Talata, faha 25 Novambra 2025

Sal 24. 1-10 / Hira 177: 1/ Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 164: 2

Fanontaniana telo no azontsika omena valiny eto:

    << Ary ankehitriny, anaka, tomæra ao aminy… >> hoy ny Apostoly Jaona. lo teny hoe « tomoera » io dia azo omena dika hoe: mifandraisa tsy tapaka amin’i Kristy na ihany koa aza misaraka amin’i Jesoa mihitsy. Raha lazaina amin’ny teny hafa aza dia hoe aoka hiankinan-doha amin’i Jesoa mihitsy (Jao 15. 4, 5). Ary izany no ampirisihana antsika. Azontsika atao izany, amin’ny alalan’ny vavaka sy ny famakiana Soratra Masina tsy tapaka isanandro.

      <<<…mba hananantsika fahasahiana, raha hiseho Izy… ». Ny hoe: << raha hiseho… » dia maneho fa tsy zavatra noforomporonina akory, na zavatra tsy azo antoka ny fisehoana na fiverenan’i Jesoa Kristy indray. Tsy mampisalasala fa tena hisy tokoa izany (1 Jao 3. 2). Izany indrindra no hanamafisana orina ny fitoerana ao amin’i Kristy. Ianao koa, aoka hazava tsara aminao fa i Jesoa mihitsy no efa nilaza fa handeha ka ho avy indray (Jao 14. Iss)

        «…ka tsy ho menatra eo anatrehany amin’ny fihaviany». Ny olona tafatoetra ao amin’i Kristy dia manana tombondahiny. Tony dia tony izy miandry ny fiverenan’ny Tompo, tsy misy mampanahy azy ny hihaona amin’i Jesoa, fa raha ny marina aza dia satriny ho izao dia izao izany. Ny antony, dia satria azony antoka tanteraka fa ho fifaliana ny fihaonany amin’i Jesoa fa tsy ho fanahiana. Matoky izy fa handova ny fiainana mandrakizay. Tahaka izany i Paoly maika mihitsy azy hihaona amin’i Jesoa. Ary ianao ?

        Ahoana no hahazoanao antoka fa ao amin’i Kristy ianao?

        Perikopa 2025

        Novambra: MAHANDRASA, HO AVY NY TOMPO

        | | 30. Advento I
        Sal. 75. 1-10 | Lio. 21. 12-19 | Apo. 3. 7-13

        Desambra: MANANTENÀ AN'ANDRIAMANITRA

        | | 07. Advento II
        Job. 11. 13-20 | Jao. 3. 16-21 | 1Pet. 1. 17-21

        | | 14. Advento III - Sampana Sekoly Alahady
        Sal. 131. 1-3 | Lio. 10. 21-24 | 1Kor. 14. 20-22

        | | 21. Advento IV
        Jer. 14. 19-22 | Lio. 2. 25-32 | Tit. 2. 11-15

        FJKM Fahazavana

        Fivoriana voalohany – taorian’ny SLXX ao amin’ny CFD AMPANDRANA

        Fandaminana ny Alahady 19 Oktobra 2025 eny amin’ny FJKM AMBOHIMALAZA FIRAISANA KANANA VAOVAO