Alatsinainy, faha 27 Oktobra 2025
Sal. 47. 1-4 / Hira 171 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / HF 2
Rota 1. 11-17
Ny olona misafidy hanompo an’i Jehovah
1- Manaraka ny olona manompo Azy
«Fa hoy Rota: Aza manery ahy handao anao (…), ary ny Andriamanitrao no ho Andriamanitro: » (Rota 1:16).
Nandà tsy handao an’i Naomy i Rota, ka nisafidy hanaraka azy. Fantatr’i Rota ny fahambonian’ny Andriamanitr’i Naomy. Nahafoy ny sampin’i Moaba fireneny izy ka nitodika tamin’i Jehovah. Araka izany, ny olona rehetra misafidy ny hanompo an’ Andriamanitra Rain’i Jesoa Kristy dia tsy maintsy mahafoy ny sampin’ny fireneny ka miombona amin’ny olona manompo an’i Kristy. Koa raha te-hanompo an’i Kristy marina ianao, ario ny sampy rehetra ka miaraha amin’ireo namanao izay tena manompo marina ny Tompo. Izany ny fanoloran-tena marina ho an’ny Tompo.
2- Vonona hiaritra fahoriana
«…Eny mihoatra noho izany aza, raha tsy ny fahafatesana ihany no hampisaraka antsika.» (And. 17).
Na dia efa nambaran’i Naomy tamin’i Rota aza ny hamafin’ny fahoriana niaretany avy tamin’Andriamanitra, ny tsy fahafahan’i Rota hanambady intsony, tsy niova hevitra i Rota satria vonona hiaritra izy, eny, hatramin’ny fahafatesana aza. Izany dia noho ny finoana an’Andriamanitra. Môdelin’ny finoana tokony hananan’ny olona misafidy hanompo an’i Kristy izany. Tsy mihevitra izay mety ho fahoriana hihatra aminy, fa manara-dia amin’ny fahatokiana an’i Jesoa Kristy. Aza atao sakana tsy hanarahanao an’i Kristy ny fampitahorana ataon’ny hafa aminao fa manaraha Azy amin’ny finoana.
Fanontaniana:
Inona no mampatahotra ny olona tsy hanaraka an’i Kristy?
Sampana Sekoly Alahady Foibe

