Alahady, faha 19 Oktobra 2025
Sal. 84. 4-7 / Hira 16 1, 2 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 471.4
Josoa 2. 17-24
Ny olona manaiky hamonjy ny hafa
1- Manome toromarika azy
« Indro, rehefa tonga eto amin’ny tany izahay, dia hafehinao eo amin’ny varavarankely izay nampidinanao anay io kofehy jaky io… »(And. 18). Nafehy teo amin’ny varavarankely ny kofehy jaky namonjen’i Rahaba azy roalahy dia tsy handringana azy sy ny mpianakaviny ny Zanak’Isiraely. Raha izany, ny Kristiana dia manana famantarana hita maso mitondra famonjena ho azy sy ny ankohonany. Ny hazofijaliana sy ny tena sy ran’i Kristy no famantarana mitondra famonjena. Rehefa eken’ny olona ny handray an’i Kristy ho tombokase sy famantarana eo amin’ny fiainany dia hovonjena izy sy ny ankohonany. Koa raiso Jesoa Kristy dia hovonjena ianao sy ny ankohonanao.
2- Manambara ny fepetra
« …fa raha tahiny hambarambaranao izao raharahanay izao, dia ho afaka amin’ny fianianana izay nampianianinao anay izahay. » (And. 20). Fepetra manafoana ny fianianana nataon’ny mpisafo tany roalahy tany Jeriko tamin’i Rahaba ny filazana ny paikady hataon’ny Zanak’Isiraely hakana ny tany. Araka izany, fepetra ahafahana misitraka ny famonjena ny fankatoavana ny fanekena. Amin’ny fotoana izay ialan’ny olona amin’ny fankatoavana ny fepetran’ny fanekena, dia ny finoana an’i Jesoa Kristy, dia mifarana hatreo ihany koa ny famonjena tokony ho an’izany olona izany. Tehirizo amin’ny fankatoavana ny tenin’i Jesoa Kristy dia hovonjena hianao.
Fanontaniana:
Inona no antony mahatonga ny olona hiala amin’ny finoana?
Sampana Sekoly Alahady Foibe

