Alarobia 05 Janoary 2022

SALAMO 46.1-11

Ny Tompo no momba antsika

Ity Salamo ity dia mitaona ny olona hatoky an’Anddriamanitra na dia toa feno loza aza ny tontolo manodidina rehetra .

1-Fiarovana azo antoka Izy(and1-7)

Manoloana ny loza tsy hay tohaina toy ny horohorntany , ny tondradrano, ny fiovaovan’ny toetrandro dia mitebiteby sy matahotra ny zanak’olombelona . Voafetra ny hery sy ny fahaizana ho enti- miatrika izany .Ny mpanao Salamo kosa dia mahatsapa fa azo atao tsara ny mialoka eo anatrehan’nyTompo .Azo antsoina Izy sady mamaly vavaka . « Mpamonjy mora azo indrindra amin’ny fahoriana Izy « (and1). Izay mialoka eo Aminy dia tsy hanan-tahotra na fanahiana akory na inona na inona mitranga (and2) . Mamboatra fitaovana Izy no mifehy izany :« Mampitsahatra ady hatramin’ny faran’ny tany Izy , manapaka ny tsipika sy manito ny lefona Izy , ary mandoro ny sariety amin’ny afo (and9).

2-Tompon’ny filaminana Izy (and10)

Mandidy ny olona rehetra ny Tompo mba hampanjakana ny filaminana ka hampitsaharana ny habibiana sy ny faharatsiana rehetra. Raha tena mino isika fa momba antsika ny Tompo dia tsy hatahotra amin’ny fanatanterahana ny andraikitra lehibe miandry ny Fiangonana mba hisian’ny filaminana sy ny fandriampahalemana ety ambonin’ny tany . Ireto avy izany : fitoriana ny Filazantsara hanambarana an’i Jesoa Kristy , Ilay Tompon’ny fiadanana sady mpanome aina ho an’izay rehetra mandray Azy ; ary koa ny hananana fahasahiana amin’ny fanambarana ny fahamarinanana ho fanandratana an’i JESOA KRISTY ho TOMPO .

Fanontaniana :

Inona no andraikitra miandry ny Fiangonana manoloana ny fandriampahalemana ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Talata 04 Janoary 2022

MATIO 14.24-36

Rehefa eo ny Tompo …

« Matokia , fa Izaho ihany . Aza matahotra ! »(and 25b). Izany no teny fampaherezana antsika anio :

1-Matokia !

Nirahin’i Jesoa hiondrana an-tsambokely ny mpianatra , fa Izy kosa mbola nandefa ny vahoaka hody . Rehefa izany dia niakatra tao an-tendrombohitra Izy mba hivavaka . Teny am-povoan-dranomasina kosa ny mpianatra no nisehoan’ny loza , natopatopan’ny alondrano sy ny rivotra ny sambokely , ka nila ho fefika .Rehefa hadiva ho maraina ny andro ,dia nahita an’i Jesoa nanatona Azy ny mpianatra . Raiki-tahotra  sady nisalasala  izy ireo , satria tsaroany  fa tsy niaraka  niondrana taminy  tao an-tsambokely i Jesosy . Nahagaga fa afaka  nandeha teny ambonin’ny rano Izy .Tsy  mandao antsika  amin’ny fotoan-tsarotra nyTompo . Manatrika antsika Izy sady  mampahery antsika amin’ny alalan’nyTeniny , ka na ny ranomasina hanonja  na tafiotra hamely  dia matokia  fa eo  ambany fahefan’i Jesoa  Kristy  avokoa ny zavatra rehetra.

2-Aza matahotra !

 Petera  dia nahalala fa manana ny fahefana rehetra  Jesoa , saingy mbola te-haka toky bebe kokoa izy , ka hoy ny teniny : « Tompoko , raha hianao  ihany , dia asaivo  manatona  Anao eny ambonin’ny rano aho » (and28). Nasain’i Jesoa,  hanatona Azy i Petera ka afaka   nandeha teny ambonin’ny rano kanjo nony nahita ny tafio-drivotra izy dia nanomboka nilentika  ka nila vonjy tamin’i Jesoa . Mazava  ny fampianarana tian’iJesoa horaisintsika , fa na dia tandindomin-doza aza ny  fiainana , dia  lehibe mihoatra lavitra noho izany ny herin’Andriamanitra hamonjena  antsika . Kely  tokoa ny finoantsika , kanefa lehibe  sy mahery ny Tompo  ka mamonjy  antsika amin’ny fotoana izay iantsoana Azy . « Aza matahotra !*

