Alakamisy, faha 20 Novambra 2025
Sal 24. 7-10 / Hira190: 1 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 444:1
Joda 1:17-23
Ny Mofonaina anio dia mananatra ny amin’ny mpampianatra sandoka sy ny tokony hatao manoloana izany, ary mampahatsiahy antsika koa fa miharatsy izao tontolo izao, fa ianao Kristiana kosa:
1. Aza roboka amin’izany (and 20a)
« Fa ianareo kosa, ry malala… » hoy i Joda eto; entiny milaza fa ny Kristiana dia taomina hahajoro tsara amin’ny finoana ka tsy ho voasariky ny mpampianatra sy ny fampianarana sandoka samihafa izay mahazo vahana eo anivon’ny fiaraha-monina. Tsy ho mora voarebireby foana fa hahay hizaha toetra ny fanahy (1 Jao 4. 1) na tena avy amin’ Andriamanitra tokoa na fanahy sy mpampianatra mirentirenty sy mandrobo etsy sy eroa.
2. Mandrosoa hatrany hatrany (and 20b)
« Fa ianareo kosa, ry malala, dia ataovy izay handrosoanareo amin’ny finoanareo masina indrindra, ka mivavaha ao amin’ny Fanahy Masina« . Eto kosa dia taomina isika Kristiana hihevitra ny hitomboana amin’ny finoana mandrakariva, ary hanana fiainam-bavaka matanjaka sy hivelona amin’ny Tenin’ Andriamanitra, mba tsy ho mora andairan’ny fanozongozonana amin’ny endriny samihafa.
3. Mitoera ao amin’i Kristy irery ihany (and 21)
« Ary tehirizo ny tenanareo ao amin’ny fitiavan’Andriamanitra. miandry ny famindram-pon’i Jesosy Kristy Tompontsika ho fiainana mandrakizay.« . Ity andininy ity, dia mitaona ny Kristiana hifanampy sy hifanome tanana amin’ny hahazoana mihazona tsara ny finoana sy ny fampianarana tsy misy kilema. Azo tanterahina amin’ny alalan’ny fifampitondrana am-bavaka izany, amin’ny alalan’ny fifamangiana sy fifampaherezana amin’ny endriny samihafa ihany koa.
Fanontaniana
Inona tsara no andrasana amintsika Kristiana?
Sampana Sekoly Alahady Foibe

