Talata, faha 21 Oktobra 2025

Sal.92. 1-11 / HF 48/ Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 548

Tamin’ny andron’i Amosa dia nazoto nivavaka ny olona: namonjy ireo fivoriana ara-pivavahana. Naredona ny hira nandritra ny andro firavoravoana, nazoto nanatitra ireo fanatitra ny olona. Saingy nolavin’Andriamanitra avokoa izany. Tamin’ny endrika ivelany fotsiny ihany no nanaovana ireo fombam-pivavahana ireo fa tsy tena tamin’ny fo tokoa. Araka izany, ny fivavahana amin’ny fo arahin’ireo fomba mifanaraka amin’izany no takian’ Andriamanitra amin’ny olona, fa tsy amin’ny fombafomba fotsiny ihany. Ary izany no itaomana ny Kristiana ankehitriny mba hanompo an’i Jesoa Kristy amin’ny finoana marina tokoa.

Tao amin’ny Fanjakana Avaratra no nitondran’ny mpaminany Amosa hafatra. Nanjaka ny tsy fahamarinana ara-pitsarana: nanjaka ny kolikoly, ny fanararaotana ireo mahantra, tsy nisy ny fahamarinana. Nitaky ny hisian’ny fahamarinana ara-pitsarana ny mpaminany. Araka izany, takiana amin’ny olona milaza ny tenany ho kristiana, manana andraikitra eo amin’ny fitsarana, ny hanao ny fitsarana marina, lavitry ny kolikoly, fitsarana ho fialofan’ny malemy tokoa satria izany no vokatra tsara indrindra mendrika atolotra ho an’ny Tompo. Koa manaova ny marina sy ny rariny ary hitsiny eo amin’ny andraikitra raisinao ho voninahitr’i Jesoa Kristy. Jesoa Kristy dia Fahamarinana, ka ny olona rehetra mivavaka Aminy dia tsy maintsy manao ny marina araka an’i Kristy.

Ahoana ny fomba hiainana ny fahamarinan ‘i Jesoa Kristy?

Perikopa 2025

Oktobra: MAMORIA VOKATRA HO AN'NY TOMPO

| | 26. Ala. XX man. Trinite - SaFif / Reformasiona
Isa. 66. 18-24 | Jao. 11. 47-53 | 1Kor. 9. 19-23

Novambra: MAHANDRASA, HO AVY NY TOMPO

| | 02. Ala. XXI man. Trinite
Hos. 12. 4-7 | Mat. 16. 24-28 | Rom. 8. 18-25

| | 09. Ala. XXII man. Trinite - Fitantanana Fananana
2 Mpa. 22. 1-7 | Lio. 12. 41-48 | 1Kor. 4. 1-5

| | 16. Ala. XXIII man. Trinite -SAMPATI
Zef. 3. 6-8 | Mar. 13. 33-37 | 1Pet. 4. 1-6

FJKM Fahazavana

Fivoriana voalohany – taorian’ny SLXX ao amin’ny CFD AMPANDRANA

Fandaminana ny Alahady 19 Oktobra 2025 eny amin’ny FJKM AMBOHIMALAZA FIRAISANA KANANA VAOVAO