Alatsinainy, faha 20 Oktobra 2025
Sal. 106. 1-5 / Hira 36 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / HF 18
1Tesaloniana 5. 12-22
Ny toetran’ny olona miandry ny fiavian’ny Tompo
1- Manaja ny mpitondra
« …ary mba hohajainareo indrindra amin’ny fitiavana izy noho ny asany. Mihavana tsara. » (And. 13)
Nahitana karazan’olona samihafa, avy amin’ny toerana samihafa, tao anatin’ny Fiangonana voalohany. Misy olana mitranga matetika naterak’izany. Mba hisian’ny filaminana, taomina ny mpino hanaja ny mpitondra izany tena manao ny asany satria fanomezam-pahasoavana izany. Araka izany, avy amin’ Andriamanitra fanomezam-pahasoavana ahafahana mitarika sy mitondra. Taomina hiasa tsara ireo mpitondra nomen’ Andriamanitra fahefana. Manoloana izany, adidin’ny vahoaka kosa ny manaja ny mpitondra.
2- Mihazona ny finoana
« …Aza mamono ny Fanahy. Aza manao tsinontsinona ην faminaniana. Fantaro ny zavatra rehetra; hazóny mafy izay tsara.» (And. 19-21).
Eo ampiandrasana ny fiavian’ny Tompo,. mila mamela ny afon’ny Fanahy Masina hirehitra mandrakariva, mankato ny Tenin’Andriamanitra, izay fanambarana sy fahazavana manazava ny Fiangonana, mahay mamantatra ny fahamariana araka ny filazantsara eo ambany fitarihan’ny Fanahy Masina. Ireo rehetra ireo mitambatra no ahafahan’ny olona mihazona tsara ny finoana an’i Jesoa Kristy. Ny fahalalan’ny mpíno kristiana ny marina, eo ambany fitarihan’ny Fanahy Masina, no mahatonga azy tsy ho diso fandray ny filazantsara ka mahatonga azy hiorina amin’ny finoana marina.
Fanontaniana:
Ahoana ny fomba iandrasanao ny fiavian’ny Tompo?
Sampana Sekoly Alahady Foibe