Fanontaniana :

Inona no teny fanomezan-toky efa nomen’Andriamanitra ho anao ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Alatsinainy 03 Janoary 2021

SALAMO 102.23-28

Maharitra tsy miova ny Tompo

1-Andriamanitra no Tompon’ny hery

Amin’ny fotoana isehoan’ny fahoriana eo amin’ny fiainana ; ka hahatsapana fa tsy mizotra araka izay nokasaina izay rehetra natao dia toy ny miady irery sy tsy misy ianteherana ny olombelona . Ny fotoana toy izany indrindra anefa no tokony hahatsiarovana ny fitondran’Andriamanitra; tahaka izay nataon’ny mpanao salamo . Mahatsiaro ho kely hery sy fohy andro izy . Inoany anefa fa avy amin’Andriamanitra izany ka hoy izy : »efa nahaketraka ny heriko tany an-dàlana izy. Efa nahafohy ny androko Izy » (and23). Nangataka sy nitalaho tamin’Andriamanitra izy ; satria azony antoka fa afaka hampahery azy ny Tompo , hanome izay angatahiny , raha sitrany izany . Izay mahatsiaro ho kely hery sy reraka isika dia aoka hatoky ny Tompo fa « mampahatanjaka ny reraka Izy , ary izay kely hery dia omeny hery be » (Isa 40.29)

2-Andriamanitra maharitra mandrakizay

Na dia mandalo fahoriana sy ady sarotra aza isika dia tokony hivavaka sy hanakina ny fiainana amin’Andriamanitra , satria eo ambany fitantanany avokoa ny zavatra rehetra . Azony atao ny miditra an-tsehatra ka manova izany toe-javatra izany , amin’ny maha-tompon’ny btabtara Azy . Ambaran’ny mpanao Salamo fa Andriamanitra dia mandrakizay . Izy no nahary ny tany sy ny lanitra ( and25).Mihelina sy mandalo ny zavatra rehetra ka tsy maintsy hiova sy ho levona , fa Izy kosa no tsy miova . Taomina isika mba tsy hifikitra amin’izay zavatra mandalo fa hanatena an’Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra . Tsy miova ny fitiavan’Andriamanitra antsika . « Jesoa Kristy no tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay » (Heb 13.8) .

Fanontaniana :

Nahoana no hiaharan’ny fahoriana ny olona na dia efa manankina ny fiainany amin’Andriamanitra aza ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Alahady 02 Janoary 2022

ISAIA 41. 1-7

Tsy miova ny fitiavan’Andriamanitra antsika

Teny fampiononana sy fampaherezana izay mampiseho ny fahefan’Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra no atolotra anio :

1-Izy no mitondra ny firenena rehetra

Mandidy amin’ny firenena sy ny olona rehetra mba hihaino tsara : « mangina hihaino Ahy ianareo , ry Nosy, ary aoka handroso hery ny firenena . Aoka hanatona izy ka dia hiteny . Andeha isika hifanatona eo amin’ny fitsarana  » (and1).Asehony Ffa eo am-pelatànany ny fahefana rehetra ka azony ampiasaina araka ny sitrapony .Ny mpanjaka Persiana izay tsy mahalala Azy akory no notendreny ho toy ny mpitsara hamoaka didim-pitsarana hanafahany ny vahoakany avy amin’ny fahababoana . Ny fanafahana antsika tamin’ny fanadevozan’ny fahotana dia tsy avy amin’ny herin’olombelona fa amin’ny alalan’i Jesoa Kristy .

