Sabotsy, faha 15 Novambra 2025
Sal 63,1-5 / Hira 547:1,4 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 639
Salamo 27.1-14
Izay miandry an’ny Tompo
1. Afa-tahotra (and.1-3)
Tena manana fahatokiana goavana amin’Andriamanitra Mpiaro azy ny mpanao Salamo noho ny finoana ao anatiny. Koa na vao miomana fatratra aza ny fahavalo, eny na dia efa ao anaty ady koa aza, dia tsy hana-tahotra ny fony, satria azony antoka ny hery ananan’llay ianteherany. Afa-tahotra tanteraka izy satria mino sy manantena ny fandresena omen’ny Tompo azy. Koa aza matahotra fa manoatra noho ny mpandresy isika noho i Jesoa Kristy; satria na ny fahafatesana aza efa resiny.
2. Mangetaheta an’Andriamanitra (and.4-6)
Faniriana sy hetaheta lalina ao amin’ity mpanao Salamo ity ny hítoetra ao an-tranon’Andriamanitra. Tena fifaliana ho azy ny mitoetra ao satria toeram-pahasoavana, toerana tsara indrindra amin’ny fotoana sarotra. Ambonin’izany rehetra izany, dia ao no toerana manokana hihaonana amin’Andriamanitra ka hanompoana Azy. Noho izany dia te honina ao mandrakariva izy, te ho eo anilan’ny Tompo hatrany hatrany. Ny Fiangonana dia tokony toerana mampangetaheta ny mino.
3. Sahy mangataka Aminy (and.7-11)
Vokatry ny fifandraisana tsara dia tsy misalasala mitaraina amin’ Andriamanitra ny mpanao Salamo. Ny fandrenesany ny Teny dia manosika azy hangataka. Hoy Jesoa: « …raha mitoetra ao anatinareo ny teniko dia angataho… « (Jao.15,7). Mangataka izy satria inoany fa mihaino sady mamaly vavaka ny Tompo (and.10) manoloana ny loza mitatao (and.12). Misy fomba tsara ianarana eto: mialohan’ny hilazana ny manahirana dia ny famindrampon’ny Tompo no italahoana satria tsy misy tanteraka na dia iray aza.
Fanontaniana:
Inona no ataonao voalohany raha mandalo fotoan-tsarotra?
Sampana Sekoly Alahady Foibe

