananana trano onenana (and 21a,22), ny fahafahana mamokatra sy mioty ny vokatra (and 21b),ny fahafahana misitraka valin-kasasarana sy ny vokatry ny ezaka natao (and22,23) ary ny fahazoana antoka fa tsy ho tratry ny loza tampoka na ny tena na ny taranaka any aoriana (and23).Tanteraka ao amin’i Jesoa Kristy ny fampihavanana antsika amin’Andriamanitra .Rehefa tsara ny fifandraisana amin’Andriamanitra ny olona dia mirindra ihany koa ny fifandraisany ami’ny olona rehetra sy amin’ny zava-boahary ary ireo firindrana orzo no antoky ny fifaliana sy fiadanana

Fanontaniana :

Olona manao ahoana no atao hoe : « sambatra  » sy « miadana » ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Alarobia 22 Desambra 2021

ISAIA 12.1-6

Nahoana no midera an’Andriamanitra ny olona ?

Ny olona faly no midera an’Andriamanitra . Ny antony hiderana sy hankasitrahana an’Andriamanitra . araka izay hitantsika eto dia ireto manaraka ireto ;

1- Avy amin’Andriamanitra ny famonjena (and1-3)

Tezitra Andriamanitra rehefa mnia tsy manaraka ny teniny ny olona , kanefa hita miharihary fa ao ambadik’izany fahatezerany izany ny fitiavany te-hamonjy sy hanafaka ny olony . Tsy sitrany ny hahita ny vahoakany hiharam-pahoriana sy ny esoeso ataon’ireo firenena mpiavonavona sady maniratsira Azy .Rehefa mahatsiaro ho nanenina , ka miala amin’ny ratsy ny olona dia tonga ny famonjena sy ny fampiononany . Maniraka mpanompo Izy mba hanatanteraka izany famonjena izany . Ny hevitry ny anarana hoe : « Isaia » dia « Jehovah no Mpamonjy ». Nirahiny ny zanany , dia i JESOA KRISTY mba hamonjy antsika ho afaka amin’ny fahotana , ka hananantsika ny fiainana mandrakizay .

2-Satria mijoro ho vavolombelony

Ny olona faly noho ny famonjen’ny Tompo dia tsy hamihina ho azy samirery ny hafaliany fa hizara kosa amin’ny hafa .Izay rehetra efa novonjen’Andriamanitra dia tsy maintsy hanao ho zava-dehibe ny fitaomana ny hafa mba hankalaza sy hidera Azy .Miainga amin’ny fanambarany izay nataon’Andriamanitra taminy izany : »Indro Andriamanitra no famonjena ahy…Fa Jehovah Tompo no heriko sy fiderako , fa efa famonjena ahy izy » (and2) , ka miafara amin’ny fitaomana ny hafa hiara-mankalaza sy midera Azy . »Mankalazà an’i Jehovah , fa asa lehibe no nataony , ary aoka ho fantatra any amin’ny tany rehetra izany « .Nametraka hafatra ho antsika Fiangonana ny Tompo mba ho vavolombelony hatrany amin’ny faran’ny tany (Asa 1.8)

Fanontaniana :

Efa nambaranao tamin’ny hafa ve ny famonjena noraisinao?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Talata 21 Desambra 2021

JAONA 16.16-24

Vetivety foana

Vetivety foana dia tsy hahita Ahy intsony ianareo, ary vetivety foana indray dia hahita Ahy ianareo (Jao 16.16).Tsy mazava tamin’ny mpianatra ny tenin’i Jesoa momba izany ka nohazavainy araka izao manaraka izao :

1-Vetivety foana dia tsy hahita Ahy intsony ianareo

Fotoana mialohan »ny nisamborana an’i Jesoa io fotoana nitenenany tamin’ny mpianatra io , ka izany no nilazany hoe : «  vetivety foana«  ». Midika izany fa efa manakaiky ny fotoana hisamborana Azy sy hahafatesany . Ary amin’izany dia hisaona sy hitomany Azy ny mpianany , satria hosamborina sy hovonoina ilay mpampianatra azy (and 20) . Fotoana sarotra sy mafy indrindra eo amin’ny fanatanterahana ny sitrapon’Andriamanitra io fotoana io ho an’i Jesoa , fotoana nahitan’ny mpianatra ny mangidy indrindra tamin’ny fanarahana ny Tompo . Ny fotoana hibanjinantsika ny hazo fijalian’i Jesoa Kristy da tokony ho fotoana hahatsiarovantsika fa tsy maintsy handalo fahoriana koa isika ka hitomany sy hisaona , fa izao tontolo izao kosa hifaly .

