HAFATRA MOMBA NY FIAINAM-PIANGONANA

 « Mahefà be mandrakariva amin’ny asan’ny Tompo » (1Kor 15, 58d)

Ampitomboina ho anareo anie ny fahasoavana sy ny Fiadanana avy amin’Andriamanitra Ray sy Jesoa Kristy Tompo, ary ny firaisana amin’ny Fanahy Masina.

Ny Mpiandraikitra Foibe izay nanatanteraka ny fivoriany voalohany tao amin’ny CFD Ampandrana, ny 15 – 22 Oktobra 2025 MF 01 SLXX, taorian’ny Synoda Lehibe faha-20 dia mitondra izao hafatra izao ho Kristiana FJKM manerana ny sahan’ny FJKM.

Isaorana ny Tompo fa tanteraka soa amantsara ny fivoriana voalohany MF1 SLXX.

Nankatoavina tamin’izao fivoriana voalohany taorian’ny SL XX  izao ny fijerin’ny Filohan’ny FJKM sy ny fomba hanatanterahana ny Vina sy ireo fanapahan-kevitry ny SL XX tany Tolagnaro. Izany dia mifantoka amin’ny foto-kevitra roa lehibe dia ny FINOANA sy ny FAMPAMOKARANA, ary nofaritana amin’ny teny fanoitra hoe : « Finoana mamokatra, mamokatra be, mamokatra tsara, mamokatra tsy tapaka »

Tontosa koa ny fifidianana ireo tomponandraikitra ao amin’ny Mpanatanteraka hitarika amin’ny fanatontosana izany foto-kevitra izany dia ny Sekretera Jeneraly sy ireo Tonian’ny Departemanta efatra, araka izao :

  • Ny Sekretera Jeneraly : Dr. RAKOTONINDRAINY  Jaona, Mpitandrina
  • Ny Tonian’ny Departemanta Fiangonana, Asa Misiona ary ny Fanofanana Teolojika : RANDRIAMISAINA Landison Triomphe, Mpitandrina
  • Ny Tonian’ny Departemantan’ny Fanabeazana an-tsekoly sy fiarahamonina ary ny fanofanana Mpanabe : Andriamatoa RAMANAMISATA Tojonirina Jean Philbert
  • Ny Tonian’ny Departemantan’ny Fitantanana ny vola, ny fiahiana ny Mpiasa ary ny raharaha  Lalàna : Ramatoa RATSIMBAZAFY Holiarisoa
  • Ny Tonian’ny Departemantan’ny Fananana, Sosialy, Fampamokarana ary Fampandrosoana : RANADIMBY Fanantenana Lovasoa, Mpitandrina

Ampahafantarina isika, araka izany  fa efatra (04) ny isan’ny Departemanta tinapaky ny S.L. XX ary nisy fanovana ny anarana mba hahazoana mikendry ny tanjona araka ny Vinan’ny FJKM.

Voafidy tamin’izao MF1 S.L. XX izao  koa ny Birao sy ny Mpikambana ao amin’ny FIFAMPI Foibe sy ny FIFAFI Foibe ary ireo Mpandinibolan’ny FJKM Foibe.

Tanteraka soa amantsara ny fametrahana ara-pombam-piangonana ny Filoha sy ny Biraon’ny Mpiandraikitra Foibe, ary ireo rehetra voafidy tamin’izao fivorian’ny MF 01 SL XX izao, izay notanterahina teny amin’ny FJKM Ambohimalaza Firaisana Kanana Vaovao, tamin’ny Alahady 19 Oktobra 2025.

Ampahafantarina isika fa mitohy ny Hazakazaka Masina nataontsika ary nohatevenina tamin’ny fanapahan-kevitry ny SL XX tany Tolagnaro aza izany. Koa ampirisihina sy ampaherezina hatrany isika hahefa be amin’izany hazakazaka Masina izany.

Aoka hanao ho zava-dehibe ny fanohanana ny Sekoly FJKM ka hantanteraka ireo adidy samihafa manandrify ny isam-pitandremana, ary ampirisihina hatrany ny hanatanterahantsika ny Kitapo Iombonan’ny Sekoly (KIS).

Manentana hatrany antsika Synodamparitany sy Fitandremana mba hikajy ny fananana ary hampamokatra ireny mba hahazoantsika mampandroso ny Fiangonana sy hijoro ho vavolombelona eo anivon’ny fiarahamonina. Taomina koa isika mba samy hanatanteraka ny Adidy Iombonana amin’ny fotoanany avy, satria mariky ny fiombonantsika izany.

Farany, manentana antsika hatrany mba hahatsiaro hitondra hivavaka ho an’ny firenentsika, fa hoy ny Soratra Masina : « Koa mananatra voalohany indrindra aho mba hatao izay fangatahana, fivavahana, fifonana, fisaorana, ho an’ny olona rehetra, ho an’ny mpanjaka mbamin’izay rehetra manana fahefana, mba hiainantsika miadana sy mandry fahizay amin’ny toe-panahy araka an’Andriamanitra sy ny fahamaotinana rehetra. Izany no tsara ka ankasitrahana eo imason’Andriamanitra, Mpamonjy antsika. » (2 Tim 2, 1-3).

Amin’ny Anaran’ny Mpiandraikitra Foibe,

Ny Filohan’ny Biraon’ny Mpiandraikitra Foibe

ANDRIAMAMPIANINA Zaka Hary Masy, Mpitandrina

HAFATRA MOMBA NY FIAINAM-PIRENENA

« Sambatra ny firenena izay manana an’i Jehovah ho Andriamaniny » (Sal 33, 12)

Ampitomboina ho anareo anie ny fahasoavana sy ny Fiadanana amin’ny fahalalana tsara an’Andriamanitra sy Jesoa Kristy Tompo » (2 Pet 1, 2)

Hoy ny Soratra Masina : « Ny fahamarinana manandratra ny firenena ; fa ny ota kosa dia fahafaham-baraka amin’ny olona » (Oha 14, 34).

Ny Mpiandraikitra Foibe izay nivory tao amin’ny CFD Ampandrana ny 15 – 22 Oktobra 2025 MF 01 SLXX dia mitondra izao hafatra izao :

Voalohany,

  • Mitondra teny fiarahabana manokana ho an’ny Filoham-panjakana sy ireo mpiara-miasa aminy, ary ireo Andrim-panjakana rehetra mijoro eto amin’ny firenena ;
  • Mampahery sy  mitaona anareo izahay mba hanatantehanareo ny andraikitra amin’ny fahitsiana sy ny fahamarinana ary ny fitiavana mba hitondra fiainana sy fiadanana ho an’ny vahoaka.
  • Mampahery hikatsaka sy hitady vahaolana haingana amin’ireo tena maharary ny vahoaka Malagasy, indrindra fa ny lafiny sosialy sy ny fandriampahalemana.
  • Mpampahery anareo hiroso amin’ny fikatsahana ny fomba mahomby sy haingana hanafoanana ny tsy fahamarinana sy ny kolikoly ary ny gaboraraka izay tena mahazo vahana eto amin’ny firenena.
  • Hanao ho vain-dohan-draharaha sy hanome lanja ny fanovàna ny rafi-pitantanana sy ny rafi-pitondrana eto amin’ny Repoblika, izay andrandrain’ny vahoaka Malagasy mba hananana hoavy azo antoka, ho an’ny taranaka mifandimby.
  • Manao antso avo mba hikatsaka ny hahasoa ny daholobe ; fa tsy hanome vahana na hamoha varavarana ho an’ny olom-bitsy tia tena sy mpangoron-karena.

Faharoa,

  • Ny FJKM dia mampahery ny vahoaka Malagasy mba hioitra ka tsy hiraviravy tanana fa hijoro sy hitraka ary hiasa sy handray andraikitra manandrify ny tsirairay, na dia eo aza ny fahasahiranana sy ny fahantrana.
  • Mitaona ny rehetra mba ho tony sy hanana fahendrena hatrany.
  • Amin’ny maha Mpitily ny Fiangonana eto anivon’ny firenena, ny FJKM dia manaitra ny rehetra mba hifananatra sy hampitsaharana ny teny maloto sy tsy mendrika ary ny teny tsy maotina sady feno fifandranitana, izay hita fa mihamahazo vahana ankehitriny. Izany dia mifanohitra amin’ny soatoavina Malagasy sy ny Soratra Masina manao hoe : « « Aoka ny fiteninareo ho amin’ny fahasoavana mandrakariva, ho mamy sira », (Kol 4, 6).

Fahatelo,

  • Ny FJKM dia mampirisika sy mampahery ny Kristiana FJKM ho sahy hijoro ho vavolombelon’ny fanompoana an’Andriamanitra, tsy eo anivon’ny fiainam-piangonana ihany ; fa eo amin’ny fandraisana andraikitra eo amin’ny sehatry ny fiarahamonina sy ny firenena
  • Mampahery ny kristiana FJKM ho olom-pirenena vanona sy vonona ho amin’ny asa tsara rehetra ka tsy ho menatra hijoro ho vavolombelon’ny Tompo, sady hifady ny fanao ratsy rehetra mifanohitra amin’ny sitrapon’Andriamanitra.
  • Mampahery ny zanaky ny Fiangonana, na ireo olom-boafidy na ireo olom-boatendry mba hanatanteraka ny andraikiny amin’ny fahatahorana an’Andriamanitra, satria ny fiovàna dia miainga  amin’ny isam-batan’olona, fa hoy ny Soratra Masina : « Mahereza, ka aoka hitomban-dahy isika ho an’ny firenentsika … » (2 Sam 10, 12).
  • Manentana hatrany mba hitondra eo amin’Andriamanitra ny firenentsika, ka hivavaka, satria ny Andriamanitsika dia mihaino ny fitarainantsika sady mahita ny fahoriantsika.

Farany,

Ny FJKM dia mitondra ny teny fampiononana sy fanantenana ao amin’i Jesoa Kristy ho an’ireo fianakaviana namoy havana, ary mirary fahasitranana ho an’ireo naratra sy tratry ny tsy fahasalamana tamin’ny hetsi-bahoaka ; mitondra teny fampaherezana ihany koa ho an’ireo rava fananana.

Ny FJKM dia vonona hifanome tanana ary hitondra anjara biriky hanavaozana sy hanarenana ny firenena eo amin’ny sehatra rehetra mba hitondra fiainana ho an’ny olona rehetra sy ny olona manontolo.

Hoy ny Tompo : « Ary ianareo hataon’ny firenena rehetra hoe: sambatra; fa ho tany mahafinaritra ianareo» (Mal 3, 12) ; ary hoy koa i Jesoa : « Izaho avy anananareo fiainana sady ananareo be dia be » (Jao 10, 10b).

Amin’ny Anaran’ny Mpiandraikitra Foibe

Ny Filohan’ny Biraon’ny Mpiandraikitra Foibe

ANDRIAMAMPIANINA Zaka Hary Masy, Mpitandrina

Perikopa 2025

Novambra: MAHANDRASA, HO AVY NY TOMPO

| | 09. Ala. XXII man. Trinite - Fitantanana Fananana
2 Mpa. 22. 1-7 | Lio. 12. 41-48 | 1Kor. 4. 1-5

| | 16. Ala. XXIII man. Trinite -SAMPATI
Zef. 3. 6-8 | Mar. 13. 33-37 | 1Pet. 4. 1-6

| | 23. Ala. XXIV man. Trinite - KPMSV
Mik. 7. 7-10 | Lio. 21. 5-11 | 1Jao. 2. 24-29

| | 30. Advento I
Sal. 75. 1-10 | Lio. 21. 12-19 | Apo. 3. 7-13

FJKM Fahazavana

Fivoriana voalohany – taorian’ny SLXX ao amin’ny CFD AMPANDRANA

Fandaminana ny Alahady 19 Oktobra 2025 eny amin’ny FJKM AMBOHIMALAZA FIRAISANA KANANA VAOVAO