2-Izy no fiandohana sy fiafarana

« Izaho Jehovah no voalohany , ary hatramin’ny farany dia mbola Izaho ihany no Izy « ‘and4) . Ilay Andriamanitra Mpahary izao rehetra izao no mitondra sy mifehy ny tantaran’ny zavatra rehetra . Izy koa no anton’ny fisian’ny fitohizan’ny taranaka . Izy no mihary sy mitantana ny vahoakany araka ny sitrapony . Izy no mahatanteraka izay rehetra nampanantenainy ho an’ny taranaka mifandimby. Io toetran’Andriamanitra tsy miova io dia mitondra hery sy fanantenana ho an’izay rehetra nantsoiny ka mino Azy ; na dia nandalo fotoan-tsarotra aza ny firenena rehetra . Amin’ny fiafaran’ny zavatra rehetra dia ho avy indray Izy hitsara ny olona rehetra araka ny asany avy .Mbola betsaka ireo firenena mifikitra sy miantehatra amin’ny fanompoan-tsampy . Adidintsika fiangonana ny mampahafantatra sy mampiomana ny olona ka mitaona azy hibebaka mialoha ny fiafaran’izao rehetra izao .

Fanontaniana :

Raha ho avy ny Tompo ,efa vonona tokoa ve ny fiangonana ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Sabotsy 01 Janoary 2022

JAONA 1.14-18

Tsy miova ny fitiavan’Andriamanitra

Andriamanitra dia fitiavana , ary noho ny fitiavany antsika dia nahary antsika olombelona Izy , sady maneho zava-mahagaga.

1-Tonga olombelona Izy

« Ary ny Teny tonga nofo… ». Ny finoantsika kristiana dia miorina amin’ny fanambarana fa Andriamanitra no nahary izao tontolo izao . Tsy nitoetra amin’ny maha-mpahary izao rehetra izao fotsiny anefa Izy , fa tonga olombelona tahaka antsika . Ary ilay « Teny  » tonga nofo , izay ambaran’ny Soratra Masina eto dia tsy hafa fa Jesoa Kristy , izany hoe : Ilay Andriamanitra mpahary izao rehetra izao ho tonga olombelona . Avy amin’izany no hahatakarantsika fa tia antsika Andriamanitra, ka nanetry tena mba hanam-pitoviana amintsika . »Fa nofoanany ny tenany tamin’ny nakany ny endriky ny mpanompo sy nahatongavany ho manam-pitoviana amin’olona  » ( Fil 2.7)

2-Niara-nonina tamintsika Izy

« Ary ny Teny dia tonga nofo ka nonina tamintsika « .Ny fiarahany monina amintsika zanak’olombelona dia manambara amintsika fa hitany sy tsapany avokoa izay rehetra manjo antsika , na ny fahoriana , na alahelo , ny tebiteby sns…Hatrizay hatrizay Andriamanitra ka ho mandrakizay . Fahasoavana lehibe ny fiarahany monina amintsika .Ho anilantsika mandrakariva Izy , ary manatrika antsika amin’izay rehetra atao sy amin’izay rehetra aleha , mba hahitantsika ny voninahiny eo amin’ny fiainantsika , araka izay anambaran’ny mpanoratra Azy hoe : « Ary hitanay ny Voninahiny , dia voninahitra mendrika ho an’ny lahitokana avy amin’ny Ray , sady feno fahasoavana sy fahamarinana« 

Fanontaniana :

Midika inona amin’ny fiainantsika ny teny hoe : « Imanoela » ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Mofo/ Janoary 22

Maharitra tsy miova ny Tompo

DATYTENY VAKIANA
01Jao 1.14-18
02Isa 41.1-7
03Sal102.23-28
04Mat 14.24-36
05Sal 46.1-11
061 Jao 1.5-10
07Apo 21.6-8
081 Jao 2.15-17
09Jak 1. 16-21
10Hab 3.17-19
11Mar 12.28-34
12Isa 40.27-31
13Deo 7.6-11
14Sal 40.1-4
15Lev 14.1-9
16Isa 46.3-7
17Efe 4.1-10
18Sal 90.1-6
19Jao 8.52-59
20Joe 2.21-27
21Rom 11.25-32
22Jao 17.1-5
23Mal 3.1-6
24Heb 13.7-16
25Jao 6.22-27
26Mika 7.18-20
27Heb 7.20-28
28Isa 48.12-16
29Jak 5.7-11
30Lio 5.12-16
311 Jao 3.1-6

Zoma 31 Desambra 2021

ASAN’NY APOSTOLY 13.1-5

Ny fanirahana mpitory Filazantsara

1-Miainga avy ao amin’ny Fiangonana

Ilay Jesoa : »Mandehana any amin’izao tontolo izao ka mitoria ny Filazantsara amin’ny olombelona rehetra  » (Mat 16.15). Baikon’ny Tompo sady asan’ny fiangonana anatin’ny fanompoampivavahana ny fitoriana ny Filazantsara . Ny Fiangonana lazaina eto dia ireo vahoakan’Andriamanitra mivory sy miara-mivavaka . Ao anatin’ny fanompoampivavahana no hanatanterahana ny fanirahana mpitory Fiazantsara . Marihana eto aza fa sady nanao fanompoampivavahana izy ireo no nifady hanina . Ary tsy izany ihany fa natokana sady nametrahan-tànana ireo izay nirahina . Tena zava-dehibe sy manan-danja eo anatrehan’Andriamanitra sy ny fiangonana tokoa araka izany ny asa fitoriana ny Filazantsara , ka tsy tokony hanao an-tsirambina izany ny fiangonana, indrindra fa ireo izay voatokana sy nirahina ho amin’izany .

2- Asan’ny Fanahy Masina

Ny bokin’ny Asan’ny Apostoly dia manasongadina hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany fa ny Fanahy Masina no mitarika sy manolo-tsaina ny fiangonana . Ny Fanahy Masina no mitaky ny hanokanana ireo izay hirahina hanao ny asa (and2) , maniraka azy roalahy ho amin’ny toerana izay halehany (and3) .Efa nambaran’i Jesoa rahateo fa ny Fanahy Masina no hisolo Azy, ka hiara-dàlana amin’ny mpianany mandrakizay (Jao 16) .Izany indrindra no mahatonga antsika tsy hitsahatra hangataka ny asan’ny Fanahy masina mba hialoha làlana azy amin’izay rehetra atao na amin’ny fanompoampiavavahana na amin’ny fiainana andavanandro .

Fanontaniana :

Tena manaiky ny fitarihan’ny Fanahy masina ve isika? Porofoy

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Alakamisy 30 Desambra 2021

ZAKARIA 8.18-23

Mifalia ao amin’ny Tompo

1-Hosoloina andro firavoravoana ny fifadian-kanina

Ny fifadian-kanina lazaina eto dia fahatsiarovana ny fahoriana lehibe nanjo ny firenena tamin’ny namaboan’ny Babyloniana an’i Jerosalema . Tsaroana tamin’izany ny faharavan’ny manda, ny mosary , ny fandosiran’ny miaramila sy ny mpanjaka Zedekia noho ny nafitsoky ny Kaldeana , ny nisamborana ny mpanjaka sy ny nitondrana azy mbamin’ny vahoaka niakatra nankany Babylona , ny namonoana ny zanakalahn’i Zedekia teo imason-drainy , indrindra ny nandoroan’ny mpanompon’ny mpanjakan’ny Babylona ny tranon’ny mpanjaka mbamin’ny trano lehibe rehetra . Amin’izao kosa dia ampaherezin’ny Tompo amin’ny alalan’ny mpaminany ny vahoaka mba hananany fanantenana ny amin’ny ho avy , ka nilazany fa hody fifaliana izany rehetra izany . Tsy maintsy ho resy ny fahavalon’Andriamanitra. Takiana kosa ny hiainana amin’ny rariny sy ny fahamarinana.

2-Hitady an’i Jehovah izao tontolo izao (and20-23)

Rehefa tsapan’ny vahoaka ny fahamarinan’ny Tenin’Andriamanitra ka manana fifandraisana tsara amin’Andriamanitra ny olony dia ho avy ny fotoana hitadiavan’ny firenena rehetra an’Andriamanitra . Ny fitoriana ny Filazantsara dia aseho amin’ny alalan’ny toetra hita maso , ka ny fahitana izany no hisarika ny olona hanatona an’Andriamanitra sy handraisany anjara fitahiana avy Aminy . Azo lazaina araka izany fa ny kristiana dia toy ny fantsona mampita ny Tenin’Andriamanitra sy ny fitahiany ho an’ny olona rehetra , raha miaina amin’ny sitrapon’Andriamanitra tokoa izy . Fa raha tsy izany dia ho sarotra ny hitaona ny hafa hanatona an’Andriamanitra .

Fanontaniana :

Manana fanantenana ny amin’ny ho avy ve ny Fiangonana ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM