Zoma, faha 14 Novambra 2025
Sal 66,1-4 / HF.48 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 512:1,2
Hebreo 10. 32-39
Efa hatrizay niorenan’ny Fiangonana dia miara-dalana amin’ny mpino hatrany ny fisedrana samihafa izay hisedrana ny finoana. Eto ny Epistily dia mampianatra ny mino hahajoro manoloana ny zavatra sarotra samihafa. Aoreno ny finoana ka:
1. Mijoroa amin’ny fahasahiana (and.35,36)
Maro ireo mpianatra no kivy rehefa nolazoin’ny ady amin’ny finoana sy ny fijoroana vavolombelona. Tena nisy mihitsy aza ny nandao ny finoany fa tsy nahasedra olana. Ao ihany koa anefa ireo izay nitraka hatrany, ka na inona nitranga, na inona niseho dia sahy nijoro hatrany naneho fa manana fanantenana velona noho i Jesoa velona. Ny tena mino dia mandroso hatrany, tsy ketraka na voasakana, fa olon’ny fihoarana sakana, matoky an’i Jesoa ilay nandresy, ary zanaky ny Mpandresy. Mijoroa hatrany Ă ry, ka mahareta. Tanteraho ny sitrapon’ny Tompo. Ny Fanahy Masina dia manafy hery ny mino ka hananany fahasahiana tanteraka.
2. Mahandrasa ILAY hoavy (and.37-39)
Ny fanantenana kristiana dia tsy fanantenana mora resy sy mora mirodana, fa fanantenana velona satria velona Ilay antenainy. Raha mampahery eto ny Epistily dia tsy toy ny fampanantenana omen’olona tahaka ny zavatra mandalo sy mety simba na lo, fa fampanantenana miorina tsara ao amin’i Jesoa, Ilay tsy mba mamitaka. Miantso ny olona hivelona tsara amin’ny finoana ka hanana fahatokiana tsy mety resin’ny ady sy olana ny Soratra Masina; ary mitaona mba hijoro ho vavolombelona fa tsy diso ny fianteherany amin’Andriamanitra. Koa na dia mety ho maharary aza ny ady atrehana dia miandry am-pitoniana ilay fananganan’anaka ho amin’ny fiainana mandrakizay. Koa aoka haharitra hiandry ILAY hoavy dia Jesoa Kristy Tompo.
Fanontaniana:
Nahoana no mihena ny fahasahian’ny Kristiana ankehitriny?
Sampana Sekoly Alahady Foibe