2-« Vetivety foana indray dia hahita Ahy ianareo  »

Hazavain’i Jesoa amin’ny alalan’ny fanoharana ny Tenony . Alohan’ny hahaterahan’ny vehivavy dia miatrika fanaintainana mafy izy , fa rehefa teraka kosa ny zaza dia hivadika ho fifaliana izany (and21) . Ho mafy amin’ny mpanatra ny hanatri-maso ny fahafatesan’i Jesoa , saingy vetivety foana , izany hoe: rehefa afaka ny hateloana dia hahita Azy hitsangan-ko velona ny mpianatra ka ho fay sy ho ravoravo . Fifaliana lehibe ho an’ny mpianatra sy ho an’ny mpino rehetra izany , satria hahatakarana ny sitrapon’Andriamanitra sy ny làalan’ny hazo fijaliana , izay manome fiainana mandrakizayn ho an’izay rehetra mino .

Fanontaniana :

Inona no zava-baovao voarainao tamin’ity andtoany ity ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

KPMS/FJKM

KOMITIM-PIRENENA MIADY AMIN’NY SIDA

EGLISE DE JESUS CHRIST A MADAGASCAR         CHURCH OF JESUS CHRIST IN MADAGASCAR

KPMS/FJKM

Ifanomezantsoa Analakely

    BP 623

   Antananarivo 101

   kpms.fjkm@gmail.com

 “Miorena tsara, aza miova” (I Kor 15 : 58)

“Fa ataoko ahoana no fijery ny loza hanjo ny fireneko” (Est 8 : 6a)

HAFATRA KOMITY FOIBE KPMS 08 SY 09 DESAMBRA 2021

SYNODAMPARITANY TSIROANOMANDIDY

Hampitomboina amintsika rehetra anie ny Fahasoavana sy ny Fiadanan’ny Tompo.

                Ny Komity Foibe KPMS faha 19 izay notanterahina teto amin’ny FJKM TSIROANOMANDIDY ZIONA, Synodamparitany Tsiroanomandidy (SP 34) tamin’ny faha 8 sy 9 Desambra 2021, dia maneho fisaorana an’Andriamanitra noho ny fitantanany ka nahatontosàna izany. Isaorana ihany koa ireo Birao Foibe FJKM izay tarihin’Atoa Filoha sy ny Mpanatanteraka izay tarihin’Atoa Sekretera Jeneraly izay nanome alalana sy nanotrona ka naniraka an-dRtoa ANDRY NIRINA Velosoa, Tonian’ny Departemantan’ny Mpiasa sy ny Vola ary ny Fananana eto amin’ny Foibe FJKM; isaorana ihany koa ny Synodamparitany TSIROANOMANDIDY izay tarihin’Atoa Prezidà Synodaly mivady; ny Fitandremana FJKM TSIROANOMANDIDY ZIONA izay tatrihin’ny Mpitandrina mivady nandray ny fivoriana sy ny fikarakaràna rehetra. Ilay Andriamanitra manan-karem-pahasoavana anie hamaly fitia azy ireo.

                Ny Synoda Lehibe faha XIX izay notanterahina tany SAMBAVA ny 11 ka hatramin’ny 18 Aogositra 2021 dia nahatsapa fa mirongatra izay tsy izy ny areti-mandoza SIDA ary nanampy trotraka etsy an-kilany koa ny firongatry ny VALANARETINA hafa rehetra indrindra fa ny COVID-19; noho izany ny Synoda Lehibe dia nanome andraikitra ny KPMS hiantsoroka ihany koa ny ady amin’ny VALANARETINA HAFA REHETRA.

                Araka izany dia tena am-perinasa tanteraka amin’ny ady atao amin’ny Valanaretina hafa rehetra ny KPMS/FJKM, ka manamafy etoana ny fampahatsiahivana ny Fiangonana FJKM rehetra ny amin’ny fanaganana ny rantsa-mangaikan’ny Komitim-pirenena miady amin’ny SIDA sy ny VALANARETINA REHETRA any amin’ny Synodamparitany sy ny Fitandremana tsirairay avy.

