Talata, faha 28 Oktobra 2025
Sal. 149. 1-4 / Hira 167 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 354
2 Korintiana 5. 16-21
Ny irak’i Jesoa Kristy
1- Mampiahavana ny olona amin’Andriamanitra
«… Mihavana amin’Andriamanitra anie ianareo. » (And. 20)
Antso sy fangatahana ho an’ny Korintiana mba hihavana amin’Andriamanitra no nataon’i Paoly Apostoly eto. Jesoa Kristy dia efa namonjy azy ireo tamin’ny ota sy ny adiny rehetra. Noho izany, tokony hanompo an’Andriamanitra izy ireo. Raha izany, ny fahatsapan’ny olona ny famonjena vitan’i Jesoa Kristy no mahatonga azy hihavana amin’Andriamanitra. Raha tsy tsapan’ny olona izany, dia tsy mety tonga amin’ny fihavana sy fanompoana an’i Kristy izy. Koa ataovy tsara ny fihavananao amin’i Kristy izay efa « tsy nanisa fahadisoantsika ».
2- Manambara ny famonjen’i Kristy
«… Mba ho tonga fahamarinan’Andriamanitra ao aminy kosa isika.» (And. 21)
Jesoa dia tsy manana ota sady tsy nanota. Maty hamonjy ny mpanota anefa Izy, mba hahazona manamarina ny mpanota. Tonga toy ny mpanota mihitsy i Jesoa mba hamonjena ny mpanota. Raha tsy ny rà marina tao amin’i Jesoa Kristy latsaka dia tsy misy fanamarinana ho an’ny olombelona mpanota. Noho izany, Jesoa Kristy no namonjy sy nanamarina ny mpanotra mba handraisana famonjena. Ary ny famonjena noraisin’ny olombelona tao amin’i Kristy no nahatonga azy hanompo an’i Kristy. Vavolombelon’ny famonjena vitan’Andriamanitra ny olom-boavonjy.
Fanontaniana:
Ahoana ny fomba iainanao ny famonjen’i Kristy?
Sampana Sekoly Alahady Foibe

