Alarobia, faha 29 Oktobra 2025
Sal. 67. 3. 4 / Hira 39. 1, 5 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / HF 29
Isaia 66. 18-24
Andriamanitra mitsara ny olona
1- Maniraka mpitory filazantsara
«… Ary hitory ny voninahitro any amin’ny jentilisa izy. » (And. 19)
Rehefa nanota ny Jiosy, izay vahoaka voafidy, dia hitsara azy ireo Andriamanitra. Misy ho faty amin’izy ireo ary misy ho afa-mandositra. Ireo afa-madositra dia hitory ny voninahitra sy ny anaran’Andriamanitra any amin’ny Jentilisa. Dia ho voangona hanompo an’i Jehovah ny Jentilisa. Araka izany, ny fitsaran’Andriamanitra ny olona nofidiany dia lalana misokatra ahafahan’ny Jentilisa mandre ny Filazantsara, hahazoan’izy ireo manatona an’Andriamanitra. Mampiombona ny Jentilisa amin’Andriamanitra ny fitoriana ny Filazantsaran’i Jesoa Kristy.
2- Mifidy mpisorona avy amin’ny jentilisa
«…Ary avy amin’ireo aza no hakako ho mpisorona sy Levita, hoy Jehovah. » (And. 21)
Tsy misy afaka manao ny asan’ny mpisorona toa amin’ny Isiraely afa-tsy ny avy amin’ny taranak’i Arona. Eto anefa dia haka mpisorona avy amin’ny Jentilisa Andriamanitra. Fanavaozana lehibe ataon’Andriamanitra eo amin’ny fomba fanompoana Azy izany. Andriamanitra dia te-hitondra famonjena ho an’ny firenena rehetra, ka manao izay fomba rehetra hahaozoana manatona Azy. Fitiavany ny olona rehetra no mahatonga izany, sady manamora ny fanitarana ny fitoriana ny Filazantsara hahatonga izany hipaka amin’ny rehetra.
Fanontaniana:
Inona mahatonga ny olona miandry fitsaran’ Andriamanitra vao manao ny asan Andriamanitra?
Sampana Sekoly Alahady Foibe