                Mampahatsiaro ihany koa ity Komity Foibe ity ny amin’ny tsy maintsy hanamafisana hiainan’ny rehetra ny fepetra sakana ara-pahasalamàna, ho fisorohana; ary manentana ny vahoaka Kristiana sy ny olom-pirenena Malagasy hifampitsimbina sy havitrika hanao Vaksiny.

                Notsahivina ny hanamafisana ny fanentanana ny ady atao ami’ny TSIMOKARETINA VIH sy ny FITILIANA ary ny Tsy Fanilikilihana ireo izay mitondra izany sy ny fandraisana an-tànana azy ireo, toy ny efa natao hatrizay.

                Ny KPMS dia mirary Krismasy sy Taombaovao sambatra ho antsika rehetra.

“Mifalia mandrakariva ao amin’ny Tompo…manoatra noho ny mpandresy isika

 amin’ny alalan’Ilay tia antsika.” (Fil. 4 : 4; Rom. 8 : 37)

                                                                                                                              Tsiroanomandidy, faha 9 Desambra 2021

Ny Filohan’ny KPMS

Atoa RAZAFIMAHATRATRA Jean William, Mpitandrina

Alatsinainy 20 Desambra 2021

ZEFANIA 3.14-17

Miantso ny olona hifaly ny TompoI

Ity Tenin’Andriamanitra nampitondraina an’i Zefania mpaminany ity dia mampiseho fa ao amin’Andriamanitra no misy fifaliana .

1-Mamonjy ny olona ho afaka amin’ny fahoriana izy

Niaina tanatin’ny tsy fahamarinana sy ny fahotana ny ankamaroan’ny mponin’i Joda .Tafiditra tao anatin’izany ny lehiben’ny mpitsara , ny mpaminany hatramin’ny mpisorona (Zef 3.3) . Ary izany no nahatonga ny fanamelohana sy ny famaizan’Andriamanitra azy . Nisy ihany anefa ireo olona vitsivitsy izay nitoetra ho mahatoky teo anatrehan’Andriamanitra , na dia niaina tamin’izany fahoriana izany aza. Ireo olona ireo no hifaly sy hiravoravo satria hitsahatra ny famaizana (and15) , ka averin’Andriamanitra ho azy ireo indray ny taniny sy ny hareny . Ny fahalovana misy eo amin’ny firenena sy ny fiaraha-monina dia sehatra hahafahantsika kristiana mijoro ho vavolombelon’ny fanafahan’Andriamanitra amin’ny alalan’ i Jesoa Kristy izay tonga ho mpanafaka antsika .

2-Mitoetra ao amintsika Izy (and17)

« Jehovah Andriamanitrao no ao aminao , mahery Izy ka hamonjy « (and17a) .Izany Tenin’Andriamanitra izany dia tsy ho an’ireo olony niaina tamin’ny andron’i Zefania ihany , fa natao ho antsika amin’izao andro ankehitriny izao, dia izay efa nandray an’i Jesoa ho Tompo sy Mpamonjy azy .Toky ho antsika izany , satria raha Andriamanitra no momba antsika , iza no hahatohitra antsika ? izay tsy niaro ny zananilahy , fa natolony hamonjy antsika rehetra Izy , tsy homeny antsika miaraka aminy maimaimpoana koa va ny zavatra rehetra ? (Rom 8.31-32). Eo am-pelatànany ny hery sy ny fahefana .Izy no manafaka antsika aamin’ny endrim-pahoriana rehetra .Izy no IMANOELA.

Fanontaniana :

Nahoana no toa avelan’ Andriamanitra hanjaka ny ratsy fanahy?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Sabotsy 18 Desambra 2021

ISAIA 66.5-14

Mampanantena fifaliana ny Tompo

Babo tany Babylona ny zanak’Israely. Tao ireo izay tsy naharitra ka nanompo ny andriamanitry ny Babyloniana , tao koa anefa ireo izay nifikitra tamin’ny fivavahana tamin’i Jehovah .

