Zoma, faha 24 Oktobra 2025
Sal. 100 / Hira 36 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka /HF 33
Efesiana 1.3-6
Andriamanitra mitahy antsika
1- Mifidy antsika
« …Araka ny nifidianany antsika tao aminy, fony tsy mbola ary ny fanorenan’izao tontolo izao… » (And. 4)
Andriamanitra dia miantso ny olona rehetra ho ao amin’i Kristy. Andriamanitra ihany koa mifidy ny olona manaiky hino an’i Jesoa Kristy. Ny safidin’ny olona hino an’i Jesoa dia manamafy ny fifidianan’Andriamanitra azy fa tsy mamaritra ny safidin’Andriamanitra akory. Andriamanitra no mifidy ny olona mba handray famonjena. Ary tsy ny handray famonjena ihany no nifidianana antsika fa ho masina sy voatokana ho Azy. Raha izany, ny fifidianan’Andriamanitra dia fanokanana ny olona ho amin’ny fanompoana Azy, hanana fitoviana amin’i Kristy. Koa tanteraho ny fanompoanao.
2- Midera Azy isika
« …ho fiderana ny voninahitry ny fahasoavany, izay nanasoavany antsika maimaimpoana ao amin’ny Malala. » (And. 6)
Andriamanitra no tia antsika taloha. Andriamanitra Ray dia nitia antsika tao amin’i Jesoa Kristy. Izany no maneho ny maha Izy Azy. Izany no mahatonga ny fiderana Azy: Andriamanitra be voninahitra, kanefa nanaiky hitia antsika maimaim-poana tao amin’i Jesoa Kristy. Ny olona mahatsapa ny famonjen’ Andriamanitra maimaim-poana tao amin’i Jesoa Kristy no midera an’Andriamanitra. Fahasoavana no namonjena antsika tao amin’i Jesoa Kristy ka nahatonga antsika izay olombelona ho vita fihavanana Aminy.
Fanontaniana:
Ahoana ny fomba anehoana ny fiderana an’ Andriamanitra?
Sampana Sekoly Alahady Foibe

