Alarobia, faha 19 Novambra 2025

Sal 103. 1-5 / Hira 206: 1 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 432: 1

Ny mofonaina anio, dia mampianatra toy izao: co am-piandrasana an’i Jesoa Kristy, ny Kristiana dia taomina ho:

    « Mampianatra antsika handà izay to-panahy tsy araka an’Andriamanitra sy ny filan’izao tontolo izao ary ho velona amin’ny onony… ». Ny dikan’ny hoe  » velona amin’ny onony » dia hoe hahafchy tena sy hanana fanetren-tena ka tsy ho latsaka amin’ny fanarahan-davahana fotsiny ny fiainana feno filibana sy rendrarendra ataon’ny fiaraha-monina (ny tao Kreto mantsy dia be filibana ny fiaraha-monina). Mampahomby ny fitoriana ny Filazantsara izany, satria tsy teny fotsiny, fa fiainana azo alain-tahaka.

      « …ary ho velona amin’ny onony sy ny marina ». Ny hevitry ny hoe << marina >> eto dia ilazana ny fahaiza-miara-monina amin’ny hafa am-pitiavana sy fifanajana, tsy manavaka na iza na iza; fa tia sady mihevitra izay hahasoa ny mpiara-belona. Moa va tsy tahaka izay nataon’i Jesoa mihitsy, ary miara-dalana amin’izany ny fankatoavana ny didin’Andriamanitra!

        « …Ho velona amin’ny onony sy ny marina ary ny ta-panahy araka an’Andriamanitra amin’izao fiainana ankehitriny izao ». Toc-panahy ateraky ny fahatsapana ny hasarobidin’ny fahasoavan Andriamanitra, ka iainana mifanaraka amin’ny tena fiainana Kristiana: fianam-pitiavana, fiainam-pankatoavana, fiainana hanoherana fakam-panahy, fiainana tsara fifandraisana amin’Andriamanitra amin’ny fotoana rehetra.

        Ahoana ny hahazoana mampihatra ireo voalaza ireo?

        Perikopa 2025

        Novambra: MAHANDRASA, HO AVY NY TOMPO

        | | 23. Ala. XXIV man. Trinite - KPMSV
        Mik. 7. 7-10 | Lio. 21. 5-11 | 1Jao. 2. 24-29

        | | 30. Advento I
        Sal. 75. 1-10 | Lio. 21. 12-19 | Apo. 3. 7-13

        Desambra: MANANTENÀ AN'ANDRIAMANITRA

        | | 07. Advento II
        Job. 11. 13-20 | Jao. 3. 16-21 | 1Pet. 1. 17-21

        | | 14. Advento III - Sampana Sekoly Alahady
        Sal. 131. 1-3 | Lio. 10. 21-24 | 1Kor. 14. 20-22

        FJKM Fahazavana

        Fivoriana voalohany – taorian’ny SLXX ao amin’ny CFD AMPANDRANA

        Fandaminana ny Alahady 19 Oktobra 2025 eny amin’ny FJKM AMBOHIMALAZA FIRAISANA KANANA VAOVAO