Sabotsy, faha 22 Novambra 2025
Fitomaniana 3. 25-27
Sal 92. 1-5 / Hira 174: 1 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira FF 10: 1
Fitomanian’i Jeremia, no iantsoan’ny dikanteny sasany ity boky ity. Fitarainana samihafa sy fiantorahana amin’ Andriamanitra no hita ao, kanefa ao koa no hanehoan’ny mpanoratra ny fatokiany Azy na dia eo aza izay iaretany. Zavatra telo loha no ambara fa tsara eto na dia ao anaty fizahan-toetra aza:
1. Ny manantena an’Andriamanitra (and 25)
» Tsara Jehovah amin’izay manantena Azy, dia amin’ny olona izay mitady Azy ». Ampitaina eto fa ao anaty ady mahamay na fizahan-toetra, dia tsy ny mikomy amin’Andriamanitra no lalan-kizorana fa ny manaiky am-panetren-tena ny lesona na anatra tian’ny Tompo hampitaina. Tsy ny manalavitra, na mitsoaka sy manome tsiny Azy no atao, fa ny manatona sy miandrandra ny fanavotany.
2. Ny miandry ny famonjen’Andriamanitra (and 26)
« Tsara ny miandry ny famonjen’i Jehovah amin’ny fahanginana». Taomina ny mino eto, tsy hihazakazaka haka ny toeran’ Andriamanitra, na hihevi-tena ho mahavita tena fa hatoky Azy kosa, ka hametraka ny ady eo an-tanany (Eks 14.14). Ny miandry amin’ny fahanginana, dia maneho fatokiana sy fahazoana antoka fa Jehovah hiady ho an’ny olony.
3. Ny mitondra zioga raha mbola tanora (and 27)
» Tsara amin’ny olona ny mitondra zioga, raha mbola tanora izy ». Ny zioga eto dia sarin-teny enti-manambara fizahan-toetra, andraikitra na fitsipi-pitondran-tena, ka ny tiana havoitra dia hoe dieny mbola ao anatin’ny fahatanorana (vanim-potoana mbola hahazoana mamolaka ny fiainana hifanaraka amin’ny tokony ho izy) dia efa mizatra sy mamola-tena hanaraka sy hankato ny Tenin’Andriamanitra, mba tsy ho tonga amin’ny fanenenana amin’ny ho avy.
Fanontaniana
Inona no azonao ambara momba ny fahatsaran’i Jehovah?
Sampana Sekoly Alahady Foibe

