Zoma, faha 17 Oktobra 2025
Sal.117 / Hira 14 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 790.1, 2
Asan’ny Apostoly 15. 22-29
Fiangonana miatrika olana
1- Miray saina
« …dia sitrakay, rehefa nifanara-kevitra, ny hifidy olona hirahina hankaty aminareo… » (And. 25).
Nisy olona izay tsy nomena andraikitra hiteny amin’ny anaran’ny Fiangonana tany amin’ny tanin’ny Jentilisa (Antiokia, Syria, Kilkia) nilaza fa tsy maintsy manaraka ny lalan’i Mosesy vao ekena ho kristiana. Nanoloana izany, niray hevitra Apostoly sy ny loholona ka nanapa-kevitra. Araka izany, manoloana ny olana mitranga eo amin’ny Fiangonana dia mila miray hevitra ny samy tompon’andraikitra amin’ny famahana ny olana. Mety misy ny adihevitra sy tsy fitovian-kevitra saingy kosa, noho ny asan’ny Fanahy Masina dia manaiky hiray saina hamaha ny olana misy.
2- Mihaino ny Fanahy Masina
« Fa sitraky ny Fanahy Masina sy izahay tsy hampitondra enta-mavesatra anareo … » (And. 28)
Ny filazana hoe « sitraky ny Fanahy Masina » dia midika fa nanatrika teo ny Fanahy Masina nandritry ny fivoriana ary niteny nilaza ny heviny ihany koa Izy tao anaty adihevitra. Ary izany no nahatonga ny firaisan-tsaina tamin’ny fanapahan-kevitra. Araka izany, amin’ny fivoriana rehetra atao amin’ny anaran’ny Fiangonana handraisana fanapahan-kevitra, henoy ny feon’ny Fanahy Masina. Tsy ho amin’ny fombafomba ivelany fotsiny ihany no ivavahana mangataka ny Fanahy Masina mialohan’ny fivoriana fa tena henoina tokoa ny heviny.
Fanontaniana:
Inona no mety miteraka olana amin’ny fivoriana natrehinao?
Sampana Sekoly Alahady Foibe