1-Raisiny an-tànana ny fanafahana

Amin’ny fotoana sarotra no ahitana izay tena matoky an’Andriamanitra sy miandrandra famonjena avy aminy . Asehony fa Izy Tompo no mamonjy sy manafaka ny olony : manome fifaliana sy firavoravoana ho azy , mamerina azy amin’ny taniny mba hahafahany mankalaza Azy . Amin’ny fomba mahagaga sy tsy takatry ny saina mazàna no hanehoan’Andriamanitra ny hery sy fahefany ka hanomezany fifaliana noho ny fanavotany ary koa hanehoany ny voninahiny (and5) . Miaraha mifaly amin’i Jerosalema , ary miravoravoa aminy ianareo rehetra izay tia azy. Aoka hiara-mifaly aminy tokoa (and10) ianareo rehetra izay malahelo noho ny aminy . Tonga Jesoa hanafaka antsika !

2- Izy no hamely ny fahavalon’ny Jiosy

Nahatonga ny fahatezeran’i Jehovah ny esoeson’ireo Jentilisa sy ireo Israely sasany izay efa nivadika tamin’i Jehovah ka nanilikilika ireo izay manaja Azy . Fitiavana mandrakizay no nitiavan’Andriamanitra antsika , ary tsy ny eso sy ny latsa ataon’ny mpanenjika sy ny mpanota akory no hahafoana izany . Tsarovy fa Jesoa Kristy dia efa niaritra eso sy latsa toy izany , kanefa dia tsy namaly . An’Andriamanitra ny ady fa tsy an’olona , ka izay mitsangana hiady amin’ny olony dia miady Aminy . Apetraho Aminy ny fanahiana rehetra fa Izy no hiady ho antsika . « Ary ny tànan’i Jehovah dia ataony fantatry ny mpanompony . Fa ho tezitra amin’ny fahavalony kosa Izy » (and 14b)

Fanontaniana :

Efa nandalo fizahan-toetra ve ianao ? Ahoana ny fomba nentinao niatrika zany ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Zoma 17 Desambra 2021

OHABOLANA 23.12-18

Mitaiza antsika amin’ny maha-zanaka ny Tompo

Miverimberina matetika amin’ny boky ny teny hoe: : »anaka ». Mitaiza antsika amin’ny maha-zanaka ny Tompo . Noho izany dia :

1-Raiso am-pitiavana ny famaizana (and12-14)

Anisan’ny fomba iray nentin’Andriamanitra nitaizana ny vahoakany ny famaizana mba hanehoany ny fitiavany . « Fa izay tian’i Jehovah no anariny dia tahaka ny ataon’ny ray amin’ny zanaka tiany » (Ohab 3.11) . Ampianarin’ny Soratra masina isika Ray amandreny mba tsy hisalasala hanafay ny zanaka amin’ny fotoana izay mety ilàna izany (and13).Mahasoa ny fikapohana ataon’ny Ray amandreny sy ny mpanabe ho fananarana azy raha atao am-pahitsiana sy am-pitiavana .Izay kendrena amin’izany dia Tsy ny hahafaty azy akory fa ny mba hamonjena ny fanahiny . Ary ny zanaka hendry sy mankato dia tokony hanaiky famaizana ka handray izany am-pitiavana , ho fanitsiana ny fahadisoana natao . Aoka isika zanak’Andriamanitra mba samy handini-tena ka hibebaka raha toa ka tsapantsika fa mihatra amintsika na amin’ny firenentsika ny kapok’Andriamanitra .

2-Matahora an’Andriamanitra

Tsy voatery hiandry kapoka akory vao ho hendry ny zanak’Andriamanitra .Ampirisihana kosa ny mpamaky mba hikatsaka fahendrena , fa izany no tena fifalian’ny Ray amandreny .Mahafaly an’Andramanitra ny mahita fa manam-pahendrena isika zanany (and 15) . Mananatra antsika ny Tenin’Andriamanitra mba tsy hialona na hitsiriritra sy hanao ny fanaon’ny mpanota (and17) na dia « toa » mahita fahombiazana vetivety aza izy ireny, fa hanaja sy hatahotra an’Andriamanitra kosa ary hanantena Azy hatrany amin’izay rehetra atao . »Fa raha mbola hisy koa ny farany , dia tsy ho foana ny fanantenanao  » (and18)

Fanontaniana :

Ilaina amin’ny fanabeazana any an-tsekoly ve ny fikapohana?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM