Talata, faha 20 Mey 2025

(Sal 30.1-4 / Hira 183.1/ Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 307.1-2)

1 Samoela 1. 11-13

Ny fifidianan’Andriamanitra

Nihevitra ny tenany ho kely i Saoly, nefa dia nofidin’Andriamanitra ho mpanjakan’ny Isiraely (1Sam 1,11). Rehefa tsy nanatanteraka izay nolazain’Andriamanitra ny amin’ny handringanana ny Amalekita sy izay rehetra nananany anefa izy dia nalan’Andriamanitra taminy ny fanjakana, ka nifidy mpanjaka hafa Izy.

1- Mifidy izay heverina ho madinika

I Davida no nofidian’ Andriamanitra ho mpanjaka handimby an’i Saoly. I Davida ilay noheverina ho tsy mendrika izany toerana izany noho ny maha zandriny. indrindra azy tamin’ireo zanak’i Jesé. Tsy araka ny fijerin’olona anefa ny fifidianan Andriamanitra, fa mifidy sy mametraka fitokisana amin’izay heverina ho kely sy madinika amin’ny fomba fijery sy fisainan’ny olombelona Izy. Na dia kely aza no fiheveran’ny olona anao, dia tsarovy fa mifidy sy mametraka andraikitra ary fitokisana aminao Andriamanitra.

2-Ampidininy amin’izay nofidiany ny Fanahiny

Ny fifidianan’Andriamanitra an’i Davida ka nanosoran’i Samoela azy ho mpanjaka, araka ny baikon’Andriamanitra no nampidiñan’Andriamanitra ny fanahiny tao amin’i Davida. Io Fanahy io no manome saina sy fahendrena azy, ary ahafahany manao ny andraikitra rehetra ao anatin’izany fifidianana azy izany. Isika koa dia nofidian’Andriamanitra ka nomeny ny fanahiny tamin’ireny fanokanana isan-karazany ireny; ary izany no mahatonga ny. Diakona hanao fenekena hoe ny herin’ Andriamanitra no hiankinako hahatahterahako izany.

Fanontaniana:

Tsapanao ve fa olom-boafidin’Andriamanitra ianao ary itoeran’ny fanahiny?

Sampana Sekoly Alahady Foibe

Alatsinainy, faha 19 Mey 2025

(Sal 103, 1-5 / Hira 94.1-2 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 89, 1-2)

Romana 8. 9-17

Ny asan’ny Fanahin’Andriamanitra

Asehon’i Paoly miharihary ny fahasamihafan’ny olona mandeha araka ny Fanahy sy ny mandeha araka ny nofo. Ny Fanahin’Andriamanitra dia:

1. Manome fahavelomana ho an’izay itoerany

Ny olona itoeran’ny Fanahin’i Kristy izay Andriamanitra ihany koa dia mandeha araka ny Fanahy, satria io no mamelona azy. Ambarany fa raha ny fanahin’Izay nanangana an’i Kristy tamin’ny maty no mitoetra ao anatin’ny olona dia Izay nanangana an’i Jesoa tamin’ny maty no hamelona ny tena mety maty amin’ny Fanahiny. Andriamanitra io mpanangana sy mpamelona mampiasa ny Fanahiny lazaina eto io. Ny fandehanana araka ny Fanahy no manome fahavelomana, satria manafaka ny olona amin’ny fahafatesana vokatry ny fahotana. Andeha ary isika handeha araka ny Fanahy, dia hanohitra ny asan’ny nofo ka ho velona tokoa.

2- Manangana ny olona ho zanak’Andriamanitra

Ny olona iasan’ny Fanahy Masina izay antsoina hoe Fanahin’Andriamanitra ihany koa ihany no afaka manolo-tena ho zanahan’Andriamanitra. Hoy ny and. 16 hoe « …ny fanahy miara-milaza amin’ny fanahintsika fa zanak’Andriamanitra isika ». Eo koa ny and.14 manao hoe: « Fa izay tarihin’ny fanahin’Andriamanitra no zanak’Andriamanitra ». Izany hoe: izay manaiky handeha araka ny Fanahy, na iasan’ny Fanahin’ Andrimanitra irery ihany no azo antsoina hoe zanak’ Andriamanitra. Raha milaza ho zanany tokoa àry isika dia aaoka hanaiky hiasan’ny fanahin’ Andriamanitra.

Fanontaniana:

Tena resy lahatra tokoa ve ianao fa tena zanak » Andriamanitra? Hazavao ny hevitrao.

Sampana Sekoly Alahady Foibe

Alahady, faha 18 May 2025

Sal 34, 1-9/ Hira189,1-2 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 449.1-2

I Korintiana 12.1-11

Ny asan’ny Fanahy Masina

Ambaran’i Paoly fa misy akony eo amin’ny finoana sy ny fianana andavanandro tokoa ny asan’ny Fanahy Masina:

1- Mampanaiky ny olona fa i Jesoa no Tompo.

Milaza mahitsy i Paoly manoloana ireo adihevitra ny amin’ireo fampianarana sy faharesen-dahatra maro samihafa, fa tsy misy olona afaka manaiky fa i Jesoa no Tompo raha tsy ny Fanahy Masina no miasa ao anatiny. Marina tokoa izany raha mijery ny fivavahana silamo izay tsy manaiky an’i Jesoa ho Tompo isika, ary koa mandinika ireny fivavahan-drazana sy fivavahana amin’andrimani-tsy izy ireny. Tsy misy asan’ny Fanahy Masina ao aminy. Mila mitandrina ihany koa anefa satria amin’izao fotoana sarotra sy farany izao dia maró ny mpamitaka izany milaza fa mino an’i Jesoa ho Kristy kanefa antikristy.

2- Mizara fanomezam-pahasoavana ho an’ny olona.

Mahay ny zavatra rehetra Andriamanitra amin’ny maha Mpahary izao tontolo izao Azy. Zarainy ho an’ny olona rehetra ihany koa izany fahaizana zavatra izany ka miseho amin’ny endrika fanomezam-pahasoavana. Ambaran’i Paoly manolona ireo fanomezam-pahasoavana maro samihafa ananan’ny olona tsirairay ao amin’ny Fiangonana fa Fanahy iray ihany no nihavian’izy ireny dia ny fanahin’Andriamanitra. Noho izany dia tsy tokony hampifanditra na hisy ambony sy ambany fa natao hifameno sy hifampandrosoana. Aoka ary tsy hisy hanao tsinontsinonam fanomezam-pahasoavan’ny hafa.

Fanontaniana:

Inona no fanomezam-pahasoavana nomen’ny Tompo anao?

Sampana Sekoly Alahady Foibe

Sabotsy, faha 17 May 2025

(Sal 104.1-5 / Hira21,1-2 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 482,1-2)

Ezekiela 11.1-13

Ny fanahin’Andriamanitra

1- Manolo-tsaina sy mitari-dalàna ny mpanompony

Nandalo zava-tsarotra tokoa ny zanak’Isarely taorian’ny nanafihan’ny Babyloniana azy ireo ny taona 597 talohan’i Jesoa Kristy. Izany dia noho ny fahotan’izy ireo. Nisy anefa ireo olona izay nijoro nilaza ho mpaminany, nilaza fa tsy nanota izany izy ireo fa mbola fitahiana aza no itoerany ao Jerosalema; fa ny olona lasan-ko babo no nanota, izay ambara ho taolana. Notarihin’ny Fanahin’ Andriamanitra i Ezekiela ka nampahalalany ireo olona mpamitaka sy manome saina ratsy ireo Zanak’Israely ireo sy ny fepetra tian’Andriamanitra hatao amin’izy ireo. Ny mpanompon’ Andriamanitra dia omen’ny Fanahy masina tari-dalana sy tolo-tsaina hahafantatra ny marina rehetra. Koa andeha hanaiky ho toloran’ny Fanahy saina, fa ny marina hanafaka antsika tsy ho andevo.

2- Mampahafantatra ny fahefan’Andriamanitra

Ny Fanahy Masina eto, araka ny and.5 manao hoe: « Lazao hoe: izao nolazain’i Jehovah, izany no fiteninanareo ry taranak’israely ary fantatro izay rehetra ao an-tsainareo », no mampiteny ny mpaminany hahafantaran’ny Zanak’Israely fa tsisy miafina eo anatrehan’ Andriamanitra izay rehetra fanao sy fisaina iainan’ny Zanak’Israely, izay mahadiso azy eo anatrehan’Andriamanitra. Hanafay azy ireo Izy noho izany, ka hoentiny amin’izay zavatra nandosirany izy ireo satria tsy nanao izay mahitsy teo anatrehany. Asehon’ Andriamanitra fa lehibe ny fahefany mitantana ny Zanak’Israely amin’ny maha vahoakany azy. Isika koa dia co ambany hahefany.

Fanontaniana:

Mino ve ianao fa miharihary eo anatrehan’Andriamanitra ny fiainantsika ary tsisy takona izay tsy haseho?

Sampana Sekoly Alahady Foibe

Zoma, faha 16 Mey 2025

(Sal 1, 1-3 / Hira 1,1-2 / Vavaka / Mofonaina / Hira 549, 1-2)

1Petera 1.10-12

Ny asan’ny Fanahy Masina tao amin’ireo mpaminany:

1- Nanambaran’izy ireo ny lalam-pamonjena

Ny famonjena entin’ny fiavian’i Kristy dia nandrandrain’ny Jiosy fatratra, sady efa nampilazaina ny mpaminany nifandimby rahateo. Na ireo mpaminany nanambara izany aza dia mba naniry fatratra ny hahita izany. Tsy ny fahatanterahan’ny famonjena ihany no nampitenenin’ny Fanahy Masina azy ireo fa nampilazaina azy ireo ihany koa ny fahatanterahan’ny famonjena izay tsy maintsy ialohavan’ny fijaliana sy ny fahafatesan’i Kristy, vao hiseho ny voninahiny. Rehefa miasa ao anatintsika tokoa ny Fanahy Masina, na dia ny zavatra ho avy aza dia hambarany amintsika araka ny Jaona 16,13b manao hoe « ary ny zavatra ho avy aza dia hambarany aminareo ».

2- Nampitory azy ireo ny Filazantsara ho antsika

Naseho tamin’izy ireo tamin’ny bitsiky ny Fanahy ihany koa manoloana ny fanirian’izy ireo te hahita fatratra izany famonjena izany, fa tsy izy ireo izay nampilazaina ny hahita izany fa ho an’ny taranaka ho avy. Tsy nahakivy azy ireo anefa izany; nampahery azy ireo ny Fanahy Masina ka nahafahany nitory hatrany ny Filazantsara ho an’ny taranaka ankehitriny. Ny olona iasan’ny Fanahy Masina dia tsy mijery na miasa ho an’ny tenany ihany, fa mihevitra izay hahasoa ny taranaka ihany koa; mampita ny Filazantsara amin’ny taranaka mifandimby, mba handraisan’izy ireo ny Famonjena natao ho azy ireo.

Fanontaniana:

Vonona ve ianao hampita ny Filazantsara amin’ny tarakanao mifandimby? Ahoana ny fomba hanaovanao izany?

Sampana Sekoly Alahady Foibe

Alakamisy faha 15 May 2025

(Sal 106.1-5 / Hira 482.1,5 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 753.1)

Matio 1: 18-25

Ny olona manaiky ny fitarihan’ny Fanahy Masina

1- Tsy manala baraka ny namany.

Voalaza fa Josefa dia lehilahy marina, olona nadio fitondran-tena. Niatrika olana saro-bahana anefa izy, satria i Maria fofombadiny dia efa nitoe-jaza sahady. Fahafaham-baraka teo amin’ny fianakaviana sy ny fiaraha-monina Jiosy ny toe-javatra toy izany. Sahirana ny sain’i Josefa, ho sarotra aminy ny hampakatra an’i Maria ho vadiny, tsy mora koa ny hiverin-dàlana ho amin’ny fisarahana. Tsy tiany anefa ny hahafa-baraka ity vehivavy izay nokasainy halaina ho vady. « Ary Josefa vadiny, izay lehilahy marina sady tsy ta-hanala baraka azy, dia nikasa hametraka azy mangingina. » (and.18). Raha olona tsy manaiky ny fitarihan’ny Fanahy Masina no tratry ny toe-javatra toy izao dia angamba efa tonga tamin’ny fitoraham-bato sy fifanalam-baraka; hiahaka ny fainan-tokantrano ka fikorontanana no hiafarany.

2- Mankato ny Tenin’Andriamanitra.

Nambaran’ny anjely tamin’i Josefa ny anton’izao zava-mahagaga momba ny fahaterahan’i Jesoa izao. Nolazainy taminy fa ny fahatongavan’i Jesoa dia ny hamonjy ny olona rehetra ho afaka amin’ny fahotany. Nanaiky hanambady an’i Maria i Josefa, rehefa nazava taminy ny fikasan’Andriamanitra, dia ny hahatanteraka ny teny izay nampilazainy ny mpaminany (and.22,23). Ny fisainantsika olombelona dia tsy ampy hahatakatra sy hahavaha ny ankabeazan’ny olana miseho eo amin’ny fiainan-tokantrano, na ny olana eo amin’ny fiainam-piaraha-monina sy ny firenena. Manampy antsika amin’izany ny fandinihana sy fanarahana izay lazain’ny Tenin’Andriamanitra, eo ambany fitarihan’ny Fanahy Masina.

Fanontaniana:

Inona avy no mahatonga ny korontana sy fisaraham-panambadiana?

Sampana Sekoly Alahady Foibe

Alarobia faha 14 May 2025

(Sal 126 / HF 4 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 332)

Zakaria 4.1-7

Ny herin’ny Fanahy Masina

Rehefa niverina avy tany am-pahababoana ny Jiosy dia nisedra fahasahiranana samihafa. Betsaka ny sakantsakana tamin’ny fanarenana ny Tempoly. Soa fa teo ny Fanahy Masina:

1- Maneho ny fanatrehan Andriamanitra

Nanehoan’ny Tompo fahitana i Zakaria mpaminany mba ho fampaherezana an’i Zerobabela sy Josoa izay nitarika ny vahoaka amin’ny fanarenana ny Tempoly. Hoy izy: « Hitako fa, indro, misy fanaovan-jiro tena volamena, ary ny fitoeran-diloilony dia eo an-tampony, ary ny lela fanaovan-jirony fito kosa dia eo aminy, ary misy fantsona fito avy amin’ny isan’ny lela fanaovan-jiro izay eo an-tampony ». Ny fahitana ny amin’ny fanaovan-jiro volamena fito mirehitra no nanehoan’Andriamanitra ny fanatrehany sy ny halehiben’ny fahefany eo amin’ny olony, ary ny fitoeran-diloilo eo an-tampony kosa dia manambara fa ny Fanahy Masina no toy ny solika mitsororika mampirehitra ny jiro izay mahatonga ny vahoakany ho fahazavana ho an’ny olona rehetra. Zava-dehibe ho antsika mpino ny fahatsapana fa manatrika antsika ny Tompo.

2- Manampy amin’ny fanatanterahana ny asa

Nampahafantarin’ny anjely an’i Zakaria ny hafatra avy amin’ny Tompo mba ho fampaherezana an’i Zerobabela: « Tsy amin-kery na amim-pahatanjahana, fa amin’ny Fanahiko, hoy Jehovah, Tompon’ny maro. » (and.6). Ny Fanahy Masina no loharanon-kery hahavitana ny asan’Andriamanitra fa tsy ny hery ara-tafika, na ny fahefana amin’ny maha olombelona. Ny Fanahin Andriamanitra tao Aminy no nahavitan’i Jesoa ny asa nanirahan’ny Ray Azy, sady nandraisan’ny Fiangonana hery tamin’ny andro Pentekosta ka nielezan’ny Filazantsara maneran-tany.

Fanontaniana;

Ahoana no ahatsapana ny fanatrehan’ny Tompo amin’ny flainantsika andavanandro?

Sampana Sekoly Alahady Foibe

Talata faha 13 May 2025

(Sal 108.1-5 / Hira 164 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 310)

Asan’ny Apostoly 8. 26-40

Ny olona manaiky ny fitarihan’ny Fanahy Masina.

Aoka ho vonona mandrakariva isika, satria tsy voatery ho fantatra mialoha ny asa misiona antsika. Izy no mitarika amin’ny alalan’ny Fanahy Masina. Ny anjarantsika kosa dia:

1- Manaraka tsara ny toromarika omeny.

Nanaraka izay nolazain’ny anjelin’ny Tompo i Filipo ka nizotra nidina avy ao Jerosalema, namakivaky ny tany efitra mankany Gaza. Tsy nolazaina azy mialoha na toerana haleha na ny asa hampanaovin’ny Tompo azy, fa nanaraka fotsiny izy. Lehilahy jentilisa iray, manam-boninahitra ambony, avy namonjy fivoriam-bavaka ka an-dalana hiverina mody, mipetraka ao anaty kalesiny mijanona, mamaky Soratra Masina, no nataon’ny Tompo hifanena sy hiresaka tamin’i Filipo. Mandinika ny Soratra Masina izy, saingy tsy fantany izay hevitry ny teny novakiany. Inona no hararaotin’ny mpitondra fivavahana rehefa mihaona amin’olona manokana sy manan-kaja toy izany? Inona no nataon’i Filipo?

2- Manazava ny Soratra Masina.

Ilaina ny fahaizana manazava ny Soratra Masina, indrindra ho an’ireo izay voantso manokana ho amin’ny asa fitoriana ny Filazantsara. Mila mpampianatra izany, araka ny voalazan’ilay lehilahy etiopiana hoe: « Hataoko ahoana no fahay, raha tsy misy mampianatra ahy? » (and.31). Tsy ampy hahatakarana izay lazain’ny Soratra Masina ny fahefana sy ny haja amam-boninahitra. Nanaiky izany ilay olo-manan-kaja. Maro ny olona toa azy: mangetaheta te handre sy hahalala izay ambaran’ny Soratra Masina ka mila mpampianatra. Miandry antsika izy ireny. Mahaiza manararaotra ny fotoana fihaonana aman’olona, hitaomana azy handray an’i Jesoa Kristy.

Fanontaniana:

Inona no masaka ao an-tsain’ny mpitondra Fiangonana rehefa mihaona amin’ny mpitondra ara-panjakana?

Sampana Sekoly Alahady Foibe

Alatsinainy faha 12 May 2025

(Sal 40.1-5 / Hira l75.1.4 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira177.4)

Mpitsara 3.7-11

Ny anton’ny famaizan’ Andriamanitra

1- Vokatry ny fanompoan-tsampy.

Masina ny Tompo Andriamanitra, ary tiany ho masina tahaka Azy koa ny vahoakany. Mahasaro-piaro Azy ny fanompoan-tsampy, ka mahatonga ny fahatezerany mirehitra. Nony maty i Josoa dia niverina nanompo sampy indray ny Israelita. « Ary nanao izay ratsy teo imason’i Jehovah ny Zanak’ Isiraely ka nanadino an’i Jehovah Andriamaniny ary nanompo ireo Bala sy Aseraha (and. 7). Nofaizin’Andriamanitra izy ireo noho izany ka navelany hampijalian’ny mpanjaka jentilisa izay sady ratsy fanahy no tsy matahotra an’Andriamanitra (and.8). Voalaza fa naharitra valo taona ny faharetan’izany fampahoriana izany. Avelany hanjaka sy hanan-kery ny fampijaliana sy ny fampahoriana ataon’ny firenen-kafa rehefa minia manadino sy mihodina Aminy ny vahoakany. mandra-pahatsiarovany hibebaka ka hiverina hanompo Azy.

2- Fampiverenana Aminy

Noho ny fahoriany dia nahatsiaro an’i Jehovah ny Israelita ka nifona sy nitaraina taminy. « Dia nitaraina tamin’i Jehovah ny Zanak’Isiraely, ary Jehovah nanangana mpamonjy ho an’ny Zanak Isiraely, izay namonjy azy… »(and. 9). Naneho ny famindrampony Andriamanitra ka niantso an’i Otniela hanafaka ny vahoaka. Ny Fanahin’i Jehovah izay nirotsaka taminy no nahafahany nanateraka ny asa nankinina taminy. Raha miaiky ny fahotantsika isika dia Jesoa Kristy no hanafaka antsika amin’ny fahavoazana rehetra. Izy no voahosotr’ Andriamanitra hanafaka antsika amin’ny fanandevozan’ny fahotana ka hananantsika fiainana feno fiadanana mandrakizay.

Fanontaniana:

Inona avy ny karazana fanompoan-tsampy fantatrao. Inona no voka-dratsy aterak’ izany eo amin’ny fiainan’ny olona?

Sampana Sekoly Alahady Foibe

Alahady faha 11 May 2025

(Sal 46. 1-3 / Hira 21 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 642)

Marka 13.9-11

Mampiomana ny mpanara-dia Azy i Jesoa.

1- Hisy ny sakantsakana amin’ny asa fitoriana.

Tamin’ny toriteny izay nataon’i Jesoa tao an-tendrombohitra Oliva no nilazany ny momba ireo famantarana ny fiandohan’ny fahoriana izay hiseho amin’izao tontolo izao. Ankoatra ny fisian’ny mpaminany sandoka sy ny filazana ady mbamin’ny loza voa-janahary, dia nambaran’i Jesoa tamin’ny mpianany fa tsy maintsy hiharan’ny fanenjehana sy ny fampahoriana isan-karazany izay rehetra manaraka Azy. Hatolotra hotsaraina eo anatrehan’ny Antenimiera jiosy na ny Synedriona izy ireo ka homelohina sy hokapohina noho ny fanarahany an’i Jesoa. Hanenjika sy hanameloka azy koa ny manam-pahefana jentilisa. Noho izany dia tsy tokony ho zavatra hahagaga ny mpino ny fankahalana sy ny fanenjehana samihafa mihatra aminy noho ny fijoroany ho vavolombelon’i Jesoa Kristy. Tsy hahafoana ny fitoriana ny Filazantsara anefa izany: « Ary ny firenena rehetra tsy maintsy hitoriana ny filazantsara aloha. » (and.10)

2- Hisolovava ny Fanahy Masina

Tsy tokony hatahotra na hihemotra manoloana ireo fanenjehana izay hihatra aminy ny Kristiana. Satria manana ny Fanahy Masina izy, izay mitari-dalana sy misolovava azy amin’ny fotoana rehetra izay ilana izany. Eto no anamarinana fa tena miandany amin’ny mpanompo izay irahiny amin’ny asa fitoriana ny Filazantsara ny Tompontsika: « Koa raha mitondra anareo hatolotra izy, dia aza manahy rahateo izay holazainareo; fa izay teny homena anareo amin’izany ora izany no holazainareo; fa tsy ianareo no hiteny, fa ny Fanahy Masina. » (and.11)

Fanontaniana:

Raha ny Fanahy Masina tokoa no Mpisolovava antsika, mbola ilaina fanomanana ve ny fitorian-teny sy ny fampianarana?

Sampana Sekoly Alahady Foibe