Alarobia, faha 22 Oktobra 2025
Sal. 81. 1-3 / Hira 201.1, 2 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / HF 1
Jaona 4.31-38
Jesoa Kristy manao ny asan’ny Ray
1- Mifandray Aminy
« Ny haniko dia ny manao ny sitrapon’izay naniraka Ahy sy ny mahavita ny asany.» (And.34)
Tenin’i Jesoa Kristy izany. Inona no hevitr’izany teny izany? Rehefa miasa ny asan’Andriamanitra amin’ny fitiavana, amin’ny fifaliana, ary amin’ny heriny dia voky ny vatany sy ny fanahiny. Izany hoe manana fiombonana tsy tapaka amin’Andriamanitra Ray, izay loharanon’ny fiainana. Mba hahavitana ny asan’ Andriamanitra Ray amin’ny fotoana dia manantanteraka ny sitrapon’ny Ray. Fianarana ho an’ny Kristiana izany. Tokony hanana fifandraisana tsy tapaka amin’Andriamanitra Ray ny mpino, ka manao ny asany amin’ny fifaliana sy fitiavana. Dia hahazo hery sy fiainana izy.
2- Mitarika ny handova ny fiainana mandrakizay
« Ary izay mijinja dia mandray karama ka mamory vokatra ho amin’ny fiainana mandrakizay… » (And. 36).
Sarin-teny momba ny fijinjana no entin’i Jesoa Kristy entina milaza ny vokatry ny asan’ Andriamanitra tamin’ny lasa sy ankehitriny ary ny ho avy. Rehefa ho avy amin’ny voninahitra i Jesoa Kristy dia hahita ny vokatry ny fisasarany, dia ny finoan’ireo izay nitoriany ny filazantsara. Olona samihafa no nitory filazantsara tamin’ny karazan’olona samihafa, araka ny fotoana na vanim-potoana nifandimby; fa i Jesoa no nampiorina ny finoan’ireo olona ireo, ka nahatonga azy ireo handova ny fiainana mandrakizay. Izany no fifalian’ny mpitory filazantsara amin’ny fiverenan’i Jesoa Kristy.
Fanontaniana:
Inona no hojinjainao amin’ny fiavian’i Jesoa Kristy?
Sampana Sekoly Alahady Foibe